Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Marsa, 2014

Tantara mikasika ny Tsidika tamin'ny Marsa, 2014

27 Marsa 2014

Vaovao Mampahonena: Nianjera Tao Amin'ny Ranomasimbe Indiana Ilay Voromby Nanjavona MH370 Malayziana

Nanamafy ny Praiminisitra Malayziana tamin'ny Alatsinainy hariva fa nianjera tao amin'ny Ranomasimbe Indiana ilay voromby Maleziana nanjavoana MH370. Tapaka ny fifandraisana tamin'ity voromby nitondra mpandeha 239 ity roa herinandro lasa izay.

22 Marsa 2014

Firaisankina Manerantany Ho an'ireo Nanjavona Tamin'ny Voromby Malayziana MH370

Mampiseho ny firaisankinany amin'ireo havana sy ny naman'ny mpandeha nanjavona tao amin'ny voromby tsy hita an'ny Malaysia Airlines zotra MH370 izay tsy hita nanomboka ny 8 marsa ny mpiserasera manerana izao tontolo izao

18 Marsa 2014

SARIPIKA: Mizaha Vorona any Atsimon'i Philippines

Mahafinaritra kokoa noho ny misiokantserasera ny Mizaha vorona. Jereo anie ny sasantsasany amin'ireo voromanidina avy any atsimon'ny nosy Mindanao any Philippines ireo. Ankafizo ny mijery vorona!

17 Marsa 2014

“Modia Ry Zotra MH370 Malaysia Airlines”

Tsy hita ny zotra MH370 Malaysia Airlines tamin'ny 8 Marsa ary tsy mbola mahafantatra izay misy ny voromby ny manampahefana. Mampiseho ny fanohanany ireo havan'ny mpandeha ny mpiserasera

16 Marsa 2014

Sakafo 5 Nenti-paharazana Avy Amin'ny Tany Miteny Frantsay

Noana tajine, hena na trondro ahandroina miaraka amin'ny legioma na voankazo maina avy any Maraoka ? Sa ahoana ny momba ny ravitoto, sakafo vita amin'ny ravi-mangahazo, tongolo be sy henankisoa avy any Madagasikara

09 Marsa 2014

Miala Sasatra Any Eoropa Ny Lehiben'ny Fampielezankevitr'i Rosia Nefa Ny Ady Mipoaka

Akon'ny RuNet

Goavana izany. Eo anelanelan'ny filazana tantaram-pahalòvana, Eoropa pelaka-mpanakavaka, Dmitry Kiselyov sy ny fianakaviany kos amitangin-tsambo manodidina an'i Amsterdam.

Fakana Sary Avy amin'ny “Drone” Mampiseho Ny Hakanton'ny Talaky Maso Kambojiana

Nampiasa "drone" na voromby kely baikoan-davitra hanapihana sary ny hakanton'ny talaky maso ambonivohitra sy ambanivohitra Kambojiana tsy manam-paharoa ny mpanatontosa horonan-tsarimihetsika Roberto Serrini

06 Marsa 2014

“Dia Tsy Ho Adinointsika”: Lehilahy Rosiana Nigadona Tao Tajikistan Tamim-pahadisoana

Tsy nanamarina ny tapakilany ilay tovolahy alohan'ny fiaingana ka nigadona tao Kurgan-Tyube, Tajikistan raha tokony ho any Kurgan, Rosia.

Momo Masira, Dônaty Mamy Voahendy sy Hainahandro Nepaley 5 Hafa

Tsy mahitahatao sakafo anio alina ve? Mba andramo ny tsiron-kanina Nepale, maninona raha lasopy Gundruk no atao, vita tamin'ny legioma nahotrika na chatamari, fantatra amn'ny anarana hoe pizza Nepale?