Mezcal : Fahaterahana Vaovao Indray Ho an'ilay Zava-Pisotro Nentim-paharazana Meksikàna

Eo ankavia : taretra iray. Eo ankavanana : tavoahangy fivarotana mezcal. Sary nalain'ny mpanoratra ary nahazoana alalàna ny famoahana azy.

Rehefa miresaka ny zava-pisotro nentim-paharazana meksikana isika, mazàna mirona any amin'ny fiverenan'ny mezcal tsy ela akory izay ho amin'ny sehatry ny varotra indray ny resaka. Nisy fotoana efa tsy tadidy intsony ny fisiany, ankehitriny ny mezcal dia lasa laro fampiasa hatrany amin'ireny zava-pisotro loha laharana any anatin'ireny hotely lehibe meksikana ireny.

Lasa lamaody mihitsy ny fisotroana mezcal tato anatin'ny folo taona farany, fa inona marina moa ilay mezcal ? Araka ny nambaran'ny Official Mexican Standard (manampahefàna ofisialy miandraikitra ny famaritana sy toetoetry ny mezcal) zava-pisotro misy alikaola mangarahara, azo avy amin'ny zavamaniry iray :  maguey na taretra Amerikana.

100 % de maguey o agave, obtenida por destilación de jugos fermentados con microorganismos espontáneos o cultivados, extraídos de cabezas maduras de magueyes o agaves cocidos (…)

taretra Amerikana 100% (antsoina koa hoe maguey), azo avy amin'ny fitsihifana ny ranony nahotrika niaraka taminà “microorganisme” nivoaka ho azy na nambolena , sombinà lohanà taretra matoy teny ifotony na nandrahoina

Tsy hay marina izay fiaviana ara-tantaran'ny mezcal, na maro aza ireo manohana ny filazana sasany  manao hoe teraka tamin'ny andron'ny fanjanahantany, izy io, fotoana vitsy taorian'ny fanjanahan'ny Espaniola tamin'ny 1521 sy ny fampidiran-dry zareo ireo teknika fitsihifana. Misy ny milaza fa zava-pisotro talohan'ny vanimpotoana espaniola nampiasain'ireo teratany nandritry ny taonjato nialohan'ny fanjanahantany ilay izy..

Laharana voalohany no toerana misy ny mezcal ankehitriny, anivon'ireo zava-pisotro hafa ela nihetezana toy ny pulque sy  tepache. Aoka tsy ho afangarontsika amin'ny tequilla izy, izay avy amin'ny taretra manga notazana teny amin'ny faritra tena ahitàna ny Tequila izy io, ao amin'ny fanjakan'i Jalisco. Manasongadina tsy fitoviana hafa vitsivitsy ny lahatsoratra iray vao nivoaka tsy ela tao amin'ny Huffington Post mikasika ny fiakaran'ny Mezcal .

Alrededor del mundo ambos elixires simbolizan a México, y si durante décadas el tequila ha sido la bebida mexicana por excelencia, ahora el mezcal está viviendo una auténtica revolución. Después de haber sido considerado como una bebida despreciada, ya por fin lo encontramos en los bares mas chic del planeta y el talento de los bartenders le están dando el lugar que se merece.

Manerana izao tontolo izao, isan'ny amantarana an'i Meksika ireo zava-pisotro roa ireo, ny Tequilla dia zava-pisotro nampiavaka ny Meksikana nandritra ny taona maro. Ankehitriny, mahiata fivoarana goavana ny mezcal. Taorian'ny vanim-potoana tsy dia nitiavan'ny olona azy, efa hita manerana ireo trano fisotroana isan'ny tsara indrindra eto an-tany izy amin'izao fotoana izao ary manome ny lanja sahaza azy ny talentan'ireo mpampandroso zava-pisotro..

Ambony be ny tinady ho an'ny mezcalerías hany ka niha niely be ny mezcalerías (toerana natokana ho an'ny fivarotana sy fisotroana azy io ihany). Vohikala maro tahaka ny Hello DF na ny TimeOut no manoro matetika ireo fivarotana mezcal be mpandeha indrindra.

Mezcalería en Matatlán. Foto del usuario de Flickr Eduardo Robles Pacheco. Usado bajo licencia Creative Commons (CC BY 2.0)

Mezcalería (fivarotana mezcal) ao Matatlán, Meksiko. Sary nahazoana alalana avy amin'ny kaonty Flickr an'i Eduardo Robles Pacheco nampiasàna ny Creative Commons (CC BY 2.0).

Navoakan'i Silvia Lucero tao amin'ilay vohikala Qué Rica Vida ny ” Mezcal : zava-pisotro nentim-paharazana lamaody” izay hanoroany ny fomba tsara indrindra hanandramana azy :

Tengo que confesar que, así como me pone un poco nerviosa ver a alguien pedir un tequila y tomarlo en un solo trago, lo mismo me pasa con el mezcal, ya que hay que saber tomarlo y disfrutarlo–sobre todo tratándose de una bebida ancestral.

Existen diferentes tipos; hablando de manera general, sin embargo, está el blanco, el de pechuga y el añejo. En lo personal me gustan aquellos que tienen un sabor como ahumado. Si lo tomas puro, se acompaña con un gajo de naranja y sal de gusano que mezclan con chile en polvo. Suena extraño, es verdad, pero es delicioso.

Tsoriko aloha fa rehefa misy olona misafidy tequilla ka misotro azy indray migoka aho, dia matahotra. Ilaina ny mahay mankafy ny mezcal, tahaka ny tequilla ihany koa, indrindra fa zava-pisotro natao tànana izany.

Misy karazany maro io zava-pisotro io. Ny tena miparitaka dia ny fotsy, ilay antitra, ary ny pechuga, izay notsihifina niaraka tamin'ny nofon'akoho. Amiko manokana, ilay misy tsiro maimay no ankafiziko. Raha ilay tsy misy fangarony no safidianao, tokony ampiarahinao amin'ny silaka voasary izany, sira sy tarettra ary vovoka sakay. Toy ny hafahafa , sa ahoana ? Saingy matsiro.

Namela torohevitra iray ho an'ireo lela mora taitra I Lucero :

Si te parece muy fuerte para beberlo solo, puedes tomarlo en cóctel. Por suerte, cada vez es más común encontrar los típicos margarita, bloody mary, paloma o mojito preparados con mezcal. También puedes experimentar en casa creando algunos refrescantes para el verano como, por ejemplo, con jugo de mango y chile en polvo; ¡te quedará delicioso!

Raha toa ka hitanao ho mahery loatra io zava-pisotro io, afaka ataonao tsara ny misotro azy “Cocktail”. Soa ihany fa mora ny mahita margaritas, ny bloody marys ary mojitos nokarakaraina niaraka tamin'ny mezcal. Afaka manao fanandramana ihany koa ianao any an-trano, ary mamorona zava-pisotro manala hetaheta ho an'ny andro mafana. Andramo kely ange ny manafangaro azy amin'ny ranom-boankazo vita amin'ny manga sy vovoka sakay. Matsiro!

Mampiseho fomba efatra hanamaivamaivanana ny mezcal ny vohikala Mezcal Nation  :

Tal vez al leer esto vengan a tu mente un complejo término digno de un “mezcalier” “mezcolatra” o “mezcalero”, la realidad es que hablamos de las cuatro formas de darle un acabado al mezcal.
Joven (blanco): es aquel que es envasado después de terminar la segunda destilación, cuando el destilado ya es considerado mezcal.
Reposado: su nombre lo dice, después de terminar el proceso de producción es reposado en barricas de roble blanco de 6 meses a 1 año.
Añejo: como los mejores whiskys, vinos o coñacs, el mezcal también se añeja por cinco años o más en las mismas barricas de roble blanco canadiense o americano.
Abocado: al terminar el proceso, se le agrega un sabor adicional como alguna hierba o fruta (el mezcal de gusano es un ejemplo de abocado).

Angamba aorian'ny famakiana izao lahatsoratra izao, dia hisy anarana toy ny hoe “mezcalier,” “mezcolatra” na “mezcalero” ho tonga an-tsain'ny maro. Mikasika ireo  fomba karazany efatra hanamasahana ny mezcal ilay resaka..
Joven (tanora, fotsy): Atao anaty tavoahangy izy aorian'ny fitsihifana fanindroany azy, vita izay vao azo antsoina hoe mezcal ilay zava-pisotro.
Reposado (Mandry / maka aina): mahalaza azy ny anarany : rehefa vita ny famokarana azy, dia maka aina anaty barika hazo mandritry ny volana enina ka hatramin'ny herintaona ilay izy.<
Añejo (antitra): toy ireo Whisky tsara indrindra rehetra, divay na Cognac koa, ny mezcal dia tehirizina mandritry ny dimy taona na mihoatra anatin'ireo barika vita tamin'ny hazo  oaka fotsy Kanadiana na Amerikana.
Abocado (Vita): Amin'ny faran'ilay dingana, misy famarànana iray farany fanampiny : ravina iray, voankazo (ny olitry ny mezcal dia ohatra iray amin'ny famarànana azy).

Nanome ny fandinihana avy aminy manokana ihany koa momba ny fisotroana mezcal ny vohikala Animal Gourmet :

Antes de beber, reconoce el mezcal que tienes enfrente. Conócelo. Olfatéalo con una fosa nasal y luego con la otra. Después coloca unas gotitas en las palmas de tus manos y frótalas hasta que el mezcal se seque. Coloca rápidamente tus manos alrededor de tu nariz y respira profundamente. Notarás los verdaderos aromas del mezcal (sin el alcohol interfiriendo). ¿Ahumado? Seguro. ¿Tierra mojada?, ¿tabaco? ¿hierbas? ¿durazno? ¿a qué huele? ¿Te gusta? Inténtalo de nuevo. Los expertos incluso pueden identificar qué tipo de agave y de qué región proviene el destilado. No esperamos que logres esto a la primera, pero es una buena forma de empezar a disfrutar tu mezcal.

Alohan'ny hisotroana azy, fantaro aloha ny anaran'ilay mezcal eo anoloanao. Mianara mamantatra azy. Fofòny amin'ny orona ilany, ary amin'ny ilany indray avy eo. Avy eo, asio tete kely eo amin'ny tananao ary akasokasohy izy roa mandrapaha maina ilay mezcal. Ataovy eo amin'ny orona malaky ny tananao ary mitroha rivotra lalina. Ho hitanao eo ny laro nampiasaina tamin'ilay mezcal tsy misy ilay alikaola intsony. Maimay? Mazava ho azy. Tany mando? Paraky? Ravina? Paiso? Inona ny fofony? Tianao ve io fofona io? Avereno indray. Ny matihanina aza mahavita mihitsy manavaka tsara ny karazana taretra nampiasaina ary ny toerana niavian'ilay zava-pisotro. *Aza mihevitra ny hahay izany raha vao manomboka, kanefa efa fiantombohana tsara hankafizana tanteraka ny mezcal-nao izany.

Ao amin'ny Twitter, ireo mpankafy toa an'i Carolina V dia tena faly tokoa mampiseho ilay mezcal ho sotroin'izy ireo :

#Mezcal hankafizàna ny gadon'ny #sonjarocho

Nozarain'ny kaonty Oaxaca Digital ny sary iray ahitàna ny tokony ho fanehoana ny figohana indray tsy miverina ny mezcal :

Mezcal tsara avy ao Oaxaca.

Tsaroan'i Carolina Espina ilay fomba fiteny Meksikana malaza : “para todo mal, un mezcal” (“ raha misy tsy metimety, misotroa mezcal”l) :

Ary rehefa misy tsy metimety…mandraisa #mezcal..!!

Tsy isalasalàna fa lamaody tokoa ny mezcal. Mitady ny tsiron'ny nentim-paharazana ireo mponina ao an-toerana sy ireo mpizahatany.

Ity dikan-teny ity dia nahitsin'i Suzanne Lehn.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.