Tantara mikasika ny Tsidika tamin'ny Jona, 2017
Sary: Fandehandehanana any Afrika Avaratra
"Nandany vola tamin’ny fividianana fitaovana fangalana sary raitra ny ekipa, mba hahafahantsika mampitombo ny isa sy ny hatsaran'ny sary mandravaka ireo lahatsoratsika."
Somalia: Tsy Fankalaza ny Fanaovana Piraty
Miresaka momba ny piraty an-dranomasina ny bilaogeran-dahatsary samihafa izay mitantara ny tranganà fakana an-keriny nataon'ny piraty Somaliana vao haingana sy ny fomba fiarovan'ny governemanta ny sambo mpitondra entanan'ny Fandaharan'asa Ara-tsakafo Manerantany eny an-dranomasina.
Ekoadaoro: Misaona Ny Fahafatesan'Ilay Zirafy Chelito Ny Mponina
Fanta-daza noho ny karazan-javamananaina maro sy mirehareha amin'ny karazan-javamaniry mahaliana sy biby maro i Ekoatera . Na izany aza, misy biby tsy tompotany ao amin'ny firenena iray tena ankafizin'ny olona ao, ary misaona ny fahafatesany vao haingana ny mponina tao Loja .
Bahrain: Hanina An'i India
Maro ny Bahrainita mianatra eny amin'ny oniversite sy kolejy ao India, ary iray amin'izy ireo ilay bilaogera antsoina hoe MuJtAbA AlMoAmEn. Vao haingana izy no nanoratra momba ny fihetseham-pony mikasika ny malahelo an'i Bahrain tamin'izy tany India - sy ny faniriany hiverina any India taorian'ny fialan-tsasatra lava be tao Bahrain.
Tajikistan: Tantara Momba Ny Dia Mahavariana
Misy tantara mahaliana momba ilay vehivavy Amerikàna nitety an'i Tajikistan ary nanoratra mombamomba ny dia. Tsy afa-po tamin'ny tolotra izy fa tia miresaka amin'ny olona kosa ary mahafantatra momba ny fiainan'izy ireo sy ny fomba amam-panaon'izy ireo. Tao anatin'ny roa andro, manana zavatra marobe hotantaraina izy ...
Tetikasa Pedicab: Posiposy Amin'ny Endriny Vaovao Ao Nepal
Manome tolotra fitaterana lehibe ho an'ny ankamaroan'ny Azia Atsimo ny Pedicab (fantatra amin'ny hoe posibisikileta. Ny indostrian'ny famokarana sy ny fitantanana posiposy dia asa sy fidiram-bola lehibe ihany koa ho an'ireo tena mahantra indrindra eo amin'ireo mahatra.
Iran: Fahatsiarovana An'i Rasoulov, Artista Mafana Fo
Iray tamin'ireo mpandeha miisa 68 izay namoy ny ainy tamin'ny fianjeran'ny Boeing 737 Iraniana tamin'ny faran'ny volana Aogositra tamin'ity taona ity i Mohsen Rasoulov, mpaka sary, mpanakanto, mpanao sariitatra ary bilaogeran-tsary Iraniana mafana fo iray .
Egypta: Navotsotra Ireo Mpizaha Tany Nalaina An-keriny
Afaka ireo olona miisa sivy ambin'ny folo, anisan'izany ny vahiny mpizaha tany nalaina an-keriny tao Egypta 10 andro lasa izay. Naneho hevitra momba izany ireo bilaogera.
125 Taona Ny Lalamby Egyptiana
Mankalaza ny faha 125 taonan'ny lalamby Egyptiana eto ilay bilaogera Egyptiana Zeinobia.
Maso Arabo: Ny Afovoany Atsinanana An-tsary
Ny Afovoany Atsinanana An-tsary anio dia hitondra antsika ho any amin'ny torapasika milamina ao Dubai , i Doha rehefa amin'ny alina , ny sarin'ny voninkazo ao Bahrain, ny voninkazo mamelana an-jaridaina ao Syria amin'ity lohataona ity ary farany ny fividianana Viagra ao an-tsenan'i Fez, ao Maraoka.