· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Tsidika tamin'ny Aogositra, 2012

Frantsa, Libanona, Syria : Ny Dia Tsy Mampinon'ny Sidina Parisy-Beyrouth

Niala tamin'ny mahazatra ny sidina Air France Paris-Beyrouth tamin'ny 15 aogositra 2012 : izay nahitàna ny masoivohon'i Frantsa ao Libanona, sy olona ambony mpanohitra an'i Bachar al Assad tao anatin'ireo mpandeha taminy, navily nankany Damas mba hameno solika ! Hiverenantsika kely ity dia feno zava-tsy nampoizina nifamahofaho ity, izay niteraka onja ara-politika vitsivitsy.

27 Aogositra 2012

Bangladesh, Etazonia : Hazakazaka Am-bisikileta 5000 Kilometatra Ho Fanairana Amin'ny Fiovaovan'ny Toetrandro

Amin'ity lohataona ity, mafana fo avy ao Bangladesh no mitondra bisikileta izay voizin'olon-droa mba hanangona sy handrefy ny habetsaky ny plastika sy ny fako hafa ho hitan'izy ireo mandritra ilay dia lavitr'ezaka 5000 kilaometatra ataon'izy ireo miainga ao Seattle mankany New York. Mitondra hafatra tsotra nefa mafonja izy ireo ny amin'ny fomba fiainan'ny mponina amin'ny firenena iray izay mety hitarika voka-dratsy lehibe amin'ny fiakaran'ny ranomasina sy ny fiovaovan'ny toetr'andro.

11 Aogositra 2012

Bolivia: Lahatsary Vaovao Fanentanana Hikendrena Ny Hanampiana Tosika Ny Fizahantany

Ny 'Bolivia Awaits You' (Miandry Anao i Bolivia) dia anarana fanentanana fampahafantarana iray natomboky ny governemantan'i Bolivia tsy ela akory izay. Araka ny governemanta ao Bolivia dia hampiasa vola 20 tapitrisa dolara Amerikana ato anatin'ny dimy taona ho avy izy mba hanomezana hery sy hampiroboroboana ny fizahantany, izay voalohany indrindra hanome tombony ireo vondrom-piarahamonina teratany.

09 Aogositra 2012

Ireo pejinay momba an i Tsidika

Fizahantany, Tsangatsangana, Vezivezy