Tantara mikasika ny Tsidika tamin'ny Avrily, 2018
Miantso ireo mpamily fiara sy ny toeram-pisakafoanana ny mpandeha an-tongotra mba tsy hibahan-dalana
"Tsy misy olana, mahita lalana handehanana foana ny marary [mibahana eny amin'ny sisin-dalana fandehanan'ny mpandeha an-tongotra ny fiara, hita hatreny amin'ny hopitaly]. #SehaBahoaka"
Nohavaozina ho fisarihana mpizaha tany Japoney ny fanafihana mampihoron-koditry ny Orsa Hokkaido
"Tsy fantatro aloha raha toa ka mifanandrify amin'izany tokoa ilay sarin'ity orsa mafana fo sady sariaka ity..."
Laos: Fetiben'ny Hazakazaka Sambo
Manamarika ny faran'ny fifadian-kanin'ny Bodista any Laos sy any amin'ireo firenena mifanila aminy ny fetiben'ny hazakazaka sambo. Namoaka lahatsarin'ilay Fetiben'ny Hazakazaka Sambo nifarana vao haingana tao Pakse i Darly ao amin'ny vohikala Lao Voices. Tanàna iray ao amin'ny reniranon'i Mekong ao Laos Atsimo i Pakse, ary toeram-pivarotam-paritra goavana.
Filipina: Nanao Fitokonana Ireo Mpamily Jeepney
Hieritreritra ny governemanta fa tsy miraharaha ny fiakaran'ny vidin-tsolika isika raha tsy nisy ny fitokonana. Amin'ny alàlan'ny fitokonan'ny mpamily jeepney no nahafahantsika nandefa ilay hafatra fa manohitra isika ary manameloka...
Koety: Tsy Tonga Soa ny Vahiny Haingan-Doatra
Misy lalàm-pifamoivoizana vaovao manipy ireo vahiny manitsakitsaka ny lalàna ivelan'ny firenena, ary nampisahotaka an'i Koety. Raha nisy bilaogera iray nanontany hoe inona ny olona raha efa misy firenena hafa mampihatra lalàna mitovy amin'izany, ny hafa kosa nampandresy lahatra fa henjana loatra ilay fampanginana vaovao.
Kambôdza: Ny Aloky ny Lasa
"Nitsidika firenena 60 teo eo aho nanomboka tamin'ny 1969, ary ny zavatra hitako tao Kambôdza dia ilay "tanàna mimanda" malaza any Hong Kong irery ihany angamba no afaka mifaninana aminy, Tanàna Ngazana mirefy 12 acre (148562 m²) izay rava tamin'ny taona 1999."
Meksika: Ny Fifindra-monin'ny Lolo Mpanjakatokana
Teo amin'i Meksika, avaratr'i Etazonia ary Canada, nahagaga ny mponina sy ny mpizahatany ny fifindra-monin'ny lolo mpanjakatokana hatry ny fahagola, ary nanana anjara toerana lehibe tamin'ny fomba nentim-paharazana tany an-toerana.
Rakipeo Mankany Amin'ny Lalina Avy Amin'ny Vovonana Global Voices 2017 Tany Colombo, Sri Lanka
Ato amin'ity rakipeo ity, mpandray anjara ampolony ato amin'ny Global Voices no mitondra anareo any amin'ny Vovonana Global Voices farany indrindra ary miresaka momba ny finamanan'izy ireo eo amin'ny fiainana , ny fiaraha-miasa eo amin'ny kolontsaina samihafa, ary ny lanjan'ny vondrom-piarahamonina.