Tantara mikasika ny Tsidika tamin'ny Septambra, 2010
Brezila: fanokanana ilay Graffiti lehibe indrindra eran-tany
Nanokana ny grafitti lehibe indrindra eran-tany izay mihoatra ny 37 000 sqaure feet any amin'ny faritr'i Foz do Iguaçu ny Filohan'i Brezila Lula da Silva. Ity faritany ity; malaza amin'ilay riandranon'i Iguaçu sy ny sisintany telo iraisan'i Paraguay, Brezila sy Arzantina, dia hody amin'ireo lalambe migodàna voaravaka manome lanja ny zon'ny ankizy sy ny tanora.
Afrika: Mizara ireo fahatsiarovan-dry zareo ny fahazazany amin'ny aterineto ireo Afrikana
Bilaogy iray ahitana andian-dahatsoratra nosoratan'ireo Afrikana manerana an'izao tontolo izao mikasika ny fahazazany ny That African Girl . Bilaogy iray mikasika ny fitomboana tao anatina fianakaviana Afrikana sy ny fianarana miaina ao anatina tontolo roa izy io . Efa nipetraka tany Afrika sy tany Andrefana ireo mpitoraka bilaogy izay mizara ireo fahatsiarovany ao .
Rosia: Ny zava-niainan'ny mpitoraka bilaogy Isiraeliana tany amin'ny Hopitaly Rosiana
Betsaka ireo olona miaina ny fiainany ka tsy manam-potoana akory ny hijery ireo zavatra fahita amin'ny andavanandro amin'ny fomba fijery vahiny. Indraindray mila mankany ivelany ianao vao mahalala kokoa ny...
Karaiba: Fanarahana an'i “Earl”
Tonga indray ilay fotoana: vanim-potoanan'ny tafio-drivotra. Ka ireo mpitoraka blaogy any amin'ny faritra, voadona tamin'ireo tafio-drivotra mahery be taloha, dia manara-maso akaiky ny tafio-drivotra Earl, izay nosokajiana ho tafio-drivotra sokajy faha-3. Mandritra ireo 36 hatramin'ny 48 ora ho avy dia eritreretina handalo anyamin'ireo nosy Virjinia Amerikana sy Porto Rico izy, ankoatr'ireo nosy hafa.