Tantara mikasika ny Tsidika tamin'ny Febroary, 2018
Moldavia, Tiorkia: Ny Kinanga Niainan'i Natalia Morar Tao Amin'ny Seranam-piaramanidin'i Istanbul
Nanoratra tanaty bilaogy i Natalia Morar, mpanao gazety iray izay noroahan'ny mpiandry sisintany tao Rosia rehefa naparitaky ny gazetiboky Rosiana iray ny tantarany, mikasika ny fanodinkodinana vola be navoaka nankany ivelany nataon'ireo manam-pahefana ambony tao amin'ny firenena.
Inona No Tena Mandresy Lahatra Ireo Mpankafy Ny Fiadiana Ny Amboara Erantany 2018 ? Ny Fango Vaovao Mampisavoritaky Ny Fizahantany Rosiana Ve Sa Ny Fampitandremana Hentitra Ataon'ny Governemantany ?
Miaraka amin'ny fahalakin'ny fanakaikezan'ny fiadiana ny amboara erantany, ho voatazon'i Rosia ve ilay teny faneva vaovaon'ny fizahantany " izao tontolo izao aty Rosia " ?
Macedonia: Sakura – Cherry Blossom Celebration in Skopje …………Makedonia: Sakura – Firavoravoana Fa Vaky Felana Ny Serizy
Na dia vitsy aza ireo Japoney miaina ao amin'ny Repoblikan'i Makedonia, maro ireo mponina ao an-toerana no nandray anjara tamin'ny fety faharoa fankalazana ny Sakura isan-taona - fety natokana ho an'ireo voninkazon'ny serizy ao Skopje, renivohitr'i Makedonia. Nampidirin'ireo mpikarakara ny fety ireo dojos fanaovana fanatanjahantena haiady, ary vao haingana ireo blaogera sasantsasany malaza no nanomboka ny blaogy ifandrimbonana, Japan@mk [MKD], sy nanomboka nanely ny resaka manerana ny tontolon'ny blaogy makedoniana.
Fitsangatsanganana Ahitana Fanantenana: Ny Fampiratiana Sary ‘Fanantenana’ 2017 Tany Colombo, Sri Lanka
Nisy ny fampiratiana sary taona 2017 mitondra ny lohateny hoe 'Fanantenana' tao an-drenivohitry ny tanàndehiben'i Colombo, ary manamarika ny faha 70 taona hatramin'ny nahazoan'i Sri Lanka Fahaleovantena izany.
Nahavotra Ilay Frantsay Mpihanika Tendrombohitra Tao Nanga Parbat, Pakistan Ny Hetsika Fanangonam-bola, Saingy Tsy Avotra Kosa ny Namany Iray Niaraka Taminy
Nahavita nanangom-bola ampy hamatsiana ny asa fanavotana ho an'ilay Frantsay mpihanika tendrombohitra Elizabeth Revol, izay nihanika ny Nanga Parbat ao Pakistana, tendrombohitra fahasivy avo indrindra manerantany ny fikambanana iraisam-pirenen'ny mpihanika tendrombohitra. Tsy voavonjy kosa ny mpiara-mpihanika tendrombohitra aminy, Tomek Mackiewicz, noho ny toetr'andro ratsy, ary voalaza fa namoy ny ainy.
Milaza Ho Mitondra Ny Tena Feo Ara-javakanto Ny Sehatra Ara-kolontsaina Palestiniana Iray ao Haifa
“Toerana ara-javakanto iray mbola tsy vita ao Haifa, manasa ny olona mba handray anjara, hahazo fahafaham-po sy hahatsiaro ho ao anatin'ny toerana."
Ny Fiandrasana Ny Fanakonà-Masoandro Tany India
Ho an'ny Haindò, tsy tranga fotsiny amin'ny astronomia ihany ny fanakona-masoandro fa tena misy dikany lehibe ihany koa amin'ny fivavahana sy ny finoana ara-kolontsaina izany.
Fitetezana Ranomasimbe Manao Sarintanin'ny Dian'i Magellan Nankao Filipina
Fitetezana ranomasimbe mihodidina ny tany hanaovana sarintany no sady koa fanarahan'ny dian'i Ferdinand Magellan ataon'ny sambo iray izay mijery ny fiantraikan'ny olombelona amin'ireo ranomasimbe sy ny tontolo iainana.