Tantara mikasika ny Tsidika tamin'ny Mey, 2017
Meksika: Ny “Kristalin'ny Lasapely Sixtine”
Ahitana kristaly goavam-be fantatra amin'ny anarana hoe "Volana Vato" ny "Lavabato Kristaly" ao an-tanàndehiben'i Naica ao Meksika. Toerana mahafaty ho an'ny fitsidihan'ny olombelona ny lavabato, fa amin'ny alalan'ireo bilaogera amin'ny aterineto kosa no hizarana ny tantara ao ambadiky ity lavabato misitery ity.
Azerbaijan: Tonga Ao Baku Ny DOTCOM
Tamin'ny alina farany teo, tonga tao Baku, Azerbaijan ireo mpandray anjara Amerikana ao amin'ny Departemantam-panjakana Amerikana izay manohana ara-bola ny tetikasa DOTCOM mba hamory miaraka ireo tanora Armeniana, Amerikana ary Azerbaijani amin'ny famoronana fampitam-baovao manaitra ara-tsosialy.
Mpihira Rosiana Nanatevin-daharana Ny Ezaka Fisarihana Mpizahatany Ao Atsinanan'i Okraina Rotiky Ny Ady
Efa ho telo taona tao anatin'ny ady ao atsinanan'i Okraina, niezaka indray hanintona mpizaha tany vahiny ao amin'ny fanjakany tsy nankatoavin'ny iraisam-pirenena ny Repoblikam-bahoakan'i Donetsk sy Luhansk (DNR sy LNR) -miaraka amin'ny fanohanana avy amin'ny iray amin'ireo mpihira (crooner) malaza indrindra ao Rosia.
Okraina: Ny Faharavàna sy ny Fitiavan-karena Tafahoatra
Nandefa sary misy ny sisa tavela tamin'ny faharavàn'ny tobin'ny tanora mpisava lalana taloha teny amoron-dranomasina ao Odesa ilay mpisera LiveJournal, sabeloff ary nizara tantara vao haingana momba ny toerana (amin'ny teny Rosiana) - izay indrisy fa fahita mahazatra ao Okraina ankehitriny:
Tontolo Arabo: Tantara An-tSary
Miaraka amin'ny fakantsariny, bilaogera roa tao amin'ny faritra no nandeha naka sary ny fahazarana sy ireo zavatra meti nisarika ny sainy ary avy eo naneho hevitra tamin'izy ireny. Ireto ny tantara nalefan'izy ireo avy any Koety sy Siria.
Tena Lalao Baolina Kitra Ny an-dry Zareo Aziatika Afovoany ao Amin'ny Twitter
"Tsy tafiditr'i Maksadbek Alimov ny baolina tokony hampihena mazava ny elanelan'isa ho an'i Alai teo amin'ny minitra faha-43. долбоёб no iantsoan'ilay rangahy ato aorinako ato an'lery."
Sakafo Dimy Mety Tsy Ho Telin'ireo Tsy Vietnamiàna
Efa nanandrana iray tamin'ireto ve ianao?? Lamokan'atodin-gàna, pizza Vietnamiàna misy ràn-gàna, olitra voanio, ary jorery nendasina.
Akoho Yassa, Alloco na Mafé: Andramo ireo Nahandro Mafilotra Afrikana Araka Ny Hitan'ireo any Ampielezana Ao Paris
Hampahafantatra anareo toeram-pisakafoanana malaza indrindra any Frantsa sy ny sakafo mampiavaka azy ireo izahay. Tsy misy andraso andraso, ireto ny lisitry ny toerana tsara indrindra raha hanandrana ny haify Afrikana: