Maraoka: Diabe nilamina nanerana ny firenena

Nidina an-dalambe isan-kerinandro, tahaka ny Toniziana sy ny Ejipsiana, ny Maraokana ny volana Febroary 2011, mitaky ny hanovana Lalampanorenana sy ny fametrahana rafitra demokratika parlemantera. Nisy ary ny Diabe am-pilaminana notontosaina ny Alahady 20 marsa nanerana ny firenena. Voatatitra tamin'ny alalan'ny aterineto, hita ao amin'ny Twitter, Facebook ary ny Youtube ny isa-minitran'izany diabe izany. Indreto manaraka ireto ny sasany tamin'ireo izay nifampizaran'ny mpamaham-bolongana hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany:

Nitantara mivantana ny diabe ny andrin'ny bolongana maraokanaVeteran Moroccan blogger Larbi, live-blogged the marches [Fr]. He writes:

09h50 A Rabat, il fait beau et les manifestants commencent à se rassembler à Bab El Had. Premières photos via Riad:

9:50 any Rabat, tsara ny andro ary manomboka mivory eo Bab El Had ny mpanao fihetsiketsehana. Sary voalohany avy amin'i Riad:

Rabat, 20 Marsa – Via Larbi.org

Rabat, 20 Marsa — Via Larbi.org

Nilahatra am-pilaminana teny an-dalambe afovoan-tanàna ny olona analiny tao Casablanca. Nadia Lamlili no nizara izay nosaininy rehefa tonga teny amin'ny fanaovana fihetsiketsehana izy:

J ai jamais vu une marche aussi bien organisée. J ai la chaire de poule

Tsy mbola nahita diabe nilamina tahaka izany aho. Nangovitra aho.

Sondriana ihany koa i Politiconaute. Nisioka an-tserasera izy:

On s'applaudit nous meme… Lakada kousira hajiz lkhaouf… #20mars #20fev

Nifampitehaka izahay… Nianjera ny rindrin'ny tahotra…

Houda (@Houdac) raha nizara ny sary azony tamin'ny diabe tany Casablanca:

Mamfakinch! (tsy hihemotra izahay) sary @Houdac nivoaka Twitpic

Silmiya! Silmiya! (Milamina! Milamina!) – Sary @Houdac nivoaka Twitpic

Hiaka nandritra ny diaben'i Casablanca:

Mpanjaka manjaka fa tsy mitondra — sary @Houdac nivoaka Twitpic

Rehefa nandroso ny fotoana dia voamarika fa nisy zavatra tsy teo: Ny fidiran'ny polisy an-tsehatra. Nadia Lamlili ni-tweet:

@nadialamlili : La police dans les rues perpendiculaires observe de loin. Une marche dans la dignite

@nadialamlili: Mitazan-davitra ny Polisy. Mendrika ny filaharana.

Samy nanombatombana ny isan'ny nandray anjara tamin'ny diabe ny haino aman-jery. @m20fev nizara ity sary tamin'ny Twitter ity sady niteny hoe:

الدار البيضاء الان hado galik 3000, wa baz??

Casablanca izao. Ahoana no ilazany fa 3000 fotsiny izao??

sary m20fev nivoaka Twitpic

Nanomboka niparitaka ihany koa ny lahatsary avy amin'ny lafy valon'ny firenena tany amin'ny valan-tserasera isan-karazany any. Amin'ny ankapobeny dia nilamina ny fihetsiketsehana.

Ao amin'ity lahatsary avy any Marrakech navoakan'i marouane82 ity dia mihiaka ny olona “Miala ny governemanta! Ravao ny parlemanta!”:

http://www.youtube.com/watch?v=svbTBpkjWDg

Ary eto, diabe tany an-tanànan'i Kenitra mihiaka hoe “Tian'ny vahoaka hiala ny kolikoly!” (lahatsary navoakan'i mesbahih):

Avy any Meknes ity lahatsary navoakan'i special20fevrier ity:

Avy any an-tanànan'i Fez, ity lahatsary ity dia mapiseho ny hiakan'ny olona “Any anaty rako ny zoko, tsy mampaninona ahy izay ataony amiko” (naovakan'i mostouz):

Farany sary somary mitsatotsatoka mampiseho ny olona an'aliny milahatra tsara an-dalambe avy ao Casablanca (navoakan'i kafkatim):

http://www.youtube.com/watch?v=ghRL7F9lS8o


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.