Mpanolotra Vaovao Malaza Ao Amin'ny CCTV Rui Chenggang Notazonina Ao Anatin'ny Fampivelarana Ny Ady Amin'ny Kolikoly

CCTV host Rui Chenggang on wrong perceptions about China, 2014. Screen grab from Youtube

Ny mpanolotra CCTV Rui Chenggang momba ny fijery diso an'i Shina taona 2014. Pikantsary avy amin'ny YouTube

Nanadihady ilay mpanolotra vaovao ao amin'ny fahitalavim-panjakana CCTV ao amin'ny firenena ireo mpampanoa lalàna Shinoa, noho ny raharaha izay niteraka fielezan-daza (“buzz”) tao amin'ny media sosialy momba ny manjò ilay mpanolotra vaovao sy ny fihanaky ny famoretana ny ady amin'ny kolikoly amin'izao fotoana izao.

Nalaina tao amin'ny trano fiasany tamin'ny 11 Jolay i Rui Chenggang, 36 taona, mpanolotra vaovao  ao amin'ny fahitalavitra ara-pitantanambola CCTV 2 talohan'ny fanombohan'ny fandaharany, nalaina niaraka taminy koa ny tale lefitra misahana ny vaovao ara-pitantanambola ao amin'ny orinasa sady mpanatontosa fandaharana, araka ny filazan'ny fampahalalam-baovaom-panjakana.

Nilatsaka tao anatin'ny fanamafisana ny fanentanana amin'ny ady amin'ny kolikoly ny fanadihadiana ilay olo-malaza amin'ny fahitalavitra, izay nahitana mpitantana ambony iray natao fanadihadiana tamin'ny volana lasa teo.

Manana mpanjohy 10 tapitrisa ao amin'ny Sina Weibo, Twitter Shinoa i Rui, mpanolotra fandaharana amin'ny teny Anglisy sy amin'ny teny Shinoa. Mpanolotra fandaharana tao amin'ny CCTV Anglisy no nanombohany ny asany tamin'ny 2003, ary niha-nanana ny maha-izy azy teo amin'ny firenena izy ary nanjary olo-malaza izay miatrika fanasoniavana boky (seances de dédicaces) ivangongoan'ireo mpankafy ary mampahafantatra ny tsiambaratelon'ny fahombiazany amin'ny kabary ampahibemaso.

Mamariparitra ity mpanolotra fandaharana ity ho “tanora”, “marani-tsaina”, ary “nasionalista hiringiriny” ny filazana ny mombamomba azy ao amin'ny New York Times tamin'ny taona 2009.

Eny indrindra, voamarika amin'ny asany ny fironan'i Rui amin'ny nasionalista nandritra ireo antsafa nataony. Tamin'ny taona 2010, nandritra ny fivoriana G20 tao Séoul, nihantsy ny antson'ny filohan'i Etazonia Barack Obama nitady fanontaniana avy amin'ny gazety Koreana izy ary nilaza hoe: “Halako ny mandiso fanantenana anao, Filoha Obama, Shinoa aho, saingy mieritreritra fa mahasolo tena an'i Azia manontolo”.

Tamin'ny taona 2011, nandritra ny Forum ara-Toekarena Manerantany notontosaina tao Dalian, ao Shina, nanontany ny masoivoho Amerikana ao Shina i Rui raha fampahatsiahivana fa tokony handoa vola hoan'i Shina i Etazonia  ny safidiny hisidina ao amin'ny kilasy ekonomika [amin'ny fiaramanidina] .

Nahazoany mpanohana izany fomba fanontaniny izany izay milaza azy ho endriky Shina miha-matanjaka ara-toekarena, ary teo koa ireo mpanaratsy izay mihevitra fa tsy matihanina sy miavonavona izy.

Nandray anjara tamin'ny fivoahan'ny Starbucks avy ao amin'ny Tanàna Voarara manantantara ao Beijing ihany koa i Rui. Namoaka  lahatsoratra bilaogy mitondra ny lohateny hoe “Starbucks, Mivoaha Ao amin'ny Tanàna Voaràra” izy tamin'ny taona 2007.

“Raha misy zavatra mety ifandraisan’ ireo mpiara-mianatra sy  tanora mpihaino ahy amin'ny tantarako, satria afaka mahita ny hoavin'izy ireo ao amiko izy ireo, tahaka azy ireo aho, nandrato fianarana tao Shina…. nitombo tao anatin'ny fanabeazana shinoa ranoiray “, hoy izy raha nilaza ny fahombiazany nandritra ny antsafa tamin'ny fahitalavitra tamin'ny taon-dasa.

Nifanojo tamin'ny fahavonan'ny CCTV hampitombo ny ambaindainy any ampitan-dranomasina sy hanatontosa fandaharana isan-karazany vaovao amin'ny fenitra avoavo kokoa ny zotram-pivoaran'asan'ity mpanolotra fandaharana ity. Saingy amin'ny maha-fampielezan-tsary fehezin'ny fanjakana azy, nihena tao anatin'ny taona ny lazany.

Tamin'ny volana lasa, nandray anjara tamin'ny fanentanana lehibe momba ny ady amin'ny kolikoly ny sampam-pahalalam-baovaom-panjakana Xinhua. Namoaka tamin'ny sampam-pahalalam-baovao ireo mpanara-mason'ny ady amin'ny kolikoly ao amin'ny firenena ary nilaza fa sady ” lehiben'ny masoivoho” no “lehiben'ny varotra” ny sasany amin'ireo lehiben'ny sampan-draharaham-paritra, endriky ny fielezan'ny vaovao vidiana any amin'ny faritra sasantsasany.

Tsy fantatra mazava raha ho ampangaina amina heloka hafa i Rui, saingy nitatitra ny vavahadim-baovao Shinoa Tencent fa efa nanana petrabola tamina orinasan-tseraseram-bahoaka izay nandray anjara tamin'ny tati-baovaon'ireo fivoriana Forum Ara-toekarena Manerantany tao Davos tao amin'ny CCTV 2 izy. Novidin'ny vondron'orinasan'ny seraseram-bahoaka Edelman Public Relations ity orinasa ity tamin'ny taona 2007. Nanaisotra ny petrabolany i Rui tamin'ny taona 2010.

Yi Hong, mpampianatra momba ny asa fanoratan-gazety ao amin'ny Oniversiten'i Tsinghua ao Beijing, nanoratra tao amin'ny ​​Sina Weibo:

这一度是央视最具创新力的频道,也曾经是中国电视娱乐节目的引领平台。如今……,从它的领导者更关注媒体以外的目标之后,偏离轨道似乎就成为一种宿命。希望,被动卷入者越少越好。 

Nisy ny fotoana ity fantsona mitondra zava-baovao indrindra ao amin'ny CCTV, sady sehatra mpitari-dalana amin'ny fandaharana mampiala-voly ao Shina. Saingy ankehitriny…. Hatramin'ny nifantohan'ny lehibeny tamin'ny zavatra ivelan'ny fampandehanana ny media, nanjary voalahatra ny fiviliana amin'ny lalana tokony alehan'ny fandaharana. Mino aho fa vitsy ireo olona tafiditra amin'izany.

Mpiserasera monina ao Beijing niantso ny “CCTV” tamin'ilay fiteny fanesoana mahazatra “CCAV” (AV midika hoe Adult Video na Lahatsary hoan'ny Olo-dehibe):

终于开始收拾ccav啦!

Tonga ihany ny fotoana hanadiovana ny CCAV!

Tezitra tamin'ny fahitalavim-panjakana ilay mpahay toekarena mahaleotena Kelisifu-jin:

郭振玺进去了,芮成钢被检方带走了,这些个天天励志中国人如何爱国的央视污吏,自个却是祸国殃民的蛀虫,在全社会腐败大气候下,没有法治只有人治,人人需要超人抵抗力才可能于污泥而不染,即使没有能力腐败的平头百姓,在腐败肥沃的土壤里也会滋生腐败的欲望,在腐败广袤的大地上不要轻信任何励志者。

Nosamborina i Guo Zhenxi, ary nampanantsoin'ireo mpampanoa lalàna i Rui Chengang. Nanjary mpanao kolikoly mpikoro ny firenena ny CCTV, fahitalavitra mpanao kolikoly mampianatra isan'andro ny Shinoa ny fomba hitiavana ny tanindrazana. Manoloana ny zava-misy ara-tsosialy izay mpanao kolikoly sy tsy tan-dalàna, manjakà amin'ny faniriana ihany, mila fahefana matanjaka mitoetra ho madio ny olona, mety hanana faniriana miandalana hanao kolikoly ireo izay tsy te-hanao kolikoly. Aza matoky izay manao kabary mampientanentana ao anatin'ny tontolo anjakan'ny kolikoly.

Ny hafa, tahaka an'i Beibeibei Jueding Geiziji, kosa naneho ny fanohanany:

从中学到现在,你给了我很多勇气和力量,是我的榜样。这么久了,请一直是!加油,相信会雨过天晴的

Nanome herim-po sy tanjaka betsaka ho ahy ianao fony aho mbola mpianatry ny kolejy, maodely ho ahy ianao. Taona maro no lasa, azafady tohizo ny maha-maodeliko anao! Tohizo hatrany, mino aho fa hisava ny lanitra aorian'ny orana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.