Libanona: Fandrisihana Ireo Mpiasa Mpila Ravinahitra Amin'ny Teny

Vondrom-piarahamonin'ireo tanora mavitrika ao Beirut, The Migrant Workers Task Force (Vondron'Asa Momba Ireo Mpiasa Mpila Ravinahitra) no miezaka manohana ireo mpiasa an-trano ao Libanona izay mazàna tsy rariny mihitsy ny fepetra iainany sy iasàn'izy ireny.

Vao tamin'ny volana Janoary 2011 fotsiny no nanomboka niasa ilay vondrona mpiasa an-tsitra-po, nefa efa nahavita sahady nisarika ny sain'ny mpampahalàla vaovao iraisam-pirenena sy ny ao an-toerana amin'ny alàlan'ny fomba fiasan-dry zareo hafa kely mba hanovàna ny fomba fijerin'ireo mpiasa sy n y mpampiasa. Anisan'ireo zava-bitan-dry misongadina ireo  fampianarana tenim-pirenena maimaim-poana omen-dry zareo ho an'ireo mpiasa hianarana ny teny Arabo, Anglisy, Frantsay isaky ny Alahady.

Ao Libanona, mpiasa an-trano iray isan-kerinandro eo ho eo no maty amin'ny fomba mampiahiahy tsy mazava (mazàna lazaina ho “famonoan-tena”). Valopolo isan-jato amin'ireo mpiasa an-trano mpila ravinahitra no tsy mahazo alàlana mandao ny tokantranon'ireo mpampiasa azy mihitsy. Sahala amin'ny odian'izao tontolo izao tsy fantatra tanteraka mihitsy ny taraina sy ny zon'izy ireny.

Migrant Workers Task Force logoTany am-piandohana ity fandraisana an-tànana ity di tsy nisy afa-tsy ry  Alex, Lioba, Farah, Ali, sy Janie ary mpikambana vitsivitsy, saingy tsy ela akory izay dia nitombo ilay vondrona. Araka ny nolazain'i Janie Shen, 24 taona, iray amin'ireo nanorina azy (hany vahiny tokanampikambana ao sy tena mbola miaina marina ao Libanona) ny hevitra fototra ho an'ny “The Migrant Workers Task Force” dia teraka taorian'ny fahatongavan'ny andiany vaovao ho ao Libanona, toa azy sy Alex, izay tohina noho ny fepetra iainan'ireo mpiasa mpila ravinahitra ao amin'io firenena io – ohatra, ny fitafy tsizarizary, ny fanaovana tsinontsinona amin'ny ankapobeny, ny fanagiazana ny passport, ny famerana ny sakafo azo hanina, ary andro iray monja isan-kerinandro mba hitsaharana na tena tsy misy mihitsy.

Ao anatin'ity lahatsary ity dia manazava misimisy kokoa i Janie mikasika ny “The Migrant Workers Task force”:

Tsy manana birao na fikambanana ofisialy ny “The Migrant Workers Task Force”, saingy mihaona matetika ao amin'ny Zico House any Hamra ary hamindra ny sasantsasany amin'ny asany ho any amin'ny Tranon'ny Mpila Ravinahitra any Nabaa. Ny tsirairay mandray anjara amin'ilay tetikasa dia mpirotsaka an-tsitra-po avokoa, ary miantehitra amin'ireo hetsika kely madinidinika ho famoriam-bola handrakofany ny fandaniany.

Anti-racism ad by Migrant Workers Task Force

'Olo-mahantra no hitanao, nefa loharano-karena izy', doka manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra, avy amin'ny Migrant Workers Task Force

Ny ampahan'ny fahombiazana azon'ilay vondrona dia azony avy amin'ny fahaiza-mampiasa ny fampahalalam-baovao sosialy ho  fifandraisana. Ny vaovao sy fanambaràna rehetra dia avoaka daolo ao amin'ny bilaogin-dry zareo,  ary mitantana vondrona iray sy pejy maro ihany koa ry zareo ao amin'ny Facebook. Mizara sary sy lahatsary ihany koa ao amin'ny Flickr sy Youtube.

Anisan'ny fanentanan-dry zareo tena tsy afaka an-tsaina ny, ny sary vaventy nataon-dry zareo ho fanoherana ny fanavakavaham-bolon-koditra ho an'ny Andro Iraisam-Pirenena Ho An'ny Mpiasa (nanasongadinana telo tamin'ireo mpianatra tenim-pirenena), ny andianà tafatafa nifanaovana tamin'ireo mpila ravinahitra mikasika ny fepetra iainan'izy ireo, ary ny sasantsasany tamin'ireo lahatsary fohy mahatsikaiky ho setrin'ny fanentanana ofisialy iray mampiseho an'i Libanona ho toy ny paradisa ho an'ireo mpizahatany.

Efa nampiantrano fankalazana nataon'ireo mpila ravinahitra tao an-toerana ihany koa ry zareo, tahaka ny fankalazàna ny Taombaovao Nepaley, ary nanampy tamin'ny famarotana sakafo Afrikana sy Aziatika ary vokatra hafa avy amin'ireo mpila ravinahitra.

Fianarana Teny Vahiny

Rehefa Alahadin'ny mpiasa dia ireo mpiasa avy any Nepal, Filipina, Etiopia, Madagasikara, Sodana no mifamotoana mianatra teny vahiny miaraka amin'ireo mpampianatra mpirotsaka an-tsitrapo maniry hitondra fanampiana. Tamin'ny endrika tsy ofisialy no nanombohan-dry zareo, saingy amin'izao fotoana dia efa nivoatra ho fampianarana manaraka drafitra tsara rindra izany.

Ity misy lahatsary iray avy amin'ny Sekoly Alahady sy fijoroana vavolombelona nataon'ireo mpianatra mbamin'ny mpampianatra. Hoy ny mpampianatra iray, “Mizara ny fahaizako teny Anglisy amin'izy ireo aho mba hahafahan-dry zareo mikiaka ny zony.”

Lasa zava-dehibe ho an'ny fanorenana vondrom-piarahamonina ilay fampianarana teny vahiny. Mpianatra iray nohadihadiana ao anatin'ny lahatsary eto ambany i Rahel Zegeye, mpila ravinahitra avy any Etiopia, izay nanokana ny vola azony nandritra ny roa taona mba hamokarana lahatsary manasongadina ny zavatra iainan'ireo mpiasa an-trano mila ravinahitra any Libanona.

Herintaona latsaka monja, nahavita nanetsika mpirotsaka an-tsitrapo sy malala-tànana marobe ny Migrant Workers Task Force miohatra amin'ireo fikambanana maro efa fantatra. Amin'ny alàlan'ny teny sy ny fifandraisana, nanampy ireo mpiasa an-trano mpila ravinahitra any Libanona ry zareo mba hiatrika ny olana tena misy ao an-toerana sy hanako kokoa eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.

 

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.