· Septambra, 2018

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Septambra, 2018

Bilaogera Miteny Anglisy, Na Miteny Tenimpirenena Roa, Na Miresaka Politika Ao Anatin'ny Tontolombolongana Tanzaniana

  22 Septambra 2018

Noho ireo antony tena lazaina ho noho ny fotokevitra ara-politika Ujamaa taorian'ny nahazoan'i Tanzania ny fahaleovantena, izay nanisy tsindrim-peo mafy mikasika ny maripamantarana ny firenena amin'ny fampiasana be loatra ny Kiswahili, ilay fiteny tena fampiasa be ao anatin'ny Tontolombolongana Tanzaniana. Misy ireo blaogera tanzaniana vaovao vao mipoitra, mampiasa ny teny Anglisy na ny Anglisy sy ny Kiswahili miaraka.

Ny Sehatra Fanaovana Blaogy Nizeriana

  22 Septambra 2018

Raha toa izao tontolo izao mifanaraka tsara amin'ireo blaogy, ireo blaogy Nizeriana kosa niova endrika mihitsy saingy ampilaminana. Tamin'ny fotoana nandrafetana an'ity lahatsoratra ity, tsy dia maro ny nizeriana (avy ao an-toerana) nonanoratra bilaogy, indrindra fa rehefa jerena ny mikasika ny isan'ireo olona mampiasa Aterineto tao amin'ny firenena.

Fantaro ilay bilaogera Yesenia Corrales

Rising Voices  21 Septambra 2018

Nandritra ny telo taona, nifantoka tamin'ny fanazavana ireo faritra mpifanolo-bodirindrina samihafa manodidina ny tanàna, toa an'i La Loma, ary koa faritra hafa ao Kolombia ny tetikasa HiperBarrio ao Medellin. Na izany aza, asa mafy nataon'ireo mpandrindra ny tetikasa izany, indrindra fa ireo bilaogera vaovao, izay nanampytamin'ny tetikasa.