Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Septambra, 2011

30 Septambra 2011

Tontolo Arabo: Loka Nobel Fandriampahalemana Ho An'ny Mpiserasera Niaro ny Revolisiona??

Nientanentana tanteraka ny Twitter tamin'ny alina noho ny anaran'ilay mpiserasera Arabo voatonotonina fa mety ho kandidà voafidy hahazo ny Loka Nobel Fandriampahalemana noho ny andraikitra nosahaniny nandritra ny Revolisiona Arabo. Ejyptiana Wael Ghonim (@Ghonim) sy Esraa Abdelfattah (@Esraa2008) miaraka amin'ny Hetsiky ny Tanora 6 Aprily, no natonin'ny mpanoratra Toniziana ao amin'ny Global Voices...

Zambia: Manisa ny Fiovana Anatin'ny 90 Andro ny Mpiserasera

Nampanantena nandritra ny fifidianana malalaka intelo miantoana ny filoha vaovaon'i Zambia, Michael Sata, ny hanova ny firenena ao anatin'ny 90 andro ka anatin'izany ny fampitomboana ny vola miditra any am-paosin'ny olona. Ankehitriny moa raha lany hitarika ny firenena ihany ny tenany, dia nanomboka nanisa andro amim-panantenana amin'izay ny mpiserasera. Efa resy lahatra...

Kenya: Mandria am-piadanana #WangariMaathai

Mbola misesy ny Tweets manome voninahitra ilay nahazo ny loka Nobel Fandriampahalemana Wangari Maathai nodimandry tamin'ny herinandro rehefa niady tamin'ny homamiadana

29 Septambra 2011

Filipina: Famoronana Karazana Hetsika Mandritra ny Fitokonan'ny Campus

Nahitana ny fampiasana ny fitaovana an-tserasera hanetsehana olona anarivony hiady ho amin'ny zo hahazo fanabeazana ny fitokonana eny amin'ny anjerimanontolo manerana ny firenena mandritra ny herinandro enti-manohitra ny fampihenana ny tetibola. Manomboka ny 19 ka hatramin'ny 23 Septambra 2011, tanora an'arivony no hirotsaka an-dalambe ary tohanan'ny mpampianatra sy ny mpandraharaha...

28 Septambra 2011

Iran: Fahatezerana Manoloana Ilay Lahatsary Mampiseho Fampijaliana Orsa

Nanomboka ity raharaha ity raha namoaka lahatsary mampiseho “mpihaza” avy any Samirom faritanin'i Isfahan namono orsa volontany sy nampijaly ny zanany ho toy ny kilalao eo anoloan'ny fakantsary ny Fikambanana Iraniana mpiaro ny biby. Noloaran'izy ireo ny kibon'ny zanany iray ary natsipiny manodidina avy eo raha mbola velona ilay zavamananaina. Niteraka...

Fiarovana ny Ala Afrikana: Lova Navelan'i Wangari Maathai

Lasa any ankoatra tamin'ny 25 Septambra 2011 lasa teo i Wangari Maathai, Kenyana malaza amin'ny fiarovana ny tontolo iainana sy mpikatroka politika ary nahazo ny loka Nobel tamin'ny 2004. Izy no vehivavy Afrikana voalohany nahazo ny loka sady ekena manerantany ho olo-malaza ao amin'ny tahalan'ny tolona ho amin'ny tontolo iainana...

Etazonia: “Fehezo i Wall Street” Foibe Ara-bolan'i New York

Tao amin'ny distrikan'ny vola ao New York, nikarakara fihetsiketsehana milamina ny vondrona Fehezo i Wall Street (#occupywallstreet tao amin'ny Twitter), notohanan'ny fikambanana Kanadiana AdBusters sy ny mpisovoka antserasera Anonymous izany hetsika izany.  Aingam-panahy avy amin'ny hetsika an-tanàna tany amin'ny firenena Arabo sy Eoropeana,  mampiseho ny tsy fahafaliany ireo tanora ireo ny amin'ny fomba ataon'i...

27 Septambra 2011

Zeorzia: Fifidianana Mpitondrateny Antenimiera Virtoaly

Mialoha ny fifidianana Antenimiera hotontosaina any Zeorzia amin'ny Oktobra 2012 dia i David Bakradze, Filohan'ny Parlemanta amin'izao fotoana izao, no mpikambana ao amin'ny antoko mitondra mavitrika indrindra ao amin'ny Facebook. Amin'ny fotoana anoratana dia manana “mpankasitraka” 27.526 ny pejy ofisialiny, izay ahitana ny sarin'ny fitsidihana, ny fivoriana nataony ary ny fiankaviany. Namoaka...

Etazonia: Mivondrona Hampandroso ny Literatiora Latino-Amerikana ny Fivarotamboky Nomerika sy Andavanandro

La Casa Azul - fivarotam-boky an-tserasera izay tantanin'i Aurora Anaya-Cerda - no vao nilaza fa hiasa miaraka amin'ny fivarotam-boky vaovao miorina ao Washington Heights, New York. Manana tanjona roa ny Word Up (@wordupbooks): Mampiely ny literatiora Latina Amerikana sy fivarotam-boky mahaleotena.

26 Septambra 2011

Bolivia: Nosakan'ny Polisy Ny Diaben'ny Zanatany manohitra ny Lalambe migodàna

Mitohy ny diabem-panoherana ataon'ny Zanatany mba hampitsaharana ny fanorenana ny lalambe migodàna mamakivaky ny TIPNIS, ilay Valam-pirenena Isiboro Sécure Faritanin'ny Zanatany, araka ny efa notaterin'ny Global Voices. Ao amin'ny bolongana Bolivia Diary, no anazavazavan'i Dario Kenner ny halalin'ny fifandirana sy anoratany ny toe-javamisy tsy maintsy atrehin'ny mpanao Diabe: Na dia eo...