Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Marsa, 2024
Foto-pianarana mahatohina momba ny sisintany ifanoloran'i Rosia sy Finlandy
Misy vondron'olona mpikaroka momba ny zon'olombelona sy ny fifindramonina manazava ny fomba hanitsakitsahan'ity lalàna ao Finlandy ity ny adidy iraisampirenena sy ny lalànan'ny zon'olombelona.
Tanora fiaviana Miozolomana nanavotra olona mihoatra ny zato nandritra ny fanafihan'ny mpampihorohoro tao Moskoa
Islam Khalilov, dimy ambin'ny folo taona, miasa tapakandro amin'ny maha-mpiandry toeram-pisoloana akanjo, nahatarika olona mihoatra ny zato hivoaka ny Crocus Concert Hall nandritra ny fanafihan'ny mpampihorohoro
Famahana ny olana ateraky ny ahidratsin-drano ao Nepal
Mora mameno izay itoerany ao amin'ny faridranon'i Nepal ny "tsikafon-dava", karazam-boahirana Amazoniana ka manempotra sy zavamaniry zanatany sady manakana ny hanina ilaina amin'ny fiainana an-drano. Misy koperativam-panao asa-tanana Nepali iray nahita izay mahasoa amin'ilay zavamaniry mba hanaovana ny tsiraka ao aminy ho fanaka an-trano.
Ny fomba nitarihan'ny mpanakanto Tanzaniana ny fanavaozana ny mozika any Afrika
Raha nampitombo ny tsena sy ny fahatraran'ny mozika ho an'ny mozika Afrikana ary indrindra indrindra ny mozika Tanzaniana ny sehatra nomerika, dia misy ny ahiahy marina momba ny fitrandraham-bola sy ireo karazan-tambim-pitompoana.
Maneho hevitra tamin'ny fahafatesan'ny mpanohitra Agbéyomé Kodjo tany an-tsesitany ny Togoley
Lasa toerana mahazatra hiafaran'ny fiainan'ny mpanohitra ny fitondrana Togoley ny sesitany. Agbéyomé Kodjo no farany teo, izay maty tamin'ny 3 martsa 2024 tany Ghana.
Miroso amin'ny fifidianana ifotony i Torkia
Mitodika any amin'i Ekrem İmamoğlu an'ny CHP, izay efa niasa nandritra ny dimy taona sy amin'i Murat Kurum an'ny AKP, minisitry ny tontolo iainana, ny tanàn-dehibe ary ny fiovan'ny toetr'andro teo aloha, ny maso rehetra.
Nodimandry teo amin'ny faha-73 taonany i Brian Heap, olo-malaza amin'ny teatra Jamaikana sady mpampianatra malala-tanana
"Nanana fahafahana nampiditra antsipirihan'ny kolontsaina Jamaikana tao amin'ny asany izy ary namadika ny mahazatra ho zavatra miavaka."
Manao ahoana ny toeran'ny fiteny Frantsay eo anivon'ny fiarahamonina Togoley?
Nandray ny teny frantsay ho fiteny ofisialy i Togo tamin'ny taona 1960, zava-misy voarakitra ao amin'ny lalàmpanorenana. Fa manao ahoana ny toeran'io fiteny io ao anatin'ny tontolon'ny fiteny maro?
Niteraka resabe ny fahafatesan'ny saka mpirenireny iray tany Torkia
Tamin'ny andron'ny fitsarana, tonga maro tao amin'ny lapan'ny fitsarana ireo mpikatroka mpiaro ny zon'ny biby sy mpitia biby fiompy (ny sasany tonga niaraka tamin'ny biby fiompiny ho firaisankina).
Tchad zaratany literera: antsafa nifanaovana tamin'i Nétonon Noël Ndjékéry, mpanoratra tantara amin'ny teny frantsay
Firenena Saheliana ary mampitohy an'i Afrika Avaratra sy Afrika Afovoany, mahalana no resahina amin'ny fampitam-baovao ho toy ny zaratany literera i Tchad. Mba hamenoana izany, nitafatafa tamin'ny mpanoratra Nétonon Noël Ndjékéry, iray amin'ireo solontenan'ny literatiora Tshadianina miteny frantsay fanta-daza ny Global Voices.