· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Jona, 2011

Siria: Revolisionan'ny Black Comedy

Black comedy dia iray amin'ireo fomba iresahana ny tranga mampihetsi-po. Izay niseho vao haingana tao Siria, nisian'ny rà nandriaka no sady nahaketraka ny maro, dia nitondra ihany koa tamin'ny firongatry ny bilaogy, ny pejy facebook ary ny lahatsoratra izay niezaka nanaraby ny zava-nisy, ary nampahafantatra sy nanasongadina ireo fanambarana ofisialy somary adaladala-izay indraindray toa mivaona tanteraka.

Horonantsary: Fankalazana ny Fisarahan-taona

  29 Jona 2011

Arendrina, dihy, voninkazo ary afondasy no fitaovana sasantsasany ampiasaina amin'ny fankalazana manerana izao tontolo izao ny Fisarahan-taona Lohataona sy Ririnina.  Andeha hitety izao tontolo izao hijery ireo karazam-pankalazana niseho: Fisarahan-taona...

Ségou Villages Connection: Tonga Ao Ambanivohitr'i Mali

Rising Voices  28 Jona 2011

Boukary Konaté, tetikasa ” Aterineto ao Ambanivohitr'i Ségou” tohanan'ny Rising Voices, no nanararaotra nampahafantra izany nandritra ny Lanonana iraisam-pirenena momba ny Hairafitrano izay natao tao Pérouse, ao Italie ny voalohan'ny herinandro volana jona....

Makedonia: Repoblika Twitter .mk

Mitohy ny Fihetsiketseham-panoherana ao Makedonia, raha mbola mandà na dia ny hiresaka izay tadiavin'ny olona amin'ny fangaraharana, andraikitra politika ary ny fanajanonana ny herisetra ataon'ny polisy fotsiny ihany aza. Tamin'ny alahady, dia nisy sarim-pamantarana vaovao nasehon'ny mpanao fihetsiketsehana sasany: Sainam-pirenena Masedoanina misy sary famantarana Twitter ao aminy, ho fahatsiarovana ny asan'ny fiarahamonina Twitter.