Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Septambra, 2020

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Septambra, 2020

Srebrenica : kaoperativam-behivavy manjaitra «arotava fiarovana ho an'ny rehetra»

Hita ao anatin'ity vondrona mavitrika ity ireo vehivavy avy amin'ny sehatr'asa isankarazany, samy vonona avokoa hanatratra tanjona mitovy: hanohana ny vondrompiarahamonina misy azy ireo.

Noho ny fisian'ny fifandonana Nagorno-Karabakh, tapatapahan'ny manampahefana ao Azerbaijàna ny aterineto manerana ny firenena

Tapatapaka ny fidirana aterineto nanomboka tamin'ny nipoahan'ny fifandonana tamin'ny 27 Septambra

Gabôna hatrany Môzambika, mampanontany tena an'ireo artista ny dikan'ilay fomba fiteny hoe “Ny Tontolo Atsimo” ao anaty fampirantiana iray vaovao ety an-tambajotra

«Aiza ny Atsimo» atolotr'ireo artista 90 avy amina tanàna samihafa manotany tena momba ny dikan'ilay fomba fiteny hoe «Ny Tontolo Atsimo»

Bosnia & Herzegovina, mpirotsaka an-tsitrapo miaro ireo mpifindramonina tafahitsoka any mba tsy hiharan'ny levilevin'ny eo an-toerana

Ao amin'ny tanàna fahatelo lehibe indrindra ao Bosnia, mba hahitàna fitoniana sy vonjy dia ireo mpirotsaka an-tsitrapo no sisa ianteheran'ireo mpifindra monina miaina ao anatiny sy manodidina ny toby fiandrasana fiarandalamby

Taorian'ny firaketana an-tsoratra momba ny fakàna tany tao anatin'ny toerana natao ho azy ireo, 18 ireo tompontany mpitarika sy mainty hoditra naiditra am-ponja ao Nikaragoà

Nanomboka tamin'ny 2015, ireo Kriol sy Rama nampiana-tena ho mpiambina ala no manara-maso ny fandripahana ala sy fakàna an-kery ny tany ao anatin'ilay valanjavaboary biolojika.

Angola: mpanao fihetsiketsehana mitaky ny rariny momba ny nahafaty an'i Dr Sílvio Dala tany am-pitazonana azy

Toherin'ny Sendikàn'ny mpitsabo ao Angôlà ny fanazavàna naroson'ny pôlisy nilaza hoe naratra i Sílvio Dala rehefa avy tsy nahatsiaro tena ka nidaraboka.

Fotoana izao hanesorana an'i Sodàna tsy ho anatin'ny lisitr'i Etazonia manondro ireo firenena mpampihorohoro

Tamin'ny 1993 i Sodàna no tafiditra tao anatin'ilay SST, lisitr'i Etazonia ahitàna ireo firenena mpanohana ny asa fampihorohoroana, saingy tsy misy na iray aza amin'ireo antony naroso tamin'izany fotoana izany no mbola mitombina ankehitriny. Fotoana izao tokony hanesorana azy tsy ho ao anatin'ilay lisitra SST intsony

Fihetsiketseham-panoherana tarihin'ny tanora ao Thailandy mahazo fanohanana avy amin'ny olom-pirenena mitaky ‘demaokrasia tena izy’

"Fotoana izao ilaina ny fanovana. Amin'izao fotoana izao, tsorina, tsy ho tonga eto noho ny hoavinay izahay, fa ho an'ny hoavin'ny zanakay."

Tariky ny Al Jazeera Balkàna, voatafika nandritra ny hetsipanoheran'ny antoko avy amin'ny elatra havanana tao Skopje

Tsy nanaiky ilay ramatoa mpanao gazety niharan'ny herisetra fa nitory teny amin'ny pôlisy ary naka toerana hanohitra ny kolontsain'ny tsimatimanota

Hong Kong: artista mandoro ireo sarinjavatra ho fanehoana ny fitakiana pôlitika, Winnie ilay bera, ary vata-pifidianana nandritra ny Andron'ny Avelo

"Ao anatin'ny tontolo tena izy, tsy misy na iray aza mamaly ny fitakianay, noho izany tsy maintsy izahay mitady fantsona hafa, toy ny fifandraisana amin'ireo avelo any amin'ny fiainan-tsy hita."