Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Aogositra, 2018
Nepal: Rakotr'i Moriarty i Prachanda
Moriarty, masoivoho amerikàna, nanao kabary iray manandanja nampitandrina ireo antoko politika mba hijery tsara rehefa miresaka amin'ireo Maoista.
Nepal: Vola Ilaina Ho anà Fihetsiketsehana
Miresaka ny filàna ho an'ireo zanaka ampielezan'i Nepal ny Democracy For Nepal, DFN, mba hahazoana vola ho an'ny hetsika ho an'ny demokrasia ao Nepal: tsy ampy ny fanohanana ara-moraly fotsiny
Lalàna Vaovao Manohintohina ny Famoronana Artistika ao Kiobà
"Ny sivanao dia ao anatin'ny fanafoanana ireo kaonseritra izay nalavonao tamin'ny tany. Tao foana hatramin'izao, tsy nisy nataonao afa-tsy ny nanao izay haha-ara-dalàna azy. Avy eo izahay ampangainao ho mamadika ny zavakanto ho lasa politika... Ampy izay ny faneriterena"
Maoritania : Antomotra ny Fifidianana Solombavam-bahoaka, Nosamborin'ny Fitondrana i Biram Dah Abeid, Ilay Mpikatroka Mpanohitra Ny Fanandevozana
Na efa nanomboka tamin'ny 1981 aza ny tsy maha-ara-dalàna azy any Maoritania, dia mbola misy foana ny fanandevozana ao amin'ny firenena. Vinavinaina ho ny 20%-n'ny mponina no olona miaina amin'ny fanompoana.
Manerana an'i Afrika Andrefana amin'ity herinandro ity (jolay 2006)
Atombokontsika amin'ny Under the Acacias izay mibilaogy ny: Osama bin Laden ao Burkina Faso ny fitsidihana bilaogy amin'ity herinandro ity.
Fijery manerantany momba ny andron'ny ady amin'ny kolikoly
Mihamaro ireo mpikatroka manohitra ny kolikoly niharan'ny fanafihana. Namoy ny ainy tamin'izany ireo mpanao gazety manoratra momba ny kolikoly eo amin'ny politika sy ny fiarahamonina tahaka an'i Lasantha Wickramatunga any Sri Lanka tamin'ny fiandohan'ny taona (2009).
Okraina: Vazivazy momba ny amboara manerantany
Toa nahatsikaiky ny vazivazy malaza momba ny zava-bita mahavariana sy tsy nampoizina tanteraka tamin'ny Amboara Manerantany tany Okraina - sy ny loza ara-bola naterak'izany ora vitsy lasa izay. Nandresy an'i Okraina avy eo i Italia tamin'ny ampaha-efa-dalana tao Hamburg. Tsy mampihomehy intsony, ho an'ny maro avy eo ny vazivazy.
India : Fifidianana Solombavambahoaka Tamin'ny 2009, Fanentanana Tety Anaty Tambajotra
Misy sokajina tranonkala hafa manasa ny olompirenena ho aminà fifampiresahana sy fanaovana fanazarantena amin'ireo lohahevitra momba ny fanabeazana olompirenena; ny vondrom-piarahamonina an-tserasera no ampiasain-dry zareo mba ho mpitarika amin'ireo hetsika iraisana [...] Mihevitra aho hoe hevitra tsara ireo tranonkala sosialy momba ny fifidianana
Madagasikara: Ireo Nofinofin'ny Hoavy Sy Ireo Hevitra Sasany Mikasika Ny Fanampiana Iraisampirenena Ho An'i Afrika
Zava-dehibe ny hanamarihana fa tsy mandeha aminà zotra tokana hatrany ny fanampiana iraisam-pirenena. Misy ireo ohatra amin'ny fanampiana afrikana mankany Eoropa ary na ireo firenena tena matanjaka erantany aza dia mila fanampiana indraindray.
Roandà: Miaina Toy ny Mpanjaka Ireo Mpiasa Amin'ny Fikambanana Mpanao Asa Soa
Azo lazaina ho miaina toy ny mpanjaka ry zareo, mihataka amin'ny vahoaka, ny antoandro dia matetika ry zareo no any anaty birao... Fa ahoana no ahafahany manantena hahatakatra ny zavamisy iainan'ny olona tian-dry zareo ho ampiana raha toy izany no fomba fiainany ?