Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Febroary, 2011
Libya: Tahotra sy korontana ao an-tseranam-piaramanidin'i Tripoli
Tahotra, korontana, tebiteby ary hakivina - nampiasaina hitantarana ny zava-manjaka ao an-tseranam-piaramanidin'ny renivohitra Libyana nandritra ny andro faramparany avokoa ireo voambolana ireo. Tafiditra anatin'ny tsy fahafantarana izay ho avy i Libya hatramin'ny nisian'ny fitroarana hikomy amin'ny mpitondra ity firenena iray ity, dia ny fikomiana amin'ny Kolonely Muammar Al Gaddafi ny alin'ny 16 Febroary 2011 (#Feb17) .
Hanara-dia an'i Tonizia sy i Egypta va i Alzeria?
Ity lahatsoratra ity dia fitantarana manokana momba ny Fihetsiketseham-bahoaka taona 2011. Na dia teo aza ny fionganan'ny Filoha Toniziana Zine El Abidine Ben Ali, taorian'ny fikomiana sy ny fanerena ny Filoha...
Libia: “Tsy mendrika ny ho velona ny vahoaka tsy tia ahy” hoy i Gaddafi
Milaza amin-kambo ireo mpanohana ny any amin'ny Kianja Maitso any Tripoli ny mpanao didy jadona Libiana Muammar Al Gaddafi, manome toky fa mbola ho be ny fahoriana sy ny fahafatesan'ireo vahoaka manohitra ny fanjakany. Tamin'ny fitenenany farany, izay mivoaka anio any amin'ny TV Libiana, niantso ny Libiana hiaro ny fireneny i Gaddafi, nanampy fa hodorany izany raha tsy misy miaro azy ny vahoaka.
Kiobà: Inona no nambaran'ny telegrama tao La Havane
Amin'ity fizarana farany momba ny WikiLeaks sy i Kioba ity ny mpanoratra Elaine Díaz no mamahavaha ny votoatin'ny voasoratra amin'ny telegrama diplomatika miompana amin'ny fanoherana Kiobana sy ny asan'ny mpamaham-bolongana.
Myanmar: Barcamp Yangon 2011
Mihoatra ny 4000 ny mpandray anjara nanatrika ny Barcamp Yangon 2011 tany Myanmar izay nametraka ity fotoana ity ho iray amin'ny Barcamp nahavory olona be indrindra tany amin'iny faritra iny. Voarara ny vohikala Xanga rehefa niresaka momba ny sivana an-tserasera ny Myanmar ny mpandray anjara iray (izay ampiantranoan'i Xanga ny bolongany).
Libya: “Roso toy tsa mimpody intsony”
Mety ho ora sisa no isaina amin'ny fitondran'i Muammar Al Gaddafi. Saingy rehefa nandrahona ny hamono ny mpanao fihetsiketsehana sy ny miaramila mihaika ny fitondrany izy dia mamparary an-doha ny ora sisa andrasana. Any amin'ny toerana tsy eo ambany fifehezan'i Gaddafi intsony dia efa manomboka manangona tahirin-kevitra momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ny olona.
Libya: Niteny i Obama, antso tao amin'ny Tweeps
Ity lahatsoratra ity dia fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetseham-bahoaka 2011 Lybia. Nivoaka tamin'ny fahanginany ny filoha Amerikana Barack Obama noho ny zava miseho ao Libya, nisy ny kabary nataony...
Bahrain: Afaka ilay Bilaogera Ali Abdulemam
Ela ny ela fa dia tafavoaka ny fonja ihany ilay blogger Jailed Bahraini Ali Abdulemam. Ampifaliana no nandraisan''ireo mpankafy azy manerantany izany vaovao izany, ra iny tazany tamin'ny alalan'ny an-tserasera iny ny sariny notsenain'ny fianakaviany sy ny namany.
Nobodoina nymasoivoho Libyana ao Dubai ary nesorina ny saina!
Ho valin'ny famonoana izay nitranga tany Libya sy ny tsy fahafahan'ny mpanao gazety manao ny asany, ny mpanao fihetsiketsehana ao Dubai, UAE, dia nankeny amin'ny masoivoho Libiana ny talata mba hitaky ny fanajanona ny fandatsahan-drà ary hanongana ny Kolonely Muammar Gaddafi.
Iran: VOA nosovohan'ny “Cyber Army”
Nosovohan'ny [no-pirate-n'ny] “Cyber Army” [Tafika an-tseraseran'i] Iran ny tranonkalan'i Voice of America androany [talata] ka nametrahany hafatra ho an'i Hilary Clinton: “Rtoa. Clinton, Tianao ho heno ve ny feon'ny firenena voatsindry?...