Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Febroary, 2010
Rosia:Fikatsahana ny rariny amin'ny fametrahana verin-drohy sy fanapariahana lahatsoratra
Tantara iray vao haingana mikasika lozam-pifamoivoizana no isan'ny iray amin'ireo fanehoan-kevitra anaty aterineto sy manerana ireo tanàna Siberiana mba ho fanehoana hoe manao ahoana ny ezaka raisin'izany fanentanana tsy nomanina izany hiantraika amin'ny tena zava-misy.
Fanambaràna ny Fivoriamben'i Global Voices momba ny Haino aman-jerin'ny Olom-pirenena 2010
Faly izahay manambara ny Fivoriamben'i Global Voices momba Haino aman-jerin'ny Olom-pirenena 2010! Any Santiago, Chile no hisy ny fivoriantsika amin'ny 6-7 Mey 2010. Anisan'ireo tranga hisongadina any ny fanambaràna ireo nandresy tamin'ny fifaninanana Breaking Borders, loka vaovao noforonin'i Google sy Global Voices.
Hanolotra tokim-pitiavana vaovao ny filohan'i Malawi amin'ny ‘Andron'ny mpifankatia’
Nandre ireo Malawians fa hanambady ilay Minisitry ny fizahantany taloha, Callister Chimombo ny filoham-pirenen'izy ireo Dr Bingu wa Mutharika amin'ny 1 May ho avy izao. Ialohavana fifamofoana araka ny fanao izany amin'ny andron'ny St Valentin , amin'ny 14 Febroary. Nirary soa ny filoha ireo mpitoraka blaogy sasany tamin'ity tantaram-pitiavana vaovao ity taorian'ny nahalasan'ny vadiny Ethel telo taona lasa izay.
Maraoka: Mitoraka blaogy momba ny fitorahana blaogy
Ireo Maraokana, toy ny mahazatra, dia mitoraka blaogy, fa amin'ity indray mitoraka ity kosa dia momba ny…fitorahana blaogy! Amin'ity taona ity, loka roa no hatolotra ao amin'ny tontolon'ny blaogy: ny andiany fahatelo amin'ny Fifaninana isan-tanona Blaogin'i Maraoka [Maroc Blog Awards], izay nisarika ny mason'ireo media tato anatin'ny taoana vitsy, ary ny fifaninanana vaovao Loka ho an'ny Blaogy Maraokana Tsara indrindra [Best of Morocco Blog Awards] (na BOMBies).