Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Oktobra, 2019
Portiogey mpihira rap, miteraka adihevitra noho ny fanehoana ny herisetra an-tokantrano ao anatin'ny lahatsary vaovao
Fikambanana amam-polony maro mpiaro ny zon'ny vehivavy no nitsikera ilay mpihira rap Valete, izay namaly tamin'ny filazàna fa "poakaty" ilay adihevitra.
Mibitsika ny kanton'i Azia Atsimo
"Tena ilaina ny fahitàna tsara ireo Desi mpanakanto mba hamoronana fiarahamonina iray liampandrosoana sy mivoatra ara-kolontsaina."
Lazain'ny fitsarana Taiwaney ho tsy mahatapaka tamin'ny raharaha loza an-dranomazina ry zareo, mampiakatra ny raharaha ireo niharam-boina
Tamin'ny 14 Oktobra 2019, nesorin'ny Fitsaram-paritr'i Taipei ny fitoriana napetrak'ireo mpanjono Vietnamiana 8.000 tamin'ny Formosa Plastics Group ao Taiwan (FPG) noho ny loza an-dranomasina tamin'ny taona 2016 tany Vietnam. Nilaza ny fitsarana fa tsy manana fahefana hisahana an'io raharaha io izy ireo, saingy nampiakatra ny raharaha any amin'ny fitsarana ambony ny mpisolovavan'ireo mpitory tamin'ny 24 Oktobra.
Torohevitra fanoratana isankerinandro: Ny fitsipika amin'ny fitanisàna avy ao amin'ny tambajotra sosialy
Satria hoe natao ho an'ny rehetra ve ilay izy dia midika izany fa tokony hampiasainao? Mamakivaky ny fitsipika fampiasana ireo fitsanisàna natao ho an'ny daholobe avy amin'ireo mpampiasa tambajotra sosialy i Oiwan.
Filipina : miady mafy ny mba ho velona ireo toerana fampielezampeon'ny vondrom-piarahamonina na eo aza ireo fanafihana sy zava-tsarotra
"Raha tsy afaka mampiasa ny haino aman-jery natao ho an'ny daholobe ireo voailika voahilikilika, dia tsy maintsy avela hanao izay handrenesana ny feony izy ireo"
Ny fiantraika ratsin'ny gripan-kisoa Afrikanina amin'ny krizin'ny famatsiana kisoa ao Shina?
Tamin'ny volana septambra, herinandro vitsivitsy alohan'ny faha-70 taonan'ny fiorenan'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Shina, nanomboka namoaka ireo fitehirizana stratejika henan-kisoa nampangatsiahana mivaingana ny governemanta shinoa mba hamaliana ny filàna henan-kisoa eo amin'ny tsena anatiny.
Fantaro i Lokosh (Joshua D. Hinson), mpampiantrano ny kaonty Twitter-n'ny @NativeLangsTech ny 3-9 Oktobra
Fantaro i Lokosh (Joshua D. Hinson), mpampiantrano ny kaonty Twitter-n'ny @NativeLangsTech ny 3-9 Oktobra 2019. Hizara ny fomba fijeriny ny teny Chickasaw izy.
Oganda: Nandrava ny tsenan'i Owino ny afo
Afo goavana no nandevona ny tsenan'i Owino tao Kampala tamin'ny alarobia maraina, ka olona dimy no naratra mafy ary trano an'arivony no simba. Tombanana ho niharan'ny fatiantoka ireo mpivarotra miisa 25 000, izay vehivavy no ankamaroany.
Fantaro i Farhad Shafitul Kabir, hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ny 29 Oktobra ka hatramin'ny 4 Novambra 2019
Vakio ny resadresaka nifanaovana tamin'i Farhad Shafitul Kabir, ilay hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline mandritra ny 29 Oktobra ka hatramin'ny 4 Novambra 2019. Hiresaka momba ny fiteny Sylheti Nagri izy.
Miady amin'ireo fanafody hosoka amin'ny alalan'ny sehatra antserasera vaovao ny startup teknolojia ao Tanzania
Matoky i Dagaa fa tsy ny fotoana ihany no ho voatsitsy hitadiavana magazay mivarotra fanafody amin'ny vidiny mirary avy amin'ny rafitra antserasera vaovao, fa koa hanampy hanara-maso ireo vokatra fanafody apetraka eny an-tsena, mampihena ny fividianana fanafody hosoka.