Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Janoary, 2014
Ranon-trambo Sy Tany Nihotsaka Namely Tao Sulawesi Avaratra, Indonezia
Namely ny tanànan'i Manado tao Indonezia ny ranon-trambo sy ny fihotsaky ny tany mahery vaika ary nampifindra mponina maherin'ny 40.000. Voalaza fa nandrakotrafiara am-polony sy mpandeha tao anatiny ny fihotsaky ny tany.
Sary : Maherin'ny 5 000 Ireo Ankizy Nanamontsana Ny “Guinness Record” Tamin'ny Fanaovana Hosodoko Tao Amin'ny Lakandranon'i Panama
Nifanindry an-dalana ny fankalazàna ny fahazato taonan'ilay Lakandrano sy ny fahazoana ny "Guinness Record" tamin'ny fanaovana hosodoko miaraka. Lavitry ny adihevitra be amin'ny mety hisian'ny fanitaràna ilay lakandrano iny fety iny .
Lahatsarin-kira 12 Niavaka Tao Taiwan Tamin'ny 2013
Mbola miainga amin'ny resaka politika sy ireo olana maro, nihanasiaka tokoa ny sehatry ny mozika tao Taiwan ny taona 2013.
Iza No Miantoka Ny Vola Lanin'ny Lalao Olaimpika Rosiana?
Mbola manohintohina ny fikarakaraka ny lalao olaimpikan'i Sochi ny fiampangana fisian'ny trangan-kolikoly.
Shina: Avoahy Ilham Tohti — Tohano ny Fampihavanana Ara-Poko
Nosamborin'ny polisy tamin'ny 15 janoary teo i Ilham Tohti, mpanorina ny Uyghur Online sady mpisolovava tony fihetsika ho amin'ny politikan'ny fizakantenan'ny foko ao Shina. Misolovava amin'ny famotsorana azy ny mpanohana azy an-tserasera.
Nankatoavin'ny Kongresy Ao Meksika Ilay Volavolan-Dalàna Fanavaozana Ny Angovo Izay Hamarana Ny Amphimamban'ny Fanjakana Amin'ny Solika
Nanaiky ny fanovan-dalàna mikasika ny Angovo ny Antenimieran-doholona tao Meksika, izay heverina fa hampiato ny ampihimamban'ny fanjakana nandritry ny 75 taona tamin'ny tsenan'ny solika, lalàna izay hanokatra ny varavarana ho an'ireo mpampiasa vola avy ao an-toerana sy ny iraisam-pirenena.
SARIPIKA: Drone Maka Sary Ny Hakanton'i Thailand
Tamin'ny fampiasana "drone" ilay bilaogera Richard Barrow monina ao Thailand no mizara sary talaky maso maro mahasondriana ao amin'io firenena iray io. Nampiasaina ihany koany "drones" hanarahana ny fizotry ny fihetsiketsehana any Bangkok
Fomba Fitaizan-tSinoa Maka Tahaka ny ‘Tigra’ Miteraka Fitarainana Avy Amin'ny Tanora
mamono ny tsy fananan-tsiny [ry zareo] mandritry ny fahazazan'ireo ankizy, mamono ny nofinofintsika mandritry ny maha-zatovo antsika sady mamono ny hetahetantsika mandritry ny fahatanorantsika
Arahabaina Ny Lalàm-Panorenana Vaovao Ao Tonizia!
Manome voninahitra an'i Tonizia ireo bilaogera manerana ny faritra noho ny nanekeny ny lalàm-panorenana vaovao, taona telo taorian'ny nanonganana ilay mpanao jadona Zeine el Abidin Ben Ali .
Ejipta : Ho Toy Inona ny Hoavin'i Maréchal El Sissi?
Maréshal (-n'ny Kianja???) ankehitriny no galonan'ilay Jeneraly teo aloha lehiben'ny tafika Ejiptiana, Abdel Fattah El Sissi. Tsy dia mazava loatra ny mikasika ilay fisondrotana, na efa fisavàna làlana sahady amin'ny ho fihazakazahany hirotsaka ho filoham-pirenena na tsia.