Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Septambra, 2015
Nampisokatra Ny Mason'ny Peroviana Manoloana ny Fahafatesan'ireo Zanaky ny Fireneny Ilay Zazalahy Syriana Maty An-drano
Niteraka fiaraha-miory iraisampirenena ny sarin'ilay zazalahy Syriana maty an-drano, raha niteraka fifanoheran-kevitra kosa ny sarin'ireo ankizy matin'ny hatsiaka tao amin'ny tangoron-tendrombohitra Andes Peroviana.
Toy Izao No Niseho Rehefa Nisy Nandevim-Belona Tao Ambanin'ny Tany Ny Alika Bevohoka Iray Tao Voronezh
Rehefa tsy namaly ny antso vonjy ny manampahefana ao an-toerana, nanapa-kevitra handray andraikitra ireo mpanofa maromaro tamin'ny Alakamisy 24 Septambra, ka nanala ireo biriky sy nandavaka ny tany misy ilay biby voalevim-belona, izay hita fa bevohoka.
Inona Mikasika An’i Kazakhstan No Ambaran’ny Hadisoam-pamindran'ny Filoha Nazarbayev Momba Ny Aty Matavy (Foie Gras) Amintsika
"Amin'ny fotoanan'ny krizy, raha tsy misy mofomamy ho zaraina, tokony hiasa ara-potoana ny PR, ary tena am-pitandremana, mba tsy hampitombo ny fahasarotan’ny toe-draharaha."
Manome Aina Vao ny Hira Malefaka Any Zeorzia Sovietika Teo Aloha Ao Amin'ny Ranomasina Mainty
'Satria izahay manao karazana Slim Harpo, tafiditra am-paosy mora ireo bahan-kira mihetsika, mialoha ny hanaovan'i Tamaz, ny mpitendry gitaranay, ny filalaovana samireriny.'
Mandrava Ny Fitsaratsara-Poana Ara-kolontsaina sy Ara-pirazanana Mihatra Amin'ny Amerikana Latina Anaty Vazivazy
Nasehon'i Joanna Hausmann nandritra ny andian-tsarimihetsika nataony ny fahasorenany amin'ny fitsaratsarana an-tendrony ataon'ny olona amin'ny Latinos ao Etazonia", Joanna Rants.
#PinjraTod Manome Feo Ho An'ireo Vehivavy Indiana Leo Ny Fitsipika Henjana Mifehy Ny Tranon'ny Vehivavy Mpianatra Ao Amin'ny Oniversite
"Ny mazava amin'ireo tantara rehetra ireo dia tokony holavina amin'ny fomba rehetra ireo fitsipika mamepetra sy ny fiarovana ny fanjakazakan-dehilahy iorenan'izany."
Governemanta Tohanan'ny Miaramila Thailande Hijanona Eo Amin'ny Fahefana Taorian'ny Nandàvana Ny Drafitra Sata
"Hametraka zotra mandeha ho azy izay hampaharitra sy hanohana ny fahefan'ireo antoko tsy demôkratika manoloana ireo demôkratika io volavolan-dalàmpanorenana io."
‘Antso Ho Amin'ny Fitiavana Sy Fangorahana’: Tian'ny Ben'ny Tanànan'i Barselona Raha Mba Mandray Mpitsoa-ponenana Ireo Tanàndehibe Ao Espaina
Taorian'ny nampalaza be tao amin'ny Aterineto ny fanehoankevitra iray nataon'ilay ben'ny tanànan'i Barselona, Ada Colau tao amin'ny Facebook, lasa drafitry ny tany tontolo ny hamorona tambajotranà tanàna fialokalofana ao anatin'ny kirizin'ny mpitsoa-ponenana ao Eorôpa
Fandinihana Momba Ny Herintaonan'ny Fanjavonan'ireo Mpianatra Tao Ayotzinapa
"Ho anay, tsy tapitra ny alin'ny 26 Septambra," hoy ny olona iray tafavoaka velona tamin'ny loza Ayotzinapa. "Nihevitra izy ireo fa ao anatin'ny fotoana, afaka handresy antsika izy ireo. Saingy tsy izany no nitranga."
Tantaram-pitiavana Syriana’ Manaraka Ny Fiainana Andavanandron'ny Fianakaviana Iray Nandritra ny Ady sy an-tSesintany
"Mihevitra aho fa ao anatin'ny fanamby ny hafatry ny fanantenana - ny fihantsiana fianakaviana iray, izay tafarina."