· Febroary, 2018

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Febroary, 2018

Venezoela: Trano Famoahamboky Mamoaka Asa Soratra Anaty Aterineto

  28 Febroary 2018

Misy vaovao tsara ho an'ireo mpankafy ny literatiora amin'ny teny Espaniôla. Noho ny fandraisana andraikitra avy amin'ny Minisitry ny Kolontsaina Venezoeliana, efa azo alaina maimaimpoana ao anaty aterineto ny asa soratra avy amin'ny trano famoahamboky Ayacucho Library. Ankalazain'ireo bilaogera ilay fifantenana boky, izay manamora ny fahazoana iteratiora.

Samy Manao Diabe Ao Sofia na ny Mpanome Voninahitra Ny Jeneraly Pro-Nazi, na ny Mpitsipaka ny Fasisma

  28 Febroary 2018

Andro feno fandaharam-potoana ny 17 Febroary tao Sofia renivohitra Boligara, izay nanaovan'ny mpanohana ny farany havanana diabe ho fanamarihana ny faha-75 taona namonoana ilay minisitry ny fiarovana Boligara Prô-Nazi, Hristo Lukov, ary namaly vao maraina kosa ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra izany ka nanameloka ny nasionalisma sy ny fankahalana vahiny.

Japana: Mahazo Fanohanana Avy Amin'ny Tanàna Japoney i Obama

  28 Febroary 2018

Mitombo ny fientanam-po anatinà tanànan'ny mpanjono matoritory ao amorontsirak'i Japana. Nahazo jery tsy mahazatra ny tanànan'i Obama, izay midika hoe "morontsiraka kely" amin'ny teny Japoney, noho ny fifanojoan'ny anarany amin'ny anaranà mpifaninana iray ho filoham-pirenena Amerikana.

Migadona Ao Taiwan Ny Big Issue

  28 Febroary 2018

Taiwan no firenena faha-9 mamoaka Ny Big Issue. Ankoatra ny resaka fototra ao, mamatsy hevitra hahafahan'ny olom-pirenena manampy ny sahirana ihany koa izy. Kanefa tsy mitovy amin'ny fanomezana, fa mampandray andraikitra ireo sahirana sy mampahaleo tena azy ireo koa

Serbia: “Fasisma Miafina”

  28 Febroary 2018

Aingam-panahy avy tamin'ny lovan'ny mpikatroka Afrikanina Amerikanina Audrey Lorde, nanameloka ny mpiray tanindrazana aminy, bilaogera Serba, amin'ny fahanginana momba ny heloka bevava miseho ao amin'ny tokotanin'izy ireo ihany. Nandika sombiny izay avy amin'io lahatsoratra mahaliana io i Sinisa Boljanovic