Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Mey, 2012
Bangladesh: Shawpno Rath – Sekoly Iray Ho An'ireo Ankizy Avy Eny Ambany Tanàna
Tao Dhaka, Bangladesh, dia andian-jatovo iray no nanomboka nametraka ny atao hoe 'Shawpno Rath' (KAlesin'ny Nofy), miaraka amin'ny tanjona fampidirana an-tsekoly ireo ankizy sahirana. Mino ilay vondrona fa soroka miara-milanja tsy azo ihodivirana amin'ny ady atao handresena fahantrana ny fanabeazana.
Brezila: Niely Nanerana Ny Firenena Ny Diaben'ny Janga
Ny 26 sy 27 Mey, tanàn-dehibe maro manerana an'i Brezila no nahitana ny fiodinana faharoan'ny hetsi-panoherana amin'ny fantatra ho SlutWalks [na diaben'ny janga]. Mifantina ny sary nopihana manerana ny firenena ny Global Voices.
Kenya: #NairobiBlast Tenifototra Nalaza Tao Amin'ny Twitter Nandritra ny Fipoahana Tao Nairobi
Fipoahana mahery vaika no nitranga tao amin'ny arabe lehibe iray tao Nairobi, Làlana Moi, ao an-drenivohitra Kenya tamin'ny Alatsinainy atoandro. Nilaza ny fanadihadiana teny amboalohany fa noho ny olana teo amin'ny...
Syria: Masoivoho Noroahana Ho Fanoherana Ny Vonomoka Tao Houla
Ny vonomoka feno herisetra nitranga tao amin'ny distrikan'i Houla dia niteraka onjam-panehoan-kevitra mampivarahontsana nanerana ny tany. MAro ireo governemanta no nandray fanapahan-kevitra handroaka ireo masoivoho Siriana ho fanoherana ny firehetan'ny herisetra.
Qatar: Firehetana Mahatsiravina Namoizana Aina Tao Aminà Toeram-pivarotana Lehibe Iray
Tamin'ny 28 May nidedaka ny afo tao amin'ny Villaggio Mall tao Doha, niteraka faty olona sivy ambinifolo, ka telo ambinifolo tamin'ireo no ankizy. Voafandriky ny afo ka tsy afa-nivoaka tao amin'ny toeram-pitaizana nisy azy tao anatin'ilay toeram-pivarotana lehibe ireo ankizy, ary maty sempotry ny setroka tao izy ireo sy ny mpampianatra efatra. Mpamono afo roa no maty teo ampiezahana hamonjy azy ireo.
Pakistana: Nandalo Faran'ny Herinandro Fanivànana Ny Twitter
Niaritra fanivanana tanteraka ireo mpampiasa Twitter manerana ireo FAI rehetra tany Pakistana nanomboka ny Alahady 20 Mey tamin'ny 1 ora tolakandro.noho ny baikon'ny Manam-pahefana amin'ny Fifandraisana any Pakistana izay nilaza fa fanivanana ireo sary manala baraka no antony. Na eo aza izany, mihevitra ireo mpampiasa aterineto fa manandrana ny tolotra Fanivanana URL ireo manam-pahefana. Nesorina iany sakana izany tamin'ny alina.
Syria: Nahatonga Izao Tontolo Izao Hampiaka-peo Ny Vonomoka Tao Houla
Tamin'ny 25 May, ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta tao Houla, avaratra andrefan'i Homs, dia nidina an-dalambe teo amin'ny mitatao vovonana teo, tsy nanampo na dia kely aza fa hoe mety hivaly vonomoka feno habibiana tsy roa aman-tany ny hetsika fanehoan-kevitra nataon-dry zareo. Raha kely indrindra dia 116 no olona matin'ny mpitandro filaminana mpomba ny governemanta.
Nabeel Rajab: Mitohy Ny Tolona Any Bahrain
Navoaka tamin'ny alalan'ny fandoavana onitra $800 ny Filohan'ny Foibe Bahraini momba ny Zon'olombelona, Nabeel Rajab, hoy ny mpisolovava azy, Mohamed Al Jishi. "Ity no fotoana voalohany teo amin'ny fiainako nitanana ahy nandritra ny fotoana naharitra. Namafisin'ny zavatra niainako tany am-ponja ny finoako fa mpanao didy no mifehy antsika. Mila miziriziry hanohitra isika, ary hiady mafy hanohitra ity famoretana sy tsy rariny ity mandra-pahatanteraka ireo fangatahana rehetra izay nanatanterahantsika hetsi-panoherana tamin'ny 14 Febroary. Hitohy ny tolontsika mandrapahazoantsika ny zontsika rehetra."
Brezila: Ocas, Gazetiboky Manone Vintana Ho An'ireo Tsy Manan-kialofana
N y gazetiboky Ocas, naely nanomboka ny 2002 teny an-dalamben'i São Paulo sy Rio de Janeiro, dia mamoaka karazana votoaty marobe izay tsy ho hita mihitsy any anatin'ireo gazety mahazatra.. Fa tsy izay fotsiny : fitaovana iray tsy manam-paharoa ihany koa izy ho famerenana ireo mponin'ny làlana sy ireo nahilika, mba ho ao anaty fiarahamonina indray.
Kiobà: Ny Toetry Ny Zon'olombelona
Nahatonga ny mpamahana bolongana haneho hevitra ny fangataham-baovao vao haingana nataon'ny Vaomieran'ny Firenena Mikambana Manohitra ny Fampijaliana mikasika ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Kiobà.