· Febroary, 2019

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Febroary, 2019

Japana: Nankaiza daholo ny dibera?

Nankaiza ny dibera ? – hoy ireo Japone mpanjifa mitaraina rehefa avy nikaroka hatraiza hatraiza ilay vokatra avy amin’ny ronono. Niteraka tsy fahampiana goavan’ny dibera tao Japana ny fitotonganan’ny famokarana ronono velona, izay vao mainka nohasarotin’ny fiakaran’ny vidin'ny voa sy ny fiovan’ny rafitra eran-tany amin’ny fanjifàna vokatra avy amin’ny ronono.

28 Febroary 2019

Syria: Avotsory i Razan Ghazzawi

GV Mpisolovava

Nosamborin'ny manampahefana Syriana androany i Razan Ghazzawi, bilaogera ao amin'ny sisintany Syriana sy Jordaniana. Niteraka tsikera sy fahatezerana teo amin'ireo bilaogera sy mpikatroka manerantany, izay nitaky ny famotsorana azy tsy misy hatak'andro ny fisamborana a'ni Razan.

28 Febroary 2019