· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Jolay, 2018

Fahasalamana manerantany: Ny “Gripan-kisoa” an-tsary

  31 Jolay 2018

Na dia nilamindamina aza ny ahiahy momba ny firongatry ny "gripan-kisoa" dia mbola nitohy ny fiparitahan'ny viriosy nanerana izao tontolo izao . Nanambara ny OMS fa olona miisa 4 379 no tratran'ity virosy ity (2009) tany amin'ny firenena miisa 29. Ireto ny sary vitsivitsy mampiseho ny fiantraikan'ny gripan-kisoa manerantany.

Rising Voices sy ny mondialy

Rising Voices  31 Jolay 2018

Milaza ny olona fa tena hetsika iraisam-pirenena tokoa ny Mondialy. Nanoratra momba izany mba hanehoana ny fitiavan'izy ireo ny bilaogera ao amin'ny tetikasa Rising Voices maro manerana ny kaontinanta .

Pakistana: Parachinar, ilay paradisa lasa helo

  31 Jolay 2018

Foiben-toeran'ny Masoivohon'i Kurram ao amin'ny Faritra ara-poko tantanana amin'ny fomba federaly ao Pakistana i Parachinar. Ankehitriny, azon'ireo talibana mpikomy ilay tanàna izay hampanjakany ny tahotra ka hanereny ny mponina hiala ao.

EWAMT: Mianatra mamahana bilaogy mba hanompoana ny vondrom-piarahamonina

Rising Voices  31 Jolay 2018

Nikarakara atrikasa roa hafa ny volana Jona 2009 ny tetikasa tohanan'ny Rising Voices 'Fanohanana ireo Vehivavy Mpikatroka amin'ny Teknikan'ny Media' (EWAMT). Ankoatra ny fampianarana ireo mpandray anjara ny fomba famahanana bilaogy dia nofanina tamin'ny fomba fampiasana ny bilaoginy amin'ny fanompoana ny vondrom-piarahamoniny izy ireo.