Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Septambra, 2021
‘Mihoatra noho ny azo ihafiana ianareo’
"Hitako fa tsy afaka ny hangina aho manoloana ny zavatra nandrasana, ny manjavozavo ary ny sazy sy famoretana ataontsika amin'ireo tanoran'ny firenentsika"
Donin'ilay Jamaikana mpanatontosa filma ireo indostria mpanao fitrandrahana ao Karaiba
"Tamin'ny taona 2020, nisy fitantarana malaza dia malaza fa nanavotra ny planeta tany ny areti-mandringana COVID-19 [...] Nanangana ny GEFF 2021 aho hanoherana izany fomba fitantara izany, satria tsy marina fotsiny izao izany."
Olan'ny lasantsy ao India: Enta-mavesatra roa amin'ny fiakaram-bidiny sy ny fitomboan'ny Tinady
Satria miakatra ny vidin'ny lasantsy sy ny gazoala, dia mitombo koa ny tinady, saika mitarika amin'ny fiakaram-bidim-piainana tokoa, fanampin'izany ny vesatra ara-bolan'ny vahoaka noho ny tsy fananana asa sy ny valan'aretina.
Tanora telo ao Melbourne, aingampanahy ho an'ny maro noho ilay tranonkala fanjohian-dry zareo ny angondrakitra momba ny COVID-19
"Nahavita ny fatra voalohany tamin'ny vaksiny [izahay]. Ity no noheveriko fa fotoana iray tsara hizaràna ny tena maha-izahay anay. Ravoravo fa tafiditra ihany anatin'ireo angondrakitray izahay!!"
Sotasota nataon'ireo teratany shinoa tamin'ireo vahiny mpanao gazety nanangona vaovao momba ny tondradrano tao Zhengzhou
Nandritra ny faran'ny herinandro, marobe ireo iraky ny gazety iraisampirenena no nosotasotain'ireo teratany shinoa teny an'arabe tao Zhengzhou teny am-panangonana vaovao taorian'ilay tondradrano goavana tao amin'io tanàna shinoa io.
Mitolona hiaro ny sehatra maitso sisa tavela ao an-tanàna ireo mpiaro ny tontolo iainana ao Torkia
Nanomboka ny taona 2014, miady mba hampisy ireo tetikasam-pandrosoana any anaty ala ny Antokon'ny Fampandrosoana sy ny Rariny (AKP), ka mahatezitra mafy ireo mpiaro ny tontolo iainana ao amin'ny vondrom-piarahamonina.
Mamelona indray ny teny Cree sy Ojibwe an'i Manitoba miaraka amin'ny TikTok
Mamorona horonan-tsary mahafinaritra amin'ny fitenin'izy ireo i Sharissa Neault sy Noa Malazdrewicz mba hanampiana ireo tanora vazimba teratany mieritreritra fa very ny kolontsainy sy ny fiteniny mba hifandray amin'izy ireo.
Inona no mandrahona ny ala honko ao Tobago?
Miangona ao anaty toerana voafetra, lò, mamoaka etona mampidi-doza ary manimba ny tontolo iainana ny fakon-tsargasioma be dia be.
Tsy matahotra mpanohitra saozanina ny governemanta farary ao Japan
Heverina ho tsy ampy tanjaka ny antokon'ny fanoherana ahitana ireo anti-vakisiny sy ireo mpaneho hevitra diso toerana hanaisotra ilay governemanta japoney tsy tiam-bahoaka amin'ny fifidianana amin'ny oktobra ho avy izao.
Mitantara indray ny fahoriana sy ny ratran-tsain'ny vahoaka teratany Tamang amin'ny alalan'ny voa nohasinina, taratasy vita tanana
Mampiasa ny voan'ny hazon'i Damocles, taratasy vita asatanana avy amin'ny fakon'ny orinasa taratasy, sy solaitra mba hilazana ny tantaran'ny vahoaka teratany Tamang ilay mpanakanto Nepaley Subas.