· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Avrily, 2011

Hongria: Ady no niafaran'ny fihenjanana teo amin'ny Hongroà sy ny Rôma Tao Gyöngyöspata

Halina, olona efatra no naratra nandritra ny fifanandrinana teo amin'ny foko Hongroà mpikambana ao amin'ny vondrona farany ankavanana Véderő sy ny fokonolona Rôma ao Gyöngyöspata. Mifanohitra be ihany ny voalzan'ny haino aman-jery Hongroà ny amin'izay nahatonga ny ady - samy mandà ny ho tompon'andraikitra nahatonga ny fifandonana ny fokonolona roa tonta.

29 Avrily 2011

Bhutan: Ny Pretra no nanjary nidiran'andro voalohany noho ny Didy mandrara ny fihinana paraky

Miankina amin'ny hoe ahoana ny fahitanao azy, pretra Bodista no mpandika lalàna voalohany na ny nidiran'andro voalohany amin'ny Didy mandràra ny fihinana paraky any Bhutan izay nanan-kery nanomboka tamin'ny Janoary 2011,ary nogadraina tamin'ny faran'ny volana Janoary raha izy niezaka niditra ny firenena niaraka tamina fonosana paraky fitsako miisa 72 avy any Inde.

24 Avrily 2011