Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Avrily, 2022
Mpikatroka roapolo avy amin'ny farany havanana voaheloka vokatry ny fanafihana mpanao gazety tamin'ny 5 jolay
Mpikatroka miisa 20 avy amin'ny farany havanana no nohelohin'ny Fitsarana tao an-tanànan'i Tbilisi noho ireo fanafihana natao tamina 53 mpiasan'ny media sy olona hafa nandritra ilay Diabe tsy nahomby tao Tbilisi tamin'ny 5 Jolay 2021.
Tsiaron'ny fandosiran'ilay zazavavikely Tiorkmenistana iray nitady fampianarana
Raha maniry ny hianatra any ivelany, miatrika tsindry avy amin'ny fanjakana ireo ankizivavy Tiorkmena mandresy ny faneren'ny fianakaviana mba hanomezana tombony ny fianakaviana ka mamela ny fianarana.
Miteraka fanakianana ny fanentanana “Tsangambato Madio” ao Azerbaidjan
Nilaza ny Minisitry ny Kolontsaina fa fanomezana aina indray ireo tsangambato, ireo sarivongana, ary ireo sary sokitra an'ireo olo-malaza Azerbaijaney no tanjona amin'ilay tetikasa.
Shagz Chronicles: Ilay rakipeo Keniana izay maniry anao ho tia ny fiteny sy kolontsaina Kikuyu
Mitohy ho fanamby lehibe iray ny fandikàna ny fiteny Kikuyu. Maniry ny Shagz Chronicles mba hatao fenitra eo amin'ny fiainana andavanandro ny Kikuyu am-bava sy an-tsoratra, na amin'ny aterineto izany na any ivelany.
Tompon'andraikitra fast food japoney iray voaroaka rehefa niresaka “fampiankinan-doha ny tanoravavy amin'ny (zava-mahadomelina) meth”
Ny fanamarihan'(i) Ito dia ohatra iray monja amin'ny olana lalina fankahalana vehivavy mianjady amin'ny fiarahamonina Japoney.
Niteraka fihotsahan'ny tany sy tondra-drano mahafaty tao amin'ny Nosy Leyte ao Filipina ny tafiotra tropikaly Megi
Ankoatra ny fihotsahan'ny tany tao Leyte, niteraka tondra-drano tany amin'ny faritra hafa ao amin'ny Nosy Visayas ao afovoan'i Filipina ihany koa ny tafiotra tropikaly.
Manao hetsika ‘Akanjo Manga’ ireo mpikatroka ao Myanmar mba hanehoana firaisankina amin'ireo gadra politika
"Nijoro tamim-pahasahiana nanohitra ny fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila ireto mpikatroka ireto, saingy toa adinon’izao tontolo izao ny momba azy ireo."
Hiram-panoherana matanjaka ao Kenya sy Afrika Atsimo
Ao Kenya sy Afrika Atsimo, fitaovana tsy azo ialàna ireo hiram-panoherana ho an'ny tolom-panafahana
Nahitana karazan-dramanavy vaovao tao i Trinité sy Tobago tamin'ny Andron'ny Tany
Nahita karazana ramanavy vaovao tany Trinite sy Tobago ireo mpahay siansa, ka lasa mahatratra hatramin'ny 70 mampitolagaga ny karazan-dramanavy voarakitra ao an-toerana.
Fifehezana ny fakom-baovao : ny fomba nivadihan'ny lalàna momba ny fandisoana vaovao ho lasa fitaovana enti-manivana
Lasa fitaovana fanarahamaso, fampanginana sy fiadiana amin'ny mpanohitra, ampiasain'ireo mpanolotra volavolan-dalàna any amin'ny firenena sasantsasany ny hoe "fakom-baovao" sy "fandisoana vaovao".