Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Janoary, 2021
Drafitr'i Googla hametraka Cloud any Arabia Saodita, “zavadoza” hoy ireo vondrona mpiaro zo nomerika
"Miaraka amin'ny angondrakitra tahiriziny ao Arabia Saodita, kely ny zoro hahafahan'ny Google sy Snap hanohitra izay fangatahan'ny governemanta Saodiana hahazo ny torohay manokanan'ireo mpampiasa tambajotra"
Nahazo loka ara-kolontsaina lehibe ny Foibe ara-kolontsaina Fendika ao Addis Ababa
Tamin'ny volana desambra ny foibe ara-kolontsaina Fendika nahazo ny Loka Prince Claus ho fankatoavana ny asa tsy mitsahatra ao amin'ny kolontsaina sy fampandrosoana ao Addis Ababa, Ethiopia.
Nandresy tamin'ny safidin'ny olona tamin'ny loka Beazley Designs ny ‘Andohalambom-biriky’ nataon'ny mpanao fihetsiketsehan'i Hong Kong
Rafitra bitika nampiasain'ny mpanao fihetsiketsehana ao Hong Kong ho barazy hampihena ny hafainganam-pandehan'ny fiaran'ny polisy ny biriky mahazatra.
Tohanan'ny CARICOM i Goiàna amin'ilay ady sisintany ifanaovany amin'i Venezoelà
Ny 12 Janoary, nitondra ny fanohanany an'i Goiàna ireo filoha any Karaiba, Goiàna firenena mpikambana ao anatin'ny CARICOM izay toerana nanombohan'ilay orinasan-tsolika sy entona natoraly ExxonMobil ny dingam-pitrandrahany tamin'ny 2008.
Noho ny faritra iray fitrandrahana solika, mihamafy ny ady tany ifanaovan'i Goiàna sy Venezoelà
Taorian'ny nahitàn'i ExxonMobil tahirin-tsolika tao Goiàna, mihamafy ny ady sisintany efa an-jato taona ifanaovan'i Goiàna sy Venezoelà
Hetsi-panoherana manoloana ny setriny ataon'i Nepal amin'ny ady amin'ny COVID-19 ataon'ny tanoralahy iray
Natsangan'i Iih, Nepaley mpikatroka, ny hetsika ara-piarahamonina iray, ary nandeha 167 km izy hanintonana ny fifantohana amin'ny tsy fetezan'ny setriny ataon'i Nepal manoloana ny valan'aretina -- sy nanampy ireo izay niantraikàny mafy.
Nahoana aho no mety tsy hiverina any El Salvador.
'Salvadaoriàna efa ho 20 000 no maty nanomboka ny taona 2014 ka hatramin'ny 2017. Izany no fahafatesan'olona mahery setra indrindra noho ny tamin'ny firenena maro izay niady nandritra ireo taona ireo, toa an'i Libia, Somalia ary Okraina.'
Ny 29 Janoary, miaraha mivantana aminay amin'ny ‘The Milk Tea Alliance: Tolona iraisan'i Thailand, Taiwan sy Hong Kong hisian'ny demaokrasia’
Tongava hiaraka aminay ao anatin'ny adihevitra iray mavitribitrika momba ny fiantraikan'ny hetsika iraisan'ny firenena roa na vitsivitsy, itambaran'ireo firenena ao Azia mitolona hisian'ny demaokrasia
Tonga ao Trinidad & Tobago ilay sosona COVID-19 avy any amin'ny Fanjakana Mitambatra
Fitiliana antsoina hoe "genome sequencing testing" teo ambany fitarihan'ny Oniversiten'ny Antilles no nahatiliana ity karazana vaovao ity
Mandraisa anjara
Miankina amin'ny vondrom-piarahamoninay ny herinay. Mitondrà fiovana amin'ny fifanakalozan-kevitra manerantany amin'ny alalan'ny fanatevenan-daharana ny ekipanay ho mpandray anjara na mpandika teny an-tsitrapo. Raha fikambanana ianao dia manasa anao hiditra ho...