Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Jolay, 2021
India: Misaona an'i Dilip Kumar, ilay ‘mpanjakan'ny tantara mampitaintaina vokarin'ny Bollywood”
Dilip Kumar dia anisan'ireo mpilalao nalaza sy mpamokatra sarimihetsika tao anatin'ny indostrian'ny sarimihetsika indiana, niasa tamina sarimihetsika 60 mahery nandritra ny enimpolo taona mahery, ary marobe ireo misaona azy.
Mitaky ny fanivanan-tena avy amin'ireo sehatra media sosialy ny lalàna Rosianina vaovao
Mino ireo manampahaizana fa ny antony lehibe nahatonga an'io lalàna vaovao io dia ny fanirian'ny fanjakana hampihena ny tsy fankasitrahana sy ireo hetsika fanoherana mitombo ao amin'ny firenena.
Ny mampiavaka an'i LeRoy Clarke, mpanakanto kintan'i Trinidad & Tobago maty tamin'ity herinandro ity
"Ny kanto maha-LeRoy Clarke dia taranja iray, novolavolain'ilay mpanakanto iray naka aingampanahy no sady napararetran'ny fiarahamonina izay nanorotoro ny zavakantony tao anatin'ny fisiana."
Hidilyn Diaz, vehivavy filipiàna mpibata fonjamby tafiditra ao anatin'ny tantara raha nahazo ny medaly volamena Olaimpika ho an'i Filipina
"Vehivavy iray natsofoka tsy an-drariny ho ao anatin'ny lasitry ny zavamahadomelina no nandrombaka ny medaly volamena olaimpika voalohany ho an'i Filipina. Fifanandrifiana ve sa fambara? Vehivavy no olombelona mijoro farany indrindra."
Manao fanentanana ny governemanta ao Angôla mba hampiatoana ny fampiasana sterôida hanovàna ny vatana
Nandefa fanentanana iray hiadiana amin'ny fomba fanao iray mitera-doza antsoina hoe "Jarda" ny governemanta ao Angôla. Jarda, fomba fanao iray entina hanovàna faritra eo amin'ny vatana amin'ny alàlan'ny fitsindronana fanafody simika
Mihoatra lavitra noho ny fanalàna ny fahirano amerikàna no tadiavin'ireo Kiobàna
"Sahiko ny milaza fa miatrika ny olana ratsy indrindra tao anatin'ny tantarany i Kiobà izao, lasa olana amin'ny maha-olombelona tsy misy hafa amin'ilay nodiavin'i Venezoelà tato anatin'ny taona vitsivitsy."
Nandray ny toerany ny praiminisitra vehivavy voalohany ao Samoa telo volana taorian'ny nandavan'ny mpitondra teo aloha ny fahareseny
"Ny fitantanan-draharaham-pitondrako dia manolo-tena hamerina ity firenena ity amin'ny toerana nofinofisin'ireo razambentsika rehefa nisalotra ny fahaleovantena izy ireo 60 taona lasa izay."
Miverina indray ireo voromaherimpaty ao Pokhara
Na eo aza ny fihenan'ny isan'ny voromaherimpaty manerana an'i Azia Atsimo dia tafarina indray ireo vorona mpihaza tandindonin-doza any Nepal noho ny lalàna henjana kokoa sy ny tombokasa ataon'ny vondrom-piarahamonina.
Ao amin'ny renivohitr'i Azerbaijan, miditra amin'ny ady teknolojika ifanaovan'ny andian-taranaka tsy mitovy ireo mpamily fiarakaretsaka
Afgan, tahaka ireo hafa mpamily fiarakaretsaka hatrizay, dia sahirana mitolona mifaninana amin'ireo fampiharana vaovao natao ho an'ny fiarakaretsaka
Fibahanana fidirana : ny fatiantoka ara-tsosialy sy ara-toekarena ateraky ny fibahanana ny Twitter ao Nizerià
Noraisin'ny Filoha nizeriàna Buhari ho toy ny hetsika fankahalàna azy ny fanohanan'ny Twitter ireo hetsipanoherana #EndSARS tamin'ny 2020, sy ny namafàna ny bitsika nalefany,