Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Jolay, 2014
Nanambara Ny Fampahalalam-baovam-panjakana Ao Shina Fa Tsy Nandalo Fizahana Ireo Vary Novaina Zenetika Eny An-tsena
Nahita vary novaina zenetika namidy tao amin'ireo faritany atsimo roa ny CCTV, haino aman-jerim-panjakana ao Shina. Nilaza ny governemanta fa mbola tsy vita fizahana izany ary tsy ara-dalàna ny famarotana azy ireny eny an-tsena.
Nakaton'ny Manampahefana Ao Bangladesh Ny Trano Iasan'ny Mpivaro-tena Nijoro Efa Ho 200 Taona Izao, Mpivaro-tena An-jatony No Voaraoka Tamin'izany
Fanerena avy amin'ireo mpitarika fivavahana sy mpanao politika kaonservativa no antony ilazana fa mahatonga ny fanakatonana ny tranon'ny mpivaro-tena ao Bangladesh. Saingy niampanga ireo manampahefana ao an-toerana ho maka tany an-keriny kosa ny fikambanana nasionalin'ny mpivaro-tena ao Bangladesh.
Namoaka Lalàna Fanampenam-bava Ny Media Ny Fitondrana Miaramila Thailandey
Namoaka didim-panjakana vaovao mandràra ny media tsy hitati-baovao mitsikera ny governemantan'ny Fitondrana Miaramila thailandey. Navoakan'ny Filan-kevi-pirenena hoan'ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana tamin'ny 18 Jolay, fa mihatra amin'ireo karazana media rehetra, anisan'izany ny elektronika sy ny media sosialy ny didy.
Mikendry Ireo Pejy Facebook An'ny Mafana Fo ireo ‘Mpanarontsaron-kevitra’ Avy Amin'ny Governemanta Vietnamiana
Naato ny kaonty Facebook -n'ireo Vietnamiana mafana fo rehefa nahazoana tatitra ho nanararaotra, eritreretina fa nalefan'ireo antsoina hoe "mpanarontsaron-kevitra", mpanohana ny governemanta.
Niverenana Nodinihana Tampoka Ilay Didy Manome 4 Tapitrisa Robla Natao Hamahàna Ny Tor Ao Rosia
Naverin'ny Ministeran'ny Atitany ao Rosia nodinihana ny fomba fiteny ao anatin'ny didy iray manolotra 3,9 tapitrisa robla (manodidina ny 100.000 dolara amerikana) ho an'ny famokarana fomba hamakiana ny angon-drakitry ny mpampiasa aterineto ao anatn'ilay tambajotra tsy fitononana anarana Tor
Hisioka Hoan'ny Blaogeran'ny Zone9 Ao Ethiopia Izao Tontolo Izao Amin'ny 31 Jolay
Join Global Voices bloggers for a worldwide, multilingual tweetathon in support of the ten bloggers and journalists facing terrorism charges in Ethiopia.
Los Inespertos: Mikaroka Vaovao Avy Eny An'arabe
Miditra amin'ny fampiharana ny zavatra nianarany momba ny podcast ny Los Inespertos, mpandray anjara avy amin'ny Radio Los Inestables, nahazo famatsiana tamin'ny Rising Voices, tamin'ny firotsahany an-dalambe nanangona ny feon'ireo mpanao hetsi-panoherana tao Córdoba, Arzantina.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...