Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Marsa, 2021

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Marsa, 2021

Ao Azerbaidjana, nandrehitra indray ny resaka momba ny herisetra an-tokantrano ny nahafatesan'ny vehivavy tanora iray

Ao Azerbaidjana, ny tantaran'i Sevil dia akon'ireo herisetra ara-batàna sy ara-tsaina zakain'ireo vehivavy noho ny ataon'ireo olona iarahany monina, na ireo hafa mpikambana ao anatin'ny fianakaviany ihany.

Niantso ny hanaovana fifidianana mialoha amin'ny volana Jona mba hanamaivanana ny krizy ny Praiminisitra Armeniana 

Notakiana imbetsaka ny filoham-pirenena hametra-pialana nanomboka ny volana Novambra rehefa nanao sonia fifanarahana fandriampahalemana namarana ny ady tamin'i Haut-Karabakh izay naharitra enina herinandro, izay nolazain'ny Armeniana maro fa tsy mifandanja satria manome tombony an'i Azerbaijan.

Taratasim-baovaon'ny RV: Nahazo loka iraisam-pirenena ny Activismo Lenguas noho ny famelomana indray ny tenindrazana.

Ny taratasim-baovaon'ny Rising Voices dia manome ireo rohy mankany amin'ireo zavatra azo araraotina mifandraika amin'ny fampiatiana nomerika, isan'izany ny fahafahana miditra sy ny fandraisana ireo fitaovana dizitaly, ary hatramin'ireo fomba maro isan-karazany ahafahan'ireo mpiaramonina handray anjara feno anaty aterineto.

Atolotry ny Diabe Aurat 2021 ny manifesto fikarakarana ara-pahasalamana feminista ao Pakistan

Nitaky ny hampiakaran'ny  governemanta ny tetibola ara-pahasalamana ho 5 isan-jaton'ny harinkarena faobe mba hisitrahan'ny vehivavy fikarakarana ara-pitsaboana tsara kokoa ny mpanao diabe rehefa nilaza izy ireo fa nahatonga ny "Valan'aretin'ny Fanjakazakan-dehilahy" ny COVID-19.

Fanampiana noho ny maha-olona ao Siria: Fotoana izao ialàna amin'ny fiankinandoha ka hizorana ho amin'ny fandaharanasa maharitra

Nolavin'i Etazonia sy ireo mpiaradia taminy tsy hiditra amin'ny fanarenana satria hoe mety hiafara eny an-tànan'ny governemanta siriàna teo ambany fitarihan'i Bashar al-Assad.

Nandritra ny Andro Erantany ho an'ny Vehivavy, nisafidy hiatrika ny herisetra atao noho ny maha-lahy na maha-vavy ireo teratany ao Trinidad & Tobago (#ChooseToChallenge)

Taorian'ireo vono olona roa ireo, nanandra-peo ry zareo Trinbagoniana ny amin'ny tokony hisian'ny dingana mazava atao hiarovana ny vehivavy.

Mahatonga an'i Karaiba hirehareha ny Google Doodle-n'ny Sir Arthur Lewis, ekonomista sy efa nahazo ny loka Nobel

Nomena ny lokam-pahatsiarovana Nobel amin'ny toekarena ity mpahay toekarena teraka St Lucian, izay fantatra amin'ny "maodely Lewis" amin'ny fampandrosoana ara-toekarena ity, tamin'ny taona 1979.

Nampitandrina ny mpitsikera fa mety hanimba ny demokrasia ny hamehana ara-pahasalamana any Malezia

"Tsy tokony horaisina ho fahavalo sy hifanehitra amin'ny miaramila ny olon-tsotra."

Samborina ireo mafana fo noho ny lahatsoratra anaty tambazotran-tserasera mitsikera ireo tetikasa mety hanimba ny lemak'i Dhofar ao Oman

Nampiasain'ireo mafana fo sy mpiaro ny tontolo iainana ny sehatra filazambaovao sosialy hanakianana ny fanapahankevitry ny governemanta Omani momba ny fanomezany fahazoandalana hanorina trano eo amin'ny lemak'i Dhofar, izay mety handrahona ireo mpiandry rameva sy ny fomba fiaina nentim-paharazana izay efa nisy an-jato taona maro

Noraràn'ny Pakistan fanindroany ny TikTok

Nobahanana nandritra ny 10 andro ny TikTok tamin'ny Oktobra 2020. Naverina ny fidirana taminy rehefa nanome toky ny manampahefana ny orinasa renin'ny fampiasa ByteDance fa homena vahana ny fanalefahana.