Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Aogositra, 2010
Filipina: “Hong Kong, mifona izahay tamin'ny zava-nitranga”
Ny fangalana ireo takalon'aina avy any Hong Kong tany Manila tamin'ny Alatsinainy lasa teo, izay nampifoha ny fahasorenana maneran-tany mikasika ny fandatsahan-drà, dia nahatonga ireo Filipiana hiala tsiny tamin'ny alalan'ny pejy tao amin'ny Facebook.
Japana: Ny hafatra farany napetraky ny mpandrindra Sarimihetsika Japoney Satoshi Kon
nodimandry noho ny homamiadan'ny sarakaty ny mpandrindra Sarimihetsika Japoney Satoshi Kon tamin'ny 24 Aogositra, teo amin'ny faha 46 taonany. Ny hafatra farany napetrak'i Kon izay nivoaka tao amin'ny vohikala ofisialiny dia nanako tamin'ireo mpankafy eran-tany izay malahelo ny fahalasany.
Etazonia: Miblaogy momba ny fandaharam-pianarana “Asa sy Fitetezam-paritra” ireo mpianatra miteny Rosiana

Isaky ny faharavatra, an'arivony ireo mpianatry ny kolejy avy any Rosia, Ukraine ary ireo firenena hafa Soviety taloha no tonga any Etazonia mba handray anjara amin'ny fandaharam-pianaranan'i Etazonia momba ny Asa sy Fitetezan-tany [EN]. Maro ireo manoratra blaogy momba ireo zava-niainany sy ireo heviny.
Sina: Nivoaka ny fonja i Fan Yanqiong, “Fujian” ao amin'ny aterineto
Ny farany tamin'ireo "Fujian" 3 ao amin'ny aterineto mbola voatana antrano maizina, Fan Yanqiong, dia nivoaka androany "on medical parole" taorian'ny taona iray nanefainy ny helony. Jereo ny fanadihadihana vaovao nataon'i He Yang mikasika ny tantarany, tahaka izany koa ireo vahoaka ao amin'ny aterineto You Jingyou sy Wu Huaying, etsy ambony.
Jordania: Mibanjina anao i Big Brother!
Nifoha tampoka ny vondron'olona Jordaniana mpampiasa aterineto rehefa nipotra ireo vaovao mikasika ny fanasaziana an'Imad Al-Ash an-tranomaizina mandritra ny roa taona - noho ny faniratsirany ny mpanjaka Jordaniana tao anatina hafatra enoho eo (IM) nalefany tamin'ny namany iray. Manana ny ambarany ireo mpitoraka blaogy eto.
Maraoka: “Ny fotoam-pialan-tsasatro miaraka amin'ny boky”
Ao anatin'ny tontolo rakotry ny teknolojia mivoatra, sy toerana ahitana fa mihamora ny famakiana e-boky sy ireo pilina ary miha-mora hatrany isan'andro ny fidiran'ny vahoaka aminy, mety mbola hisy toerana tavela ve ao amin'izany ho an'ireo boky nosoratana fahiny? Ho an'ireo mpitoraka bilaogy Maraokana sasany, ny valinteny dia eny, ary eo ny teknolojia hanaporofo fa marina izany
Maraoka: Fihaviana sy Fanavakavaham-bolon-koditra
Maraoka, fihaonan-dalan'ny tontolo Atsinanana sy Andrefana, ny tontolo Eoropa sy ny tontolo Arabo hatry ny ela dia firenena ahitana fahasamihafana amin'ny lafiny maro, ary mihoatra noho izany aza, mahazaka ny...