Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Novambra, 2022
Fasana marivo tototra: mamono tsikelikely an'i Navalny, ilay tena mpitarika ny fanoherana, ny jadona ampiharin'i Poutine
Tafavoaka velona tamin'ny fikasana hamono azy i Alexey Navalny,, ilay Rosiana mpanohitra sy tena mpanakiana an'i Putin sady mpitarika ny mpanohitra, saingy ankehitriny dia vonoin'ny fitondràna tsikelikely amin'ny alàlan'ny fanamafisana ny fepetra fitànanana azy ao am-ponja.
Bangladesh : Tompondaka Erantany FIFA, Fahatsiarovana ny fahiny
(May 2010) Hanomboka ny lalao fiadiana izay ho Tompondaka Erantany FIFA 2010. Raha efa maresaka erantany ny momba azy, dia ireo tany alohany kosa no tanisain'ireo bilaogera vitsivitsy avy ao Bangladesh ato
33 taona lasa izay no nanomboka teny an-dalamben'i Prague ny Revolisiona Volory
33 taona taorian'ny revolisiona volorin'i Novambra 1989 izay namarana ny Komonisma tao Czechoslovakia, miara-mahatsiaro ny nanombohan'ny mpianatra hetsi-panoherana izay namadika ny pejin'ny tantara ny [eny] an-dalamben'i Prague.
Nanjohy ny fibitabitahan'ny Fiadiana izay ho Tompondaka Erantany 2022 koa ry zareo Bangladeshis, saingy somary nanahirana kely ny tamin'ity taona ity
Raha eo am-piaingàna ny Fiadiana ny ho Tompondaka Erantany FIFA 2022, i Bangladesh kosa tratry ny tazon'ny baolina kitra, toy ny isaky ny efatra taona.
Fantaro i Ophélie Guenaud, mpandika teny Lingua Frantsay
"Ny fahafahana misafidy malalaka ireo tantara mahaliana sy miresaka lohahevitra mahaliana no mandrisika ahy handika teny ho an'ny GV..."
Tiorkia: Ny fisandratana sy ny firodanan'ny Clubhouse
Taorian'ny volana vitsivitsy nampalaza azy teny anivon'ireo mpianatra sy mpikatroka, niditra ao amin'ilay fampiharana koa izao ireo mpomba an'i Erdoğan.
Mitady Tonia hitarika ny fanangonam-baovao Okraina ny Global Voices
Mpanoratra sady tonian-dahatsoratra manana fahatakarana lalina sy fahalianana momba ny lafiny rehetra ao Okraina ve ianao? Mientanentana ve ianao amin'ny famolavolana hevitra ho tantara, ranty media sosialy, ary famoahana...
Folo volana aty aoriana, tsy mbola misokatra ny fanadihadiana ao El Salvador momba ilay rindrambaiko fitsikilovana “Pegasus”
Fampiasàna ny Pegasus, rindrambaiko fitsikilovan, maneho endrika raho-mitatao goavana ho an'ny fahalalahana maneho hevitra, ny zo nomerika ary fanamby iray goavana amin'ny fanaovana fanadihadiana ny firafitry ny tsy refesimandidy ao Salvador.
Mety hibosesika ny sioka: Todika momba ny fangatahana fanesoram-botoaty ao India
Mampametra-panontaniana momba ny fitsinjaram-pahefana sy ny hery ny fifanolanana eo amin'ireo goavan'ny media sosialy, ny governemanta ary ny olom-pirenena. Niezaka nanilika amin'ny hafa mba hampandrosoana ny tombontsoany ny mpandray anjara tsirairay.
Noroahina avy any Moskoa ho any Moldova misy diam-bono ilay TikToker Nekoglai
“Mihamaro hatrany ny fampiasan'ny polisy Rosiana io fombafomba fanamelohana sy manala-baraka io” mba hanehoana ampahibemaso ny “fanenenana” sy ny fampitahorana ireo mpanao fihetsiketsehana.