Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Mey, 2011
Brezila: Saripika avy amin'ny kiendiendim-panoheran'ny “Olona Samihafa”
Tsy fantatra tsara aloha raha ho tontosa ihany na tsia ny fananganana ny garan'ny lalamby ambanin'ny tany ao Higienópolis na tsia taorian'ny fihetsiketsehana kiendiendy na tsia, fa niteraka famoronan-javatra isan-karazany tamin'ny mpisera aterineto izany. Jereo ao amin'ity lahatsoratra ity ny sary sy lahatsary tsara indrindra notsongaina avy amin'ilay kiendiendy goavana.
Meksika: Miara-mihira amin'ny mpianatra nandritra ny fifampitifirana
Niely haingana dia haingana amin'ny firenena mpiteny espaniola ny lahatsary YouTube iray mampiseho mpampianatra garabola iray miara-mihira amin'ny mpianany hampitony ny ankizy nandritra ny fifampitifirana iray tany Monterrey, Meksika.
Ejipta: Voasazy handoa onitra noho ny fanakanana ny aterineto nandritra ny Revolisiona i Mubarak
Voasazin'ny fitsarana ejipsiana handoa onitra 540 tapitrisa livra ejipsiana (90 tapitrisa dolara amerikana) noho ny fanapahana ny aterineto sy ny finday nandritra ny revolisiona nanaisotra azy ny filoha voaongana Ejipsiana...
Ségou Village Connection: Aterineto Finday Mampifandray Olona

Tsotra ny tanjon'ny tetikasa Ségou Village Connection ao Mali, iray amin'ireo tetikasa nahazo ny famatsiam-bola avy amin'ny Rising Voices: mampifandray ny mponina ambanivohitra sy ny mponina an-tanan-dehibe ao Mali amin'ny alalan'ny finday...
Arabia Saodita: vehivavy iray nosamborina satria nitondra fiara
Herinandro lasa izay, renim-pianakaviana saodiana iray nitondra ny fiarany nandeha nanatitra ny zanany tany an-tsekoly any Jeddah. Tamin'ny 22 may 2011, vehivavy Saodiana iray hafa, Manal Al-Sharif, nitondra fiara koa...
Japana: Ampio ireo izay manampy
Roa volana izay no lasa taorian'ilay horohorontany sy tsunami tao Japana. Afaka manohy ny fiainany ara-dalàna ireo izay tsy tratran'ny horohorontany mivantana, olona eo amin'ny 110 000 no mbola mialokaloka...
Teknolojia ho amin'ny fangaraharana: Tatitra farany
Faly ny Tambajotran'ny teknolojian'ny fangaraharana fa mivoaka izao ny tatitra farany , Sarintanin'izao tontolo izao momba ny fampiasana ny teknolojian'ny fangaraharana sy ny asa madio. Vao navoakan'ny Transparency and Accountability...
Iran: “Eny rehetra eny izahay” fanentanana hanoherana ny tsy fankasitrahana pelaka
Arsham Parsi no mpanorina ny Fikambanan'ny Pelaka Iraniana manana ny foibeny any Toronto, Canada. Tamin'ny 2008, niteny tao amin'ny Global Voices izy fa “fanomezana tsara ho azy ireo ny aterineto.” Tamin'ity taona...
Pakistana : Fipoahana nisesisesy tao amin'ny tobin'ny tafika tao Karachi
Re izao fa nisy ny fipoahana nisesisesy tao amin'ny Tobin'ny seranan'ny tafika an-dranomasina tao Pakistana ao Karachi, teo amin'ny manodidina ny amin'ny 11 ora alinateo ny 22 mey 2011. Ny P.N.S....
Malezia: siokantsera momba ilay mpanondraka asidra
Nirotsaka nanerana ny valan-tserasera tany Malezia izao hafatra izao andro maromaro lasa izay: @MelordeLicious: RT @DianaDanielleB: “@nourishamy: Acid splasher on the run,plate no : MAC1841 n WPV4963…ALERT!!! Spread this msg.....