Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Febroary, 2022
Mivondrona ho fanohanana an'i Okraina ny Zeorziana raha sahirana hamaly ny solombavambahoaka
Olona an'aliny no nidina an-dalambe tao an-drenivohitra Zeorziana, Tbilisi mba hanameloka ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina.
#helloTürkiye — Andrana farany indrindra nataon'i Tiorkia hanovana ny anarany
Fampielezankevitra natao taorian'ny 4 Desambra 2021 nanasoniavana ny teny miampita avy amin'ny fitondràna, mitaky ny hampiasàna ny hoe "Türkiye" fa tsy "Turkey" any anatin'ireo taratasim-pifandraisana rehetra ifanaovana amin'ireo firenena, andrimpanjakana ary fikambanana hafa.
Fihetsika tsy nampoizina tao Prague taorian'ny fananihambohitra rosiàna tao Okraina
Somary tsy nampoizina, nanova ny fomba fijery an'i Maosko nananan'ilay nafàna fo faran'izay nahataona indrindra tao amin'ny Repoblika Tseky ny fananihambohitra nataon'i Rosia: ny filoha Zeman, izay vao avy nanondro ho "heloka bevava" ny fihetsika nataon'i Maosko.
Niray hina amin'ilay mpanao gazety Papoazia-Neo-Ginea naato amin'ny asany ireo vondrona media ao Pasifika
Naato tamin'ny asany i Sincha Dimara noho ny tatitra nataony momba ny raharaham-pitsarana nitoriana ilay tompona hotely Aostraliana Jamie Pang. Efa niatrika fanakianana ny MLN taloha noho ny fampiatoana sy fampanginana mpanao gazety.
Tsy tsotra toy ny tsinaim-balala ny lahateny Rosiana momba ny ady ao Okraina
Na dia toa maneho ny fomba fiteny rosiana aza ny feon'i Putin dia miteny ho an'ny tenany ihany izy. Miovaova be ny fomba fijerin'ny Rosiana momba ny zava-misy ao Okraina sy ny fanafihana ara-tafika ataon'i Rosia.
Tao Azerbaijan, ankona ny maro nahita ny horonantsary hafahafa nataon'ny depiote namaky poezia sady nihazona dinôzôro teny an-tanany
Nitety media sosialy sy famoaham-baovao ao an-toerana ny video iray mampiseho ilay mpikamban'ny parlemanta 66 taona mamaky poezia sady mitana dinôzôro plastika eny an-tanany..
Mpanao gazety sady mpikatroka pelaka Azerbaijani nisy namono
Niteraka hatezeram-bahoaka tao amin'ny sehatry ny tambajotra sosialy i Hafizli, ka maro ireo mpikatroka nitsikera ny tantaran'ny tsy fandraisana andraikitra tao Azerbaijan rehefa miresaka momba ny heloka bevava amin’ny fankahalana, indrindra indrindra. ireo mikendry vondrona voahilikilika ao amin'ny firenena.
Tsy andrenesana feo momba ny olana ao Okraina i Azerbaijàna, mitsidika an'i Maosko ny Filoha Aliyev
Raha ny ankamaroan'ireo firenena tandrefana manameloka ny fanapahankevitr'i Poutine hankatoa ny fahaleovantenan'ireo faritra roa nisintaka tamin'i Okraina, ny governemanta mitondra ny ao Azerbaikàna kosa tsy andrenesana feo
Sambany nisy tamin'ny teny Aymara ny fampiharana fiarovana ankihy noho ny asan'ireo mpikatroka fiteny Boliviana
"Aminay, ny fiteny no mari-panondroanay. Raha very ny fiteninay, dia very ny fomba amam-panaonay, ny kolontsainay, ny tantaranay, ny fahalalan'ny razanay -- very ny zava-drehetra."
Nanao fihetsiketsehana ireo mpandeha tafahitsoka tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Istanbul
Videos of passengers demanding accommodation made rounds on Twitter after thousands of travellers were stranded at the new Istanbul airport as a result of bad weather conditions and cancelled flights. Nivezivezy tao amin'ny Twitter ny lahatsarin'ny mpandeha nitaky toerana hitobiana taorian'ny mpandeha an'arivony tafahitsoka tao amin'ny seranam-piaramanidina vaovaon’i Istanbul noho ny toetr'andro ratsy sy ny fanafoanana ny sidina.