· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Jolay, 2018

Bahrain: Marobe ireo tranonkala voakatona

Marobe ireo tranonkala nakatona tao Bahrain taorian'ny famoretana vaovao nataon'ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao. Nahantonga ireo  tranonkala tahaka ny Google Translate sy ny tranonkala ara-tsosialy, ara-pivavahana, momba ny zon'olombelona sy ny vondrona ara-politika ho tsy azon'ny olona nidirana tao Bahrain intsony ny fanakatonana farany. 

[Lahatsary] Antsafa niarahana tamin'i Kwanele Butana avy ao amin'ny Grocott's Mail

Rising Voices  28 Jolay 2018

Mpandrindra ny fandaharanasan'ny asa fanaovan-gazetin'ny olon-tsotra ao amin'ny gazety Grocott's Mail ao Grahamstown, Afrika Atsimo i Kwanele Butana. Tetikasa "The News is Coming" naorin'ny Knight News Challenge ny fandaharanasa. Ato amin'ny lahatsary, manoritsoritra ny maha-zava-dehibe ho an'ny mpanao gazety olon-tsotra ny fanoratana momba ny vodrom-piarahamoniny ao an-toerana i Kwanele.

Mozika sy dihy Porro any La Loma, Kolombia

Rising Voices  28 Jolay 2018

Catalina Restrepo avy ao amin'ny tetikasa HiperBarrio ao La Loma, tanànakely misy havoana any ambanivohitr'i Medellín, Kolombia, dia namokatra ity horonantsary ity hanehoana ny maha-zava-dehibe na mozika porro ao amin'ny vondrom-piarahamoniny.

Kenya : Ny 4×4 ampiasain'ireo mpiasan'ny ONU

  27 Jolay 2018

Mahatezitra blaogera sasany ny fampiasan'ny mpiasan'ny ONU fiara 4x4. Mizara sary mikasika izany izy ireo ao amin'ny blaoginy, ary namorona vondrona mihitsy aza tao amin'ny Flickr, "Kick The Habit" [amin'ny teny anglisy].