Tendrontany Atsimo: blaogy hafa avy any amin'ny faritra mangatsiaka indrindra

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2009)

Fanamarihana amin'ny mpamoaka lahatsoratra: lahatsoratra faharoa amina andininy anankiroa tamin'ireo blaogy nosoratana hatramin'izay ity, na mikasika ny Tendrontany Atsimo nosoratanà Latino Amerikana.

Ny tontolo mangatsiaka ao amin'ny Tendrontany Atsimo no toerana farany indrindra eritreretina hahitana blaogera. Kanefa, nisy Latino Amerikana vitsivitsy naniry ny hizara ny traikefany tamin'ny diany na ny asany ao amin'ity kaontinanta fadiranovana ity. Manoratra mivanta avy ao amin'ny Tendrontany Atsimo ny sasany, mizara sary sy lahatsary ahafahan'ny mpamaky mahatsapa izany hoe lavitra ny tranon'ny tena izany, raha toa ka miandry ny fiverenany any Amerika Atsimo kosa ny sasany vao haneho ny heviny ao amin'ny blaogy manokana na iombonana.

Ao anatin'ny andiany voalohany amin'ity andian-dahatsoratra ity ny famintinana ny fisiana firenena hafa.

Avy ao Arzantina, manisa ireo andro hatramin'ny fiaingan'ilay iraka vaovao mankany amin'ilay kaontinanta mivaingana ny blaogy Antarctic Open Expedition (amin'ny teny espaniola). Manoratra tamin'ny andro niaingany i Juan Kestelbolm:

hoy es quizás el día más importante de mi vida. Hace tres noches que no duermo, son las 3.45 de la mañana y en 45 minutos estaré en la puerta de la Dirección Nacional del Antártico para subir a un autobús con rumbo al aeropuerto militar de El Palomar. Allí me encontraré con Mariano Rabinstein, mi amigo de toda la vida con el que planeamos esto hace 12 meses.

Si todo sale bien, subiremos a un avión Hércules que en seis horas lllegará a Ushuaia. De la pista de aterrizaje, algún vehículo nos trasladará al ARA Canal de Beagle, un barco de carga de 120 metros de eslora y 17 de manga preparado para abastecer las bases antárticas argentinas. Pasaremos dos días entre olas de 10 metros y pastillas para el mareo antes de ver los primeros témpanos y a las personas que viven junto a ellos.

Mety ho androany angamba no andro lehibe indrindra eo amin'ny fiainako. Tsy natory nandritra ny alina telo aho, amin'ny 3h45 maraina izao ary afaka 45 minitra dia ho eo alohan'ny Birao Nasionalin'ny Tendrontany Atsimo mba haka fiara fitaterana mankany amin'ny seranam-piaramanidina El Palomar. Hahita an'i Mariano Rabinstein any aho, ilay namako hatrizay, izay iarahako mikarakara izao efa herintaona izay.

Raha mandeha tsara avokoa ny rehetra, hiakatra anatina fiaramanidina Hercules izay hitondra anay mandritra ora enina ho any Ushuaia izahay. Avy ao amin'ny toerana fidinana, hisy fiara iray hitondra anay mankany amin'ny  ARA Canal de Beaglen, sambo cargo 120 metatra ny halavany ary 17 metatra ny sakany, izay hamatsy ireo toby antarktikan'i Arzantina, ny fiara tsy fantatra endrika. Handalo onja manana haavo 10 metatra izahay mandritra ny roa andro, miaraka amin'ny pilina hiadiana amin'ny tsy fahazakana ranomasina, mialohan'ny hahitana ireo vaigan-dranomandry voalohany sy ireo olona mipetraka eo akaikiny.

Mitoraka blaogy mivantana avy ao amin'ny toby siantifika San Martin (espaniola) ny blaogera arzantina Blinx ary misy webcam mandeha mivantana ihany koa ao amin'ilay tranonkala. Naka ity lahatsary nohafainganina ity koa izy:

Fanafainganana Novambra – Desambra an'i blinx ao amin'ny Vimeo.

Ahitana lahatsoratra fampianarana maro ao amin'ny blaogy Antarjub – Base Jubany – Antártida [espaniola], tantanin'i Richard Javier Ortiz, izay mikasika ny famaritana ny toetrandro ny iray :

El Clima tiene varias características, es húmedo por la cercanía con el mar, ya que es una isla y la Base está sobre la costa.También es muy ventoso, las precipitaciones son escasas en forma de llovizna, pero abundantes en nevada sobre todo en epoca invernal. No se producen tormentas eléctricas, ya que no llegan las corrientes cálidas hasta esta latitud. Si existe la llamada ventizca que son fuertes ráfagas de viento con precipitación de nieve, dando como resultado la visibilidad casi nula en reiteradas oportunidades y hasta serias dificultades para deambular. La temperatura en el verano, suele estar en el rango de -10 a +7 con registros mínimo de -17 y máximo 10 en ocaciones. En Invierno la mínima puede llegar holgadamente a los -30 y la máxima apenas llega a una cifra (+7). En cuanto al viento, es muy común en esta zona, al punto de considerar un buen día cuando sólo hay 20 o 30 Km/h pudiendo llegar sobre todo en invierno a los 170 Km/h, velocidad ésta que dificulta mucho caminar, y si a esto le sumamos la inestabilidad debido al hielo del suelo, resulta peligroso andar a la intemperie.

Manana ny mampiavaka aza isankarazany ny toetrandro, mando noho ny fanakaikezany ny ranomasina, satria nosy izany ary eo amorontsiraka ny Toby. Tena mandrivotra be koa, zara raha misy orana, amin'ny endrika erika, fa maro be ny orampanala, indrindra mandritra ny ririnina.Tsy misy tafio-drivotra mitondra herinaratra, satria tsy mahatratra izany haavo izany ny rivotra mafana. Na izany aza, misy ny antsoina hoe «ventizca», tafio-drivotra arahina firotsahan'ny orampanala izy ireo, izay mahatonga ny fahitana ho saika tsy misy mihitsy ary mahasarotra ny fihetsehana. Mety mifindrafindra eo amin'ny -10  sy +7° C eo ny hafanana mandritra ny fahavaratra miaraka amin'ny – 17 no faran'ny ambany indrindra ary hatramin'ny 10 arakaraky ny fotoana. Mandritra ny ririnina, mety milatsaka hatrany amin'ny -30 ary +7 ° C eo fotsiny raha misy ny hafanana. Raha ny mikasika ny rivotra kosa indray, tena matetika be any amin'ireo faritra ireo, ka mahatonga ny fiheverana hoe tsara ny andro iray rehefa tsy mihoatra ny 20 ka hatramin'ny 30 km/h, ary mandritra ny ririnina, mety ho tonga hatramin'ny 170 km/h ny rivotra, hafaingana izay sarotra andehanana, raha ampiana ny tsy fahamarinan-toeran'ireo vaingana  ranomandry mandrakotra ny tany, tena zava-doza noho izany ny fivoahana mandritra ny andro ratsy.

Misy blaogy misy sary mahaliana koa, toy ny Fresco pa’ chomba! [es]  sy ny Lince Bajo Cero [es] . Manoratra ao amin'ny El Grillo Loco Desde La Base Antártica [es]  ny blaogera arzantina hafa iray, ary mamaritra ny anjara asan'ireo alikan'ny tendrontanin'i Arzantina izy:

Traidos por el General Pujato (fundador de la base) en 1950, originarios de Alaska y Canada. Han sido imprescindibles para las penetraciones polares del Ejercito Argentino. Cada año se fueron multiplicando y cruzando, hasta conformar una raza robusta y resistente de mayor porte y peso que sus padres originales. Simpáticos y dóciles, amigos incondicionales de los hombres, eran sumamente agresivos entre si, llegando a consumar peleas a muerte. Con increíble sensibilidad e instinto para detectar grietas, poseían capacidad para alertar infaliblemente situaciones de peligro. transportar trineos de carga incansablemente y encontrar caminos con rastros imperceptibles. La protección del medio ambiente antártico determino su triste ausencia hace poco mas de una década. Viejos antárticos atesoran el recuerdo de imágenes y emociones que solo pudieron ser, gracias al fiel servicio de los PERROS POLARES ARGENTINOS.

Noentin'ny jeneraly Pujato (mpamorona ilay toby) tamin'ny 1950, avy ao Alaska sy Kanada. Tena nilaina nandritra ny fidirana tany an-tendrontany nataon'ny tafika arzantina izy ireo. Nitombo isantaona ireo ary niray mandra-pahaforony taranaka mahery sy mahatohitra tsara, izay manana habe sy lanja lehibe lavitra noho ny an'ireo razambeny teo aloha. Tsara fanahy sy mora mankato, namana tsy misy fepetra an'ny olombelona, nasiaka tamin'ireo mitovy aminy ary tonga hatramin'ny fiadiana mandra-pahafaty mihitsy aza izy ireo. Noho ny fahamora-mandray sy ny toetra voajanahary ananany amin'ny fitiliana ireo tsefaka, ananan-dry zareo fahafahana mahagaga hampilaza manoloana ireo trangan-javatra mampidi-doza, hitondra tsy reraka ireo kalesin-dranomandry misy entana, ary hahita ireo làlana izay tsy hita faritra. Nahatonga ny tsy fisian'izy ireo mampalahelo, efa ho folo taona mahery izay, ny fiarovana ny tontolo iainana. Nangonin'ireo bekotro maro hoatry ny tendrontany atsimo ireo fahatsiarovana an-tsary sy fihetsehampo. Izy ireo noho ny fanampiana nomen'ireo ALIKA AN-TENDRONTANY ATSIMON'I ARZANTINA azy no mbola nahavelona azy ireo, .

Na dia tsy miisa afa-tsy olona iray aza ny mponina ao amin'ny tendrontany Atsimo, mbola maro ireo mivahiny any mandritra ny volana maro misesy, ary manome fahafahana hahazo izay mandrafitra ny fiainana any amin'ireny toby siantifika ireny ireo blaogy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.