Kenya : Ny 4×4 ampiasain'ireo mpiasan'ny ONU

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 2008)

Mahatezitra blaogera sasany ny fampiasan'ny mpiasan'ny ONU fiara 4×4. Mizara sary mikasika izany izy ireo ao amin'ny blaoginy, ary namorona vondrona mihitsy aza tao amin'ny Flickr, “Kick The Habit” [amin'ny teny anglisy]. Nindramin'izy ireo tamina fampielezankevitra iray [amin'ny teny anglisy] tamin'ny volana jona 2008 nataon'ny PNUE (Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana ho an'ny Tontolo Iainana), tamin'ny jona 2008  ilay lohatenin'ity fitambarana sary ity [izay afaka adika hoe : ”avelao ny fahazaran-dratsy”], izay nankahery ”ireo fanjakana, ireo orinasa sy ireo vondrom-bahoaka” hampihena ny famokarany CO2.

Namorona ity vondrona Flickr ity ny mpanoratra ny blaogy Sukuma Kenya [amin'ny teny anglisy] taorian'ny nahatongavany saina fa 4×4 avokoa ny maro tamin'ireo fiaran'ny ONU tao Nairobi, ary tsy milaza ny fomba fampihenany ny famoahany karibôna ny PNUE anefa izy mangataka ny olona ”hamela ny fahazaran-dratsiny” momba izany.

Ny 27 Oktrobra 2008, tsikaritr'ilay mpanao gazety sady blaogera Nick Wadhams [amin'ny teny anglisy] ny fiara Humvee mavo miaraka amin'ny takelaka famantaran'ny Firenena Mikambana, nizarainy ny sariny tao amin'ny blaoginy, ary nanehoany hevitra  ny fampifandraisana izany tamina tantara ratsy vao haingana momba ny fanjifan'ny Firenena Mikambana :

Mahagaga ve ny mamaky ity lahatsoratra ity tao amin'ny gazety Daily Nation  [amin'ny teny anglisy] tamin'ny 25 Oktrobra 2007 : ”Mety ho very 10 miliara shillings kenyana ny biraon'ny Firenena Mikambana ao Nairobi [100 tapitrisa eoro] tamin'ny fividianana sy ireo tantara ratsy momba ny fitantanana nandritra izay telo taona lasa izay, araka ny tatitra anatiny”.

Tena mampalahelo izany, saingy nahazatra izany karazan-javatra izany tamin'ny fotoana nandrakofako ny Firenena Mikambana. Angamba ampiasaina ividianana fiara Humvees mavo toa akondro avokoa izany vola rehetra izany.

Ny 5 novambra 2008, nizara lahatsoratra vaovao [amin'ny teny anglisy] momba izany lohahevitra izany i Nick, manamarina fa tena an'ny mpiasan'ny ONU, i Charles, marina ilay fiara Humvee mavo, ary nampiany hoe:

Teny Fanampiny: Namily teny amin'ny lalan'i James Gichuru Road aho tamin'iny andro iny, tam-piakarana ny sisiny rehefa manatona ny Wayaki Way, dia inona no hitako mirimorimo nifanena tamiko? Hainao, ilay Humvee mavo ngeza be ! Tena zara raha nisy fotoana nijerena ny mpamily azy aho (ialahy ve iny ry Charles?), ary nieritreritra ny hiverin-dalana mba hanaraka azy. fa nisy mpandeha roa hafa niaraka tamiko, izay ny iray zazakely vao valo volana ary tsy faly ny ho tara 45 minitra amin'ny fety fankalazàna tsingerintaona. Amin'ny manaraka Charles ah! Amin'ny manaraka!

Teny Fanampiny hafa: Mba hijanonana ao anatin'ireo fanambarana, mila manampy aho fa mamily Pajero Mitsubishi modely 1989, izay, tsoriko, fa mety mandany solika bebe kokoa noho ilay Humvee an'i Charles. Amin'izao fotoana izao, misy olana ilay paompy fampidirana, ary manary setroka mainty be ilay fiara. Miezaka ny manamboatra azy aho eh !

Maneho hevitra momba ity lahatsoratra ity, manaiky ilay blaogera Baba Mzungu [amin'ny teny anglisy] fa matetika mampiasa 4×4 ireo ONG rehefa midina any amin'ny faritra lavitra, fa tsy ekeny ny hampiasan'ny ”bandy miasa amin'ny Aterineto” ity Humvee ity ao Nairobi (faritra an-drenivohitra tsy andiavana lalantany be vovoka).

Amin'ny maha-solontenan'ny ONG mamily matetika amin'ny tany be vovoka ahy (ary ilaina ny milaza, tena ratsy ny lalana sasany), manaiky aho ny fampiasana 4×4. Fa olona miasa any amin'ny birao? Ao Nairobi? Mamily ny fiara mifono vy goavana indrindra fitondra manafika misy hatreto ? Tsy manaiky kosa aho.

Mampiakatra an-tambajotra [amin'ny teny anglisy] tononkalo mampihomehy iray momba ny fampielezankevitry ny PNUE sy ny fahitana matetika ny 4×4-n'ny ONU ny blaogy Sukuma Kenya . Nosoratan'i Ed avy ao amin'ny blaogy African Works [amin'ny teny anglisy] ity tononkalo ity.

Tsy mampalahelo ve
Rehefa mividy Hummer ianao
Ary alefan'ny adala ao amin'ny aterineto ianao
Tantara foronina ny fiakaran'ny hafanana
tsy mitsahatra ny manova ny tantarany ireo manam-pahaizana
ary ny ankamaroan'ireo mino azy dia adala
Ary na  miasa ho an'ny Tontolo Iainana ao amin'ny Firenena Mikambana  aza aho
mirehareha  fotsiny amin'ny maha mpisolotena ahy
toy ny mpanjakan'ny tontolo iainana, mahataitaitra foana na dia miha-antitra aza
miaraka amin'ity kilalaoko ngeza be mitroka lasantsy ity

Nanoratra lahatsoratra tao amin'ny blaogy Kenyan Pundit [amin'ny teny anglisy] i Ory Okolloh , miaraka amin'ny rohy mamela anao haka feno ny dikan'ilay tatitry ny ONU momba ny tantara ratsy mikasika ireo fividianana ireo.

Sary medaly ao amin'ny pejy fandraisana an'i David.Train  ao amin'ny Flickr.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.