Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Avrily, 2020
Lahatsary malaza haingana maneso ny fanandratana an'i Potinina tafahoatra
Nanantona sarintava goavana an'i Potinina tao amin'ny toeram-ponenana marorihana iray tao Moskoa ilay bilaogera rosiana Bashir Dokhov. Avy eo izy nametraka fakantsary handraketana ny fihetsiky ny mponina talanjona nijery izany.
Fandresena ho an'ireo sarimbavy mpianatra ao amin'ny Oniversiten'i Chulalongkorn tao Tailandy
alohan'io fanitsiana io, tsy nanana rafitra manokana natao ho an'ireo sarimbavy sy sarindahy mpianatra mba te-hiakanjo araka izay maha-lahy na maha-avy azy ny Oniversiten'i Chulalongkorn.
Nahafaty olona ny COVID-19 tany Afghanistan
Efa misy ny trangana COVID-19 any Afghanistan, ary efa misy ny matiny.
Nanome tolotra aterineto mora ny orinasan'ny finday ao Mozambika sy Cap Vert mba hanentanana ny olona hijanona ao an-trano
Afaka hampiasa angondrakitra 2 MB maimaimpoana mandritra ny 30 andro manaraka ireo mpiseran'ny finday Cap Verdeana raha afaka mividy hatramin'ny 5 GB amin'ny sarany 1.50 dolara kosa ny Mozambikana.
LAHATSARY: Ny fomba fifidianana ny Biraon'ny Filankevi-Pitantanana Global Voices 2020
Fanazavazavana haingana sy mahomby momba ny fomba atao amin'ny fifidianana biraon'ny filankevi-pitantanana hoavy izay manasongadina ireo kandida maherifo miaraka amin'ny feonkiran'ny sahona any amin'ny tany mafana !
Antsafa tamin'i Chontalita Vázquez, mpikatroka nomerika ho an'ny fiteny Chontal
Fantaro bebe kokoa ny momba an'i Chontalita Vázquez. Izy no hitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 16 hatramin'ny 22 Martsa 2020 sy hilaza amintsika momba ny asa ataony ho an'ny fiteny Chontal.
Nilaza ny kintan'ny hazakazaka Kenyana Eliud Kipchoge fa ‘manafintohina saingy mendri-piderana’ ny fanemorana lalao olaimpika 2020
Nanantena ilay "superstar" Olaimpika Eliud Kipchoge fa efa niandry fatratra ny hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika 2020 ao Tokyo izy. Saingy misy dikany aminy ny fanemorana. "Miaina ao anatin'ny tontolon'ny fanjavozavoana isika," hoy ny nolazainy.
Loza ho an'ny toekarena shinoa ihany koa ny Wuhan coronavirus
Rehefa mifanontona ny valanaretina sy ny fandaniam-be mahazatra amin'ny fankalazana ny taombaovao Shinoa, dia marary mafy ihany koa ny toekaren'ny firenena.
Antsafa nifanaovana tamin'i Tzintia Montaño, mpikatroka nomerika amin'ny fiteny Mixtec
Fantaro bebe kokoa i Tzintia Montaño. Hitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas izy ny herinandron'ny 9 ka hatramin'ny 15 Martsa 2020 ary hilaza aminao momba ny asany amin'ny fiteny da’an davi, na Mixtec avy any amin'ny sisintanin'ny Puebla-Oaxaca.
Nitokona tamin'ny karama tsy voaloa nandritra ny fiparitahan'ny COVID-19 ireo mpiasan'ny akanjo Kambodziana
"Tsy avelantsika hialan-tsiny amin'ny fanemorana ny fandoavana ny karaman'ireo mpiasa ny mpampiasa, satria manana trosa ny mpiasa ary tsy afaka miala tsiny izy ireo amin'ny fanemorana ny fandaniany."