Antsafa tamin'i Chontalita Vázquez, mpikatroka nomerika ho an'ny fiteny Chontal

Photography shared by Chontalita Vázquez.

Ny taona 2020, hotohizantsika ny fanentanana ety anaty media sôsialy hanasàntsika olona maro hitantana ny kaonty Twitter, @ActLenguas (Fikatrohana ho an'ny fiteny) ka hizaran'izy ireny ny niainan-dry zareo tamin'ny tamin'ny famelomana indray sy fisoloana vava ireo fiteny zanatany. Resahan'ity lahatsoratra fampahafantarana ity ny momba an'i Chontalita Vázquez (@shineyhua) sy izay kasainy horesahana mandritra ny herinandro maha-mpampiantrano azy.

Rising Voices (RV): Mba lazalazao aminay ny momba anao, azafady:

Soy investigadora en formación del Doctorado en Estudios Regionales de la Universidad Autónoma de Chiapas. Maestra en Estudios Culturales y Licenciada en Educación Indígena por la Universidad Pedagógica Nacional, unidad Ajusco CDMX.

Actualmente, soy promotora cultural independiente de lengua chontal/tsome de la Sierra Sur de Oaxaca. He participado en diferentes foros, talleres, cursos y diplomados en materia de educación bilingüe e intercultural, así como en derechos para las comunidades indígenas. Ha impulsado diversas acciones en pro del fortalecimiento de la lengua chontal, hoy considerada en alto riesgo de desaparición.

Manomana “Doctorat” amin'ny Fandalinana ny Faritra aho, ao amin'ny Anjerimanontolo Mahaleotenan'ny Chiapas. Manana diplaoma “Master” amin'ny Fandalinana Ara-kolontsaina sy bakalaoreà tamin'ny fampianarana indizeny avy amin'ny Anjerimanontolom-Panjakàna momba ny Pedagôjia  ao Ajusco, Mexico City.

Amin'izao fotoana izao, mpampiroborobo ara-kolontsaina, miasa ho an'ny tena manokana ho an'ny fiteny  Chontal / Tsome ao Sierra Sur de Oaxaca.  Nandray anjara tamina sehatra fifanakalozan-dresaka isankarazany, atrikasa, fampianarana sy fandaharanasa nanolorana sertifikà ary nafantoka tamin'ny fahaizana teny roa sy ny fanabeazana ifanenan'ny kolontsaina samihafa, ary momba ny zon'ireo vondrompiarahamonina teratany. Nampiroborobo hetsika maro isankarazany aho ho fanomezana aina ny fiteny Chontal, izay heverina amin'izao fotoana izao ho tena tandindonin'ny fanjavonana.

RV: Manao ahoana ny sata misy ny fiteninareo amin'izao fotoana izao, eny anaty sy ivelan'ny aterineto?

Gracias a las redes sociales, particularmente Facebook, se ha generados mayor conciencia sobre el valor que tiene nuestra lengua chontal, debido a este trabajo más jóvenes de otras comunidades chontales se han sumado al proyecto creando sus propias página hablando visibilizando su comunidad así como fomentando el aprendizaje de lengua en pequeñas frases o palabras.

Noho  ny fisian'ny tambajotra sôsialy, indrindra fa ny Facebook, nisy fahatongavan-tsaina goavana momba ny lanjan'ny fiteninay, ny Chontal. Vokany, miha-betsaka ireo tanora avy amin'ny vondrompiarahamonina Chontal hafa no nanatevina laharana ny tetikasa tamin'ny alàlan'ny famoronana ny tranonkalan-dry zareo azy manokana, hatramin'ny fampiroboroboana ireo lesona fampianarana miainga avy aminà fehezanteny na teny fohy.

RV: Lohahevitra momba ny inona no kasainao hifantohana mandritra ny herinandro hitantananao ny kaonty Twitter @ActLenguas?

Estaré enfocándome primordialmente en frases en lengua chontal de la vida cotidiana, datos sobre la comunidad chontal.

Hifantohako voalohany indrindra ireo fehezanteny amin'ny fiteny Chontal miresaka ny fiainana andavanandro sy ireo zavamisy momba ny vondrompiarahamonina Chontal.

RV: Inona avy ireo antony fototra nanosika anao amin'ny fikatrohana ara-niomerika ho an'ny teninao? Inona avy ireo fanantenana sy nofinofinao ho an'ny teninao?

  • Sensibilizar a la población chontal la importancia de reconocernos como chontales
  • Visibilizar mi cultura
  • Generar en la población joven el interés en aprender la lengua chontal
  • Mayor aprendizaje de lengua chontal
  • Hanaitra ny fahatongavan-tsaina eny anivon'ny vahoaka Chontal momba ny lanjan'ny fanekena ny maha-vahoaka Chontal azy
  • Manao izay hahitàn'ny olona ny kolontsaiko
  • Hamorona fahalinana avy any anatin'ireo andian-taranaka tanora mba hianatra ny fiteny Chontal
  • Hifantoka misimisy kokoa amin'ny fianarana ny fiteny Chontal

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.