Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Avrily, 2020
Taratasim-baovao RV: Ezaka fifarimbonana hanangonana loharano antserasera momba ny famaliana ny coronavirus
Ny taratasim-baovao Rising Voices dia manome ny ireo rohy mifandraika amin'ny fampiatiana dizitaly ka ao anatin'izany ny fahafaha-mahazo sy mikirakira ireo fitaovana dizitaly (nomerika), sy ireo hirika sy fomba maro samihafa ho an'ny vondrom-piarahamonina ahafahany mandray anjara feno an-tserasera
“Tsy azo inoana” ireo roa mpanao gazety nitatitra momba ny vola fanampiana amin'ny COVID-19 hoy ny minisitry ny polisy ao Papouasie-Nouvelle-Guinée
"Tsy anjaran'ny minisitra ao amin'ny governemanta no mandray fanapahana na tokony horoahana na tsia ireo mpanao gazety, ary indrindra fa rehefa noho ny tatitra tsy lanin'ny vavoniny no antony."
Mpanao gazety an-tserasera notazonina noho ny nanatsongany ny torohevitry ny praiminisitra Kambodziana momba ny COVID-19
"Tsy tokony ampiasaina ho antony hanilihana mpanao gazety izay tsy manaraka anjambany ny fanjakana ny krizin'ny Covid-19."
Ahoana ny fomba iadian'ny vehivavy amin'ny herisetra any Amerika Latina ?
Malaza ratsy i Amerika Latina amin'ny taha avo amin'ny famonoana sy ny herisetra atao amin'ny vehivavy noho ny fanavakavahana saingy nanao hetsika ny vehivavy sy ny lehilahy.
Tranonkala voabahana, fikatonan'ny aterineto, ary fisamborana amin'ny media manimba ny fahalalaham-pitenenana ao Myanmar
Manahy ireo vondrona mpikatroka sy mpandala ny zon'olombelona fa simbaina amin'ny anaran'ny fiadiana amin'ny areti-mandringana COVID-19 ny fahalalaham-pitenenana.
Fifidianana Biraon'ny Filankevi-Pitantanana GV 2020: Fanolorana ireo solontena vaovao!
Annie Zaman sy Arzu Geybulla no ho solontena vaovao volantera ao amin'ny filankevi-pitantanana ary Mohamed ElGohary no ho solontena vaovao amin'ny nanao ny fifanarahana arak'asa.
COVID-19, mamely ireo vazimba teratany mpifindra monina ao Venezoelà ihany koa
Kely no mba zavatra fantatra mikasika ireny vehivavy miaina anatin'ny iray amin'ireo vondrompiarahamonina marefo indrindra ireny, satria izy ireny sady teratany, no mpifindra monina ary koa vehivavy.
Siria : Fifankatiavana anaty fotoanan'ny famoretana
"Na aiza na aiza aho no mitopy, anaty herisetra, ny rà na ny fahafatesana ao Siria, dia tafalatsaka foana aminà tantaram-pitiavana adaladala, feno fahasahiana toy ny raozy iray manao di-doha mitsiry na eo aza ireo ahidratsy sy ny tsilo miezaka mangeja azy" hoy ilay vehivavy siriàna mpanoratra bilaogy, Marcell Shehwaro.
Hisy fiantraikany amin'ny zo hanala zaza ny fihibohana any Kolombia, hoy ny mpisolovavan'ny zon'olombelona
"Tokony ahitana ireo servisy ahafahana manohy sy manome antoka ny fikarakarana ara-pahasalamana amin'ny fananahana sy ny fiterahana ireo antony manokana ireo," hoy i Selene Soto.
Ny fanavakavahana ara-pananahana sy ny fankahalàna vehivavy tamin'ny seho resaka tao amin'ny TV pakistaney
Mampiharihary ny faharatsiam-pitondrantena, ny fanavakavahana ara-pananahana, ny fankahalàna vehivavy ary ny teny mandratra atao amin'ny vondrom-behivavy sy ny mpanolotra fandaharana amin'ny haino aman-jery pakistaney ilay fifanoherana nahatsiravina tamin'ny seho resaka tao amin'ny fantsom-pahitalavitra NEO TV.