Nilaza ny kintan'ny hazakazaka Kenyana Eliud Kipchoge fa ‘manafintohina saingy mendri-piderana’ ny fanemorana lalao olaimpika 2020

Kenyana mpihazakazaka Eliud Kipchoge, 12 Oktobra 2008. Saripikan'i The Wolf ao amin'ny Flickr.com / CC BY 2.0.

Zahao ny pejy manokan'ny Global Voices momba ny fiantraika manerantanin'ny COVID-19.

Ity Kenyana mpihazakazaka lavitr'ezaka antsoina hoe Eliud Kipchoge ity no olombelona voalohany teto ambonin'ny tany nahavita marathon latsaky ny ora roa tamin'ny herintaona.

Efa nanantena mafy tokoa izy ny hifaninana amin'ny lalao olaimpika 2020 hotontosaina ao Tokyo, Japan, saingy nofoanana noho ny valan'aretina COVID-19 izany lalao izany. Rehefa nahare ny vaovao i Kipchoge dia niteny tamin'ny Global Voices fa “nahatohina” ny fanemorana saingy “natoky izy fa hevitra mendri-piderana” ny noraisin'ny Komity Olaimpika Iraisampirenena (CIO).

Fanapahan-kevitra tena hendry tokoa ny fanemorana ny Olaimpika hatramin'ny taona 2021. Manantena ny hiverina aho hiaro ny voninahitro olaimpika amin'ny herintaona ary manantena ho vavolombelon'ny lanonana mahafinaritra dia mahafinaritra. Mirary fahasalamana ho an'ny rehetra aho ao anatin'izao fotoana manahirana izao.

Vitan'ity 34 taona ity tanatin'ny 1 ora 59 minitra tany Aotrishy ny 42,2 kilaometatra tamin'ny oktobra ary manantena izy hiaro ny voninahitra azony tao Rio tamin'ny taona 2016 amin'ny volana jolay; na izany aza mila miandry hatramin'ny asara 2021 izy.

Nanatevin-daharana ireo firenena afrikana hafa nametraka fepetra hentitra mba hampihisatra ny fielezan'ity coronavirus mora miparitaka ity i Kenya. Napetraky ny governemanta kenyana ny tsy fahazoa-mivoaka amin'ny alina, fanakatonana sisintany, fanakantonana sekoly, ary ny fandraràna famorian'olona ankalamanjana mba handrisihana ny “social distancing” [fiatahana ara-piarahamonina]

Amin'izao fotoana anoratana 29 marsa 2020 izao ity firenena ity ahitana tranga coronavirus voamarina miisa 42.

Avy ao an-tanindrazany ao Kenya i Kipchoge no naneho ny fahatalanjonany tamin'ny fanapahan-kevitry ny CIO saingy mino izy fa ho amin-javatra tsara izany. Niteny tamin'ny Global Voices tamin'ny alalan'ny WhatsApp izy tamin'ny 25 marsa:

I received the news about the postponement in a shocking way, but I trust and think it’s a noble idea for IOC to come into agreement to postpone the Olympics.

Health is an important priority…a firm decision … because as human beings, we need to respect this pandemic which has hit the whole world in a hard way.”

Voaraiko tamin'ny fomba manafintohina ny vaovaon'ny fanemorana, saingy matoky aho ary mihevitra fa hevitra mendri-piderana ho an'ny CIO ny nahafaha-mifanaraka hanemotra ny lalao olaimpika.
Vaindohan-draharaha ny fahasalamana…fanapahan-kevitra hentitra … satria amin'ny maha-olombelona, dia mila manaja fa namely mafy dia mafy tokoa an'izao tontolo izao ity areti-mandringana firenena maro ity.

Tratran'ny tsindry ny mpanomana ny lalao olaimpika tao Japana hanemotra ity lanonambe izay antenaina hanintona atleta miisa 11000 ity, raha niely tao Canada sy Aostralia ny fahabetsahan'ny maty sy ny miabo tamin'ny fitiliana coronavirus.

Nilaza ny CIO fa mila fotoana ny fandraisana fanapahan-kevitra farany amin'ny fihazonana ny Lalao, na dia efa nahazo tsindry iraisampirenena aza ry zareo.

Mihevitra i Kipchoge fa nohafainganina ny fanapahan-kevitra:

I didn’t expect the suspension of the Olympics as early as this. I thought it [the decision] will come in the next one or two months as we are struggling to get rid of this virus. We live in a world of uncertainties.

Tsy nanantena ny fampiatoana ny Lalao Olaimpika ho aloha be tahaka izao aho. Nihevitra aho hoe afaka iray na roa volana any vao ho tonga ity fanapahan-kevitra ity noho isika mbola miady hanesorana ny viriosy. Miaina ao anatin'ny tontolon'ny fanjavozavoana isika.

Kipchoge, izay efa nihazakazaka 5000 metatra sokajy lehilahy tany aloha, nahazo ny alimo tamin'ny Lalao Olaimpika Asara tamin'ny taona 2004 tao Athena, Gresy, nialoha ny nahazoany ny volafotsy efa-taona taty aoriana tao Beijing.

Nilaza i Kipchoge fa nihiboka tao an-trano izy ao anatin'izao vanim-potoana izao:

I am staying at home with my family – playing with the kids and trying to read some books to get some knowledge and make my mind healthy. I also watch some movies to create more connection with my family.

Monina ato an-trano miaraka amin'ny fianakaviako aho – milalao miaraka amin'ny ankizy ary miezaka mamaky boky mba hahazoana fahalalana sy hahasalama ny saina. Mijery sarimihetsika mba hampisy fifandraisana amin'ny fianakaviako.

Kiphchoge, izay ahazoan'olona an'arivony aingam-panahy amin'ny taranja ataony, dia mamelona video “fanazarantena avy ao an-trano” isan'andro mba hampavitrika ny mpankasitraka — ary “mamono fotoana” ao amin'ny fotoam-pamboleny, toerana iray izay tsy dia nandaniany fotoana.

Mbola mitohy ho feon'ny fanantenana sy ny asasoa izy mandritra izao krizy manerantany izao, mamoaka hafatra mampatanjaka amin'ireo rehetra efa tapakevitra hanohy ny hazakazaka:

Ho an'ireo mpihazakazaka an'arivony izay efa nanokana ireo volana maromaro tamin'ny fiainana mba hanatrarana ity tanjona ity dia te-hilaza izao aho. Manàna hambo amin'izany asa nataonao nandritra izay fotoana izay, mitsikia ary tadiavo ny tanjonao manaraka eny amin'ny faravodilanitra mba hanohizana mihazakazaka amin'ny fomba milamina sy miabo!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.