Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Janoary, 2019

Iran: Nosivanina ny tranokalam-baovao Jahan

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nitatitra ny bilaogy sy tranonkala Iraniana marobe fa ny tranonkala ao Iran Jahannews (midika hoe vaovao eran-tany) dia voasivana taorian'ny namoahany taratasy iray, nosoratan'ny mpikambana parlemantera Iraniana, izay nitsikera an'i Saeed Mortazavi , ilay lehiben'ny mpampanoa lalàna ao Teheran. Niresaka...

Iran: Hetsi-panoherana antserasera nandritra ny tsingerintaona faha-30 nibodoana ny ambasady Amerikana

Manamarika ny tsingerintaona fibodoana ny ambasady Amerikana ny 4 Novambra. 30 taona lasa izay, nibodo ny ambasady ireo mpianatra, saingy ankehitriny dia niova tanteraka ny mpianatra, ka tamin'ity indray mitoraka ity, ho fahatsiarovana izany andro izany, dia te-handefa hafatra milamina ho an'izao tontolo izao izy ireo.

Shina: Hetsika antserasera manohitra ny CNNIC

Nametraka tranonkala fanoherana antsoina hoe FuckCNNIC ny vondrona webmasters mba hanoherana ny politika vao haingana izay mandràra ny olona tsy hisoratra anarana aminny anaran-tsehatra CN.

Tonizia: Nogadraina ilay mpianatra Mohamed Soudani noho ny tafatafa tamin'ny fampitam-baovao iraisampirenena

Nanjavona tamin'ny 22 Oktobra 2009, tao Tonizia ilay mpianatra Toniziana Mohamed Soudani, 24 taona, rehefa avy nitafatafa tamin'ny Radio Monte Carlo International sy ny Radio France International.

Efa antitra, kabarim-pankahalana, fahalalahan'ny gazety: lohahevitra goavana resahana amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2019 ao Nizeria

Hanatontosa fifidianana ho filoham-pirenena i Nizeria amin'ny 16 Febroary 2019, ary mitodika amin'izany fifidianana izany ny maso rehetra amin'ny maha-fisedrana hanaporofoana ny tanjaky ny demokrasia, ny fenitra, ny soatoavina sy ny firaisankina ao Nizeria.

Mahazo Onitra Sy Tombontsoa Ny Minisitra Nanoloana Ilay Tranonkala Zambiana Mpanaratsy

Teo anoloan'ny Tribonaly Amerikana, nenjehin'ny minisitra lefitra Zambiana misahana ny Varotra noho ny fanalàm-baraka ny vohikala Zambiana Kachepa360. Atahoran'ireo mpanakiana hiatrika zavatra mitovitovy amin'izao atsy ho atsy ireo tranonkala media an'olontsotra mitatitra momba ny fihetsiky ny governemanta.

Netizen Report: Manoloana ireo Fihetsiketsehana Feno Herisetra, Bahanan'i RDC Ireo Tambajotran-tserasera

Isan-kerinandro, eo amin'ny Global Voices Advox, ny tariky ny Netizen Report dia manolotra topimaso iray amin'ireo fanamby sy ireo fandresena amin'izao tontolo izao, tsy adinoina ireo vaovao mahasarika mikasika ny zo nomerika.

Vaovao farany Lingua volana Desambra 2018

Manolotra ny vaovao Lingua volana Desambra 2018 ny mpitantana ny Lingua.

Etazonia: Ny vokatry ny famoretam-pihetsiketsehana anti-G20

Nampiantrano ny fihaonambe G20 tamin'ny volana lasa (22-25 aogositra) i Pittsburgh, izay voamaloky ny hetsi-panoherana sy ny fomba mampiady hevitra nanakanan'ny manampahefana ny mpanohitra tamin'ny alàlan'ny Twitter.

Rosia: Tsy hita ireo mariky ny vidin'entana tao amin'ny tempoly

Tsy nijanona tao amin'ny toerana intsony ny lisitry ny vidin'entana ho an'ny tolotra ara-barotra nomena tao amin'ny [Katedralin'ny Kristy Mpamonjy ao Moskoa], izay napetrak'ireo bilaogera mba hahafaly ny masontsika elaela kokoa. Tsy mbola feno herinandro akory dia efa nesorina mangingina tsy ho hitan'ireo mpiserasera ny lisitry ny vidin'entana.