Rosia: Tsy hita ireo mariky ny vidin'entana tao amin'ny tempoly

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2007)

Raha nikaroka vaovao momba ny fanakatonana ny LiveJournal vao haingana, dia tafiditra tao anatin'ity zavatra tsy misy ifandraisany ity (RUS) avy amin'i Anton Nossik (mpisera LJ dolboeb) aho, iray amin'ireo olona miandraikitra ny Sup, orinasa fampitam-baovao antserasera Rosiana mitantana ny ampahany “miteny Rosianina” amin'ny LiveJournal miara-miasa amin'ny Six Apart:

The Temple's Money Changers Have Hidden Away the Price Tags

The price list for commercial services rendered at [Moscow's Cathedral of Christ the Savior], which had been dug out by the dogged bloggers […], didn't stay there to delight our eyes for too long. It hasn't even been a week yet, and the price list has been quietly taken out of the Internet users’ sight. But it appears that the commercial department of the God's Temple did manage to overcome the pressure from the bosses embarrassed by the leak and prevented the final bankruptcy of its online feeder.

As a result, we have something extremely strange. The price list page is now empty, and the only way to learn about the prices is by reading bloggers’ accounts, or by looking into Google's cache. At the same time, the rest of the advertising pages have been left intact and are promoting different kinds of the Temple's money changers’ activities. Here, for instance, is an advertisement of services for those who'd like to rent conference halls of [the Cathedral] (with pictures). And here's an ad of the underground garage where some God-fearing Russian oligarchs are hiding their Maybachs, Lamborghinis and Maseratis from the wrath and envy of fellow citizens (the price list for this service is also empty now, but there's a phone number that one can call to specify the prices).

[…]

Nafenin'ireo mpanakalo vola (mpivarotra) ao amin'ny Tempoly ny mariky ny vidin'entana

Tsy nijanona tao amin'ny toerana intsony ny lisitry ny vidin'entana ho an'ny tolotra ara-barotra nomena tao amin'ny [Katedralin'ny Kristy Mpamonjy ao Moskoa], izay napetrak'ireo bilaogera mba hahafaly ny masontsika elaela kokoa. Tsy mbola feno herinandro akory dia efa nesorina mangingina tsy ho hitan'ireo mpiserasera ny lisitry ny vidin'entana. Saingy toa hita fa nahavita niala tamin'ny teritery avy amin'ny mpampiasany sahiran-tsaina tamin'ny fivoahan'ny vaovao ny sampana ara-barotra tao amin'ny Tempolin'Andriamanitra ka nisoroka ny bankirompitrin'ny mpamahana azy antserasera.

Vokatr'izany, manana zavatra tena hafahafa be isika. Banga ny pejin'ny lisitry ny vidin'entana, ary ny hany fomba ahafantarana ny vidin'entana dia amin'ny alalan'ny famakiana ireo kaontin'ny bilaogera, na amin'ny fijerena ny cache ao amin'ny Google. Mandritra izany fotoana izany, tsy voakitika mihitsy ny sisa tamin'ireo pejin'ny dokam-barotra ary mampiroborobo ireo karazana hetsika ataon'ireo “mpanakalo vola” ao amin'ny tempoly. Ireto, ohatra,dokambarotra ho an'ny olona te-hanofa efitra hanaovana valan-dresaka ao amin'ny Katedraly] (miaraka amin'ny sary). Ary indro ny dokambarotry ny garazy ambanin'ny tany izay hanafenan'ireo Rosiana olom-bitsy mpanefoefo matahotra an'Andriamanitra ny Maybach, Lamborghinis sy Maseratis azy ireo mba tsy hisy fahatezerana sy ny fitsiriritan'ny mpiray tanindrazana (banga ihany koa ny lisitry ny sarany ami'ity tolotra ity, saingy misy laharana finday azo antsoina raha te-hahafantatra ny vidiny).

[…]

Nisy mihitsy aza ny tolotra fanadiovana maina (nettoyage à sec) tao amin'ny Katedraly Kristy Mpamonjy ao Moskoa

Mpisera LJ breqwas manome fanazavana (RUS) ny antony mahatonga ny varotra be dia be ao anatin'ny fiangonana lehibe ao Rosia:

You see, [Christ the Savior Cathedral] does not belong to [the Russian Orthodox Church]. It belongs to the city and is managed by the Christ the Savior Cathedral's Fund, through which they were raising funds for its construction at one point. It was not given over to [the Russian Orthodox Church] allegedly because it costs a lot to maintain such a huge thing, and our Church is poor. And this is why this Fund is raising money the way it can. Why are they doing it like this? First, because it's a free country, and second, because it's Russia. […]

Hitanareo, tsy ny [Eglizy Ortodoksa Rosiana] no tompon'ny [Katedraly Kristy Mpamonjy]. Ny tanàna no tompony ary tantanin'ny tahirim-bolan'ny Katedraly izy, izay nanangonan'izy ireo vola ho an'ny fanorenana azy. Tsy nomena [ny Eglizy Ortodoksa Rosiana] izy satria lafo be loatra ny mitazona zavatra goavana tahaka izany, ary mahantra ny Fiangonantsika. Ary izany no mahatonga ity Tahirim-bola manangom-bola araka izay tratrany. Nahoana izy ireo no manao toy izao? Voalohany, satria firenena malalaka izy, ary faharoa, satria Rosia izy […]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.