Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Oktobra, 2015
Netizen Report: Hatsahatr'i Brezila ve ny fiarovana ny zo nomerika?
Te-hamingana ny Marco Civil (Lalànan'ny zo an'aterineto) ny mpanao lalàna brezilianina) raha mandrangaranga hampiasa ny fitaovana fanampenam-bava ny filohan'i Ekoadaoro hisorohana ratram-po.
Nigadra Telo Taona An-tranomaizina Ny Mpisera Facebook Ejypsiana Iray Noho Ny Sary Sofin'i Mickey Napetrany Teo Amin'ny Sofin'ny Filoha, Abdel Fattah El-Sisi
Nosazian'ny fitsarana miaramila telo taona an-tranomaizina ny mpisera Facebook Ejypsiana iray noho ny fanaovana sarin'ny sofin'i Mickey Mouse teo amin'ny sofin'ny filoha Abdel Fattah El-Sisi sy ny famoahana izany tao amin'ny habaka tambajotra malaza.
Libanona : Fisamborana Sy Fidirana An-tranomaizina Ho An'ireo Mpanao Gazety sy Mpitoraka Bilaogy Noho ireo Lahatsorany Tamin'ny Facebook
Libane roa, mpampiasa Facebook, no nosaziana am-ponja noho ireo lahatsoratra nosoratan'izy ireo tao amin'ny vohikalanà tambajotra sosialy.
Antsipiriham-Baovao Tafaporitsaka Momba Ny Drafitra Rosiana Hametraka “Aterinetom-Pirenena”
Avoitran'ny poritsaka iray vaovao avy amin'ny "Anonymous International" ny sosokevitry ny governemanta Rosiana momba ny fotokevitra “sehatra fampitambaovao nasionaly” ao Rosia, izay manoritsoritra ny famoronana tolotra aterineto natokana fotsiny ho ampiasain'ny Rosiana.
Manambana Basy Ny Lohan'ny Haino Aman-jery i Torkia Amin'izao Fifidianana Efa Akaiky Izao
Hatramin'ny 1 Novambra, tsy hisy ny fandeferana, manana safidy amin'ny fanivanan-tena ny mpanao gazety na idiran-doza
Nakatona Tao Amin'ny Facebook Ny Kabul Taxi. Ho Ela Velona Ny Kabul Taxi!
Niray petsapetsa mba hanakatonana pejy mpitondra hafatra esoeso ara-politika ao amin'ny aterineto ny Facebook sy ny governemantan'i Afghanistan.
Netizen Report: Hibahana Ireo Antso Amin'ny WhatsApp sy Skype Ve Ejipta?
Nisambotra olona roa mpandefa lahatsoratra amin'ny Facebook i Libanona, mibahana ireo vohikala Bitcoin noho ny ady amin'ny vola vahiny i Venezoela, ary nanao ny 'Safe Harbor ' ho lavitra an'ireo orinasa teknolojika Amerikana ny Fiombonambe Eoropeana.
Niverina indray ny fanasaritahan'ny governemanta rosiana ny Wikipedia
Herinandro alohan'ny lazaina ho fandarohan'ny Rosiana an'habakabaka ao Syria, dia nanomboka nitohy mahazatra indray ny asa tao amin'ny Wikipedia nataon'ny @RuGovEdits amin'ny fampiasana olona mampiasa adiresy IP an'ny governemanta rosiana
Mpanao Gazety Serba Sotasotain'ny Polisy Eo Am-panaovana Tatitra Momba ilay Toerana Hanorenana Ao Belgrade Mahatonga Resabe
Tsy voalohany izao no niatrika olana amin'ilay fitaterana vaovao momba ilay tetikasa Belgrade Waterfront mitentina 3,5 lavitrisa Euro ireo mpanao gazety.
Mbola velona ny hira fampieritreretana indray ny atao hoe fahefana nataon'ilay mpanakanto Shilianina Victor Jara na dia elabe taorian’ny namonoana azy aza
Nanasa ny mpihaino hahasahy hanonofy hoavy ahitana fiarahamonina tsy voasaraky ny vato nasondrotry ny tany matanjaka ara-pahefana sy ny sarambabem-bahoaka ilay mpamoron-kira sady mpihira novonoina ho faty vokatry ny fanonganam-panjakana nataon'i Augusto Pinochet.