Libane roa, mpampiasa Facebook, no voasazy an-tranomaizina noho ireo lahatsoratra nosoratany tao amin'ny vohikalanà tambajotra sosialy.
Ny 6 Oktobra 2015, nafahana ilay mpikatroka mafana fo ara-politika, Michel Douaihy, taorian'ny nitànana azy nandritra ny sivy andro noho ny lahatsoratra nataony tao amin'ny Facebook. Tao amin'ilay lahatsoratra nalefany, nitsikera ny nofaritany ho fikarakarana manokana natao tamin'i Ahmad Al-Assir, Salafista any am-pandosirana, nandritra ny fisamborana azy i Douaihy. Nosamborina tao amin'ny Fiantsonam-piaramanidina Iraisam-pirenena tao Beirota, ny 15 Aogositra, ilay Libane mpitondra fivavahana, Ahmad Al-Assir, taorian'ny nitsoahany nandritra ny roa taona. Niditra tao anaty fiainana an-tsokosoko i Al-Assir taorian'ny namoronany milisy iray mitam-piadiana tany Saida, any amin'ny faritra atsimon'i Libanona, ary nandidiany ireo lehilahiny hitifitra ny toerana fisavan'ny Miaramila Libane, ny volana Jona 2013. Nanandrana ny handositra tany Nizeria mandalo an'i Kairo i Al-Assir, tamin'ny fampiasàna taratasy Palestiniana hosoka. Maro ireo mpikatroka mafàna fo nitsikera ny fomba “nikenakenàna” an'i Al-Assir nandritra ny fisamborana azy, sy tsy mba voadaroka sahala amin'ny fanararaotana atao matetika amin'ireo mpikatroka mafana fo.
Ny biraon'ny Filaminana Ankapobeny no sampana ofisialin'ny governemanta nisambotra an'i Douaihy, nampangainy ho mihantsy fifandonan'ny sekta, fanosoram-potaka, ary fanalam-baràka, izy. Fiampangana mitovy amin'ireo koa no nanasaziana ilay mpanao gazety, Mohammad Nazzal, an'ny gazety Al-Akhbar. Nosaziana enim-bolana am-ponja i Nazzal ary handoa lamandy 633 dolara Amerikana.
Na navotsotra aza i Douaihy, nomelohana teo ambanin'ny Toko faha-386 amin'ny làlana ady heloka bevava Libane izy, izay manameloka ny fanosoram-potaka sy fanalam-baràka ny filoham-pirenena, ireo tomponandraki-panjakana hafa, ary ireo olon-tsotra. Nahazo sazy an-tranomaizina roa volana i Douaihy. Kanefa, efa nosoloina ilay sivy andro nijanonany tany am-ponja sy lamandy 200 dolara Amerikana io fotoana io.
Nanao ny tenifototra #FreeMichelDouaihy (Afaho i Michel Douaihy) ireo mpampiasa Twitter mba hampahafantarana bebe kokoa ny momba ny trangany. Nampiasa ny tenifototra Toko faha-13 ihany koa ireo mpanohana, entina milaza ilay Toko faha13 ao amin'ny lalampanorenana Libane izay manome antoka ny fahalalahana miteny sy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety “ao anatin'ireo fetra napetraky ny lalàna.” Tsy manome fiarovana mazava ireo mpanao gazety sy ireo mpitoraka bilaogy ny lalànan'ny fanaovana gazety ankehitriny ao Libanona (nosoratana ny taona 1962). Miaraka amin'ilay hetsika amin'ny Aterineto, nanao hetsi-panoherana teo anoloan'ny tanàna nahaterahany, tao Zogherta, any avaratry Libanona, ireo namana sy fianakavin'i Douaihy.
بالصور.. اعتصام في زغرتا احتجاجا على اعتقال #ميشال_الدويهي – #الحريه_لميشال_الدويهي http://t.co/QZt55GZmCp pic.twitter.com/gj14cIgw3A
— IMLebanonNews (@Imlebanonnews) October 5, 2015
“An-tsary, hetsi-panoherana tany Zogherta, manohitra ny fisamborana an'i Michel Douaihy.”
Hatry ny taona 2009, mpitoraka bilaogy sy/na mpikatroka mafana fo maherin'ny 15 no efa nosamborina, nalaina am-bavany ary norahonana tany Libanona, noho ny zavatra nosoratany tao amin'ny Aterineto. Nandefa bitsika ho fanohanana an'i Michel Douaihy i Mohamad Najem, Libane mpiaro ny zon'olombelona ary niara-nanorina ny Fifanakalozana Amin'ny Media Sosialy any Beirouth:
لا أعرف ميشال، لكن لكل شخص الحرية بالكتابة والتعبير عن رأيه ان كان على الفيسبوك او اي وسيلة أخرى. #الحريه_لميشال_الدويهي #بيروت
— Mohamad محمد (@monajem) October 4, 2015
Tsy fantatro i Michel, fa manana zo ny haneho malalaka ny heviny amin'ny Facebook na amin'ny sehatra hafa ny tsirairay #Free_Michel_Douaihi #Beirut
Nandefa izao bitsika izao ilay mpanao gazety Lara Saker:
اليوم ميشال الدويهي، بكرا مين؟ #الحرية_لميشال_الدويهي — Lara Sakr (@larasaker) October 4, 2015
Androany, i Michel Douaihi no eo, iza no ho eo rahampitso?
Mitovy amin'i Douaihy ihany koa, nosaziana enim-bolana am-ponja sy lamandy 633 dolara Amerikana, na tsy nanatrika ny fitsaràna azy aza, ilay mpanao gazety Mohammad Nazzal, noho ny lahatsoratra nalefany tao amin'ny Facebook, roa taona lasa izay, izay nisy izao fehezanteny izao: “any ambany faladihan-kiraroko ny fomba fiasan'ny fitsaràna” (#القضاء_وصرمايتي_سوا), izay nolazaina ho fanaratsiana sy fanalam-baràka. Nandefa izao bitsika izao i Nazzal momba ilay fanasaziana:
أخبرتني المحامية اليوم أن محكمة الجزاء في بيروت أصدرت بحقي حكمها.. غيابياً.. والذي قضى بسجني 6 أشهر. ماشي يا بني آدمين 🙂 .
— Mohammad Nazzal (@Nazzal_Mohammad) October 5, 2015
Nolazain'ny mpisolovava ahy androany fa nanasazy ahy, tsy teo anatrehako, enim-bolana am-ponja ny fitsaràna ady heloka ao Beirouth… TSARA! 🙂
Naneho ny fanohanany an'i Nazzal tamin'ny media sosialy ireo mpanao gazety sy mpitoraka bilaogy tany Libanona sy Afovoany Atsinanana:
أنا صحافية، وبغض النظر عن موافقتي أو رفضي للعبارة التي أوردها الزميل محمد نزال، أرفض تكميم الأفواه، وأطالب بإسقاط الدعوى المرفوعة عليه. وأؤكد على حريته الكاملة في التعبير عن رأيه، من دون تعريضه لأي ملاحقة أو سجن. فإذا كان هاشتاغ #القضاء_وصرمايتي_سوا عقابه السجن، فلنسجن كلنا معاً. #كلنا_محمد_نزال #القضاء_مش_قدر #مع_حرية_التعبير
Mpanao gazety aho, tsy ijerena ny hevitro mikasika ny nahazo ny mpiara miasa amiko Mohammed Nazzal, tsy ekeko ny faneriterena ny fitenenana, ary mangataka ny hanalàna faran'izay haingana ny fitoriana ny mpiara miasa amiko aho. Ary ny hanomezana azy tsy hisy arakaraka ny fahalalahany miteny ny heviny, tsy hahatonga azy hiatrika fanenjehana sy famoretana indray. Raha toa ka mitondra any amin'ny fanenjehana ny fandefasana lahatsoratra tsotra amin'ny media sosialy, aleo aza izahay rehetra henjehina daholo. #Mohammd_Nazzal_Daholo_Izahay #Miaraka_AminFahalalahanaMiteny
Nibitsika ilay fanambàrana izay tena nozaraina be manerana ny tany ny mpanao gazety Ramez el Kadi:
أنا صحافي/ة، أرفض تكميم الأفواه، وأطالب بإسقاط الدعوى المرفوعة على الزميل محمد نزال. من الممكن أنني أرفض ومن… http://t.co/6qSEYvTOSZ — رامز القاضي (@ramezelkadi) October 7, 2015
Mpanao gazety aho, tsy ijerena ny hevitro mikasika ny nahazo ny mpiara miasa amiko Mohammed Nazzal, tsy ekeko ny faneriterena ny fitenenana, ary mangataka ny hanalàna faran'izay haingana ny fitoriana ny mpiara miasa amiko aho…
Mpanao gazety, Ghassan Saoud, nandefa fanambaràna tamin'ny pejy Facebook-ny, ho fanohanana an'i Nazzal, izay nofaritany toy izao:
محمد نزال صحافي لم يرتشي يوماً، ولو بكرافات أو كارت حفلة فنية أو حسم هون أو هونيك..
Posted by Ghassan Saoud on Wednesday, October 7, 2015
Mpanao gazety tsy mbola nandray tsolotra na tratran'ny kolikoly i Mohamed.
Nanipika i Saoud fa mihoatra ny fanafihana ny fahalalahana maneho hevitra io fanafihana an'i Nazzal io, fanafihana manokana ara-politika voaomana tsara, hamelezana an'i Nazzal sy ny karazana mpanao gazety toa azy.