Antsipiriham-Baovao Tafaporitsaka Momba Ny Drafitra Rosiana Hametraka “Aterinetom-Pirenena”

Mba ho toy inona no ho endrik'izany Aterineto Rosiana mizaka tena izany? Sary nafangaron'i Tetyana Lokot.
Tato anatin'ny taona vitsy, betsaka ny hetsika nataon'ny governemanta Rosiana mba hananana fifehezana bebe kokoa ny aterineto, tamin'ny fanamafisana ireo fepetra fanarahana maso ny votoaty ety anaty serasera sy ny fanosehana ireo orinasa vahiny mandraharaha momba ny aterineto miasa ao anatin'ny RuNet, toy ny Apple sy Google, mankany amin'ny fametrahana angon-drakitra ao an-toerana.
Avoitran'ny poritsaka iray vaovao avy amin'ilay andianà mpijirika mifono misitery “Anonymous International” (fantatra koa amin'ny hoe Shaltai Boltai na Humpty Dumpty) fa mandray sosokevitra izao ny governemanta Rosiana hanaovana hetsika henjankenjana kokoa hanokana-monina ny aterineto Rosiana. Tafiditra ho iray amin'ireny ny fotokevitra “sehatra fampitambaovao nasionaly,” izay mety hanome tolotra aterineto natokana fotsiny ho ampiasain'ny Rosiana.
Ahitàna mailaka marobe ao anatin'ilay antontan-taratasy tafaporitsaka, avy amin'i Dmitry Panyukov (talen'ny Ivontoerana Fanisam-bahoaka, Fifindramonina, ary Fampandrosoana isam-paritra) sy Garald Bandurin (talen'ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovaon'ny RusHydro), miaraka aminà antontan-taratasy iray tamin'ny 22 Jona 2015 mamaritra ny tolokevitra iray “sehatra fampitambaovao nasionaly,” izay hanafoana ny fiankinan-dohan'i Rosia amin'ireo orinasa sy ny teknolojia Tandrefana. Ity antontan-taratasy manokana ity dia toa i Bandurin sy Sergey Ganzya avy amin'ny Bankin'ny Varotra Ivelany no niaraka namolavola azy, ankoatra ireo olona marobe hafa. Ireo fehezantany fanokafàna ao amin'ity antontan-taratasy ity dia manipika ireo antony hamokarana aterineto Rosiana mitokana:
В интересах граждан Российской Федерации, российской государственности, развития экономики, ключевых предприятий и объектов инфраструктуры, предлагается создание национальной информационной платформы. Создание платформы призвано содействовать созданию независимого информационно-технологического базиса социально-экономического развития страны.
Ho amin'ny tombontsoan'ny olom-pirenen'ny Federasiona Rosiana, ny rafi-panjakana Rosiana, ary ny firoboroboan'ny toekarena, ireo orinasa sy fotodrafitrasa tena ain-dehibe, dia natolotra ny hananganana sehatra fampitambaovao nasionaly. Natao ny famoronana sehatra tahaka izany ho fampiroboroboana ny fametrahana fototra mahaleotena ho an'ny teknolojian'ny fampitam-baovao ho an'ny firoboroboana sosialy sy toekaren'ny firenena.
Tsy vaovao akory ny hevitra hoe afaka misintaka amin'ny aterineto erantany sy mamorona habaka virtoaly mahaleotena ho azy manokana i Rosia : efa narangarangany tany aloha izany, tao anatin'ireo fanehoankevitra sarotra takarina (“Tetikasa CIA” no niantsoan'i Putin ny aterineto ) na tany anatin'ny antson'ireo Rosiana mpanao lalàna hiomanana amin'ny fanapahana faobe ny tontolon'ny cyber. Ao anatin'ilay antontan-taratasy dia manondro ireo loza manokana mitatao amin'ny filaminam-pirenena ateraky ny fiankinan-dohan'i Rosia amin'ny teknolojia vahiny ireo mpanoratra. Faritan'ireo mpanoratra ao fiantraikan'ny fianteheran'i Rosia amin'ireo orinasa toy ny Microsoft, Apple, sy Google, izay nahafahana nanetsika ireo rantsana politika tamin'ny hetsik'i Rosia tany Okraina tamin'ny hetsika teknolojikan'ny firenena.
Так, мы имеем недавний факт блокирования крымских пользователей компаниями Apple и Google. По мнению руководителя ведущей российской ИТ компании, Infowatch, Натальи Касперской, вероятность наличия в наиболее распространённой операционной системе Windows специальных «закладок», способных по внешней команде одномоментно блокировать большинство российских компьютеров и сетей, крайне высока.
Ohatra akaiky indrindra ananantsika ny nibahanan'ny Apple sy Google ireo Krimeana mpampiasa azy ireo. Raha ny hevitr'i Natalya Kasperskaya, talen'ny Infowatch ilay orinasa Rosiana sangany amin'ny sehatry ny Teknolojiam-pifandraisana, avoavo ihany ny mety fisian'ny “fanapaingorana” manokana ao anatin'ny “Windows”, ilay be mpampiasa indrindra hatreto, izay afaka tonga dia mibahana amin'ny alàlan'ny fibaikoana izany avy any ivelany ny ankamaroan'ireo solosaina sy tambajotra Rosiana.
Ho an'ireo nanoratra ilay fotokevitra “sehatra fampitambaovao nasionaly”, mihoatra lavitra noho ny fitsinjatsinjahan'ireo orinasa tandrefana mpamokatra manokana ny teknolojia ny filàna aterineto Rosiana mahaleotena—resaka fillaminam-pirenena izy ity, hoy ny finoan-dry zareo. Trangan-javatra iray mety hitranga no avoakan'ireo mpanoratra, tranga izay mety “hanangolen'ny” Tandrefana an'i Rosia noho ilay lazaina fa fiankinandohany ara-teknolojika.
…сегодня не существует никаких объективных гарантий, что в случае эскалации конфликта с Западом, их спецслужбы не смогут парализовать, или хуже того, захватить прямое управление элементами ключевой инфраструктуры – стрелками железных дорог, кранами и насосами трубопроводов, не говоря уже об инфраструктуре связи и коммуникаций. Ведь все это работает на западных платформах.
…, ao anatin'ny tranga isian'ny fitomboan'ny fifandirana amin'ny Tandrefana, tsy misy ankehitriny antoka tsy mitongilana izany, hoe tsy ho vitan'ny sampan-draharahan-dry zareo misahana ny fiarovana ny tsy hanangoly, ary ny ratsy indrindra dia ny haka ny fifehezana mivantana ireo fotodrafitrasa saropady—tafidtra amin'izany ny toeram-pifinenan'ny fiarandalamby, ny vavarano sy ny paompin'ireo fantsona goavana, raha tsy hitanisa ireo fotodrafitrasan'ny fifandraisandavitra. Rehefa dinihana, aminà sehatra Tandrefana daholo izany rehetra izany no miasa.
Fanampin'ny fampifanarahana azy amin'ireo sazy nataon'ny Tandrefana amin'ny fahafahana teknolojika ananan'i Rosia, mety hanome ny tosika fanairana ilain'ny sehatry ny Teknolojia sy ny Fampitambaovao ao Rosia ilay drafitra, mitovy be amin'ny sazy ara-tsakafo nataon'i Rosia tamin'ny Tandrefana nikendrena mibaribary mba hanamafy ny sehatry ny fambolena tao Rosia nantsoina hanolo ny fanafàrana avy any ivelany.
Ny Aprily 2015, natolotry ny Minisitra Rosiana Misahana ny Fifandrasandavitra ho an'ny Praiminisitra Dmitry Medvedev ny drafira nataony hanoloana ny fanafàrana ho an'ireo indostrian'ny Teknolojia sy ny Fifandraisandavitra, tamin'ny fanosohana hevitra fa hatramin'ny 2025, tokony hilatsaka any amin'ny 50 isanjato ny tahan'ireo rindrankajy vahiny tsy manana solony vitan'ny Rosiana.
Na izany aza anefa, eken'ireo mpanoratra fa ny vatomisakana voalohany tsy maintsy dinganina mba hampitomboana ny fahaizamanao Rosiana amin'ny sehatra Teknolojia sy Fifandraisandavitra dia ny fahavononan'ny sain'ny tanora hanosika/hampisy fientanana teknolojika ao Rosia. Miaraka amin'ny fametrahana ny “sehatra fampitambaovao nasionaly”, inoan-dry zareo fa mety hitsimbadika ny “fandosiran'ny atidoha” manampahaizana, ireo Rosiana manana fahaizamanao sy matianina amin'ny Teknolojia sy Fifandraisandavitra.
Потеря, утечка самых перспективных кадров, лучших отечественных умов – пожалуй, это главный вызов момента. Без передовых кадров, компетентных и конкурентных, на уровне мировых требований завтрашнего дня, Россий обречена быть зависимой и ведомой.
Ny famoizana sy ny “fandosiran'ny atidoha” tena mamiratra sy ireo fanahy Rosiana tsara indrindra angamba no tena fanamby amin'izao fotoana izao. Raha tsy manana olona mivoatra, mahay ary afaka mifaninana mifandraika amin'ny tinady erantany rahampitso, dia voaozona hiankindoha i Rosia ary ho mpanaraka fa tsy ho mpitarika.
Raha toa ka tsy lazain'ny poritsaka avy amin'ny Anonymous International mazava tsara hoe ambaratonga ambony hatraiza tao amin'ny Kremlin no tongan'ilay tolokevitra, ary toy inona fahamatorana'ny fomba nandraisana azy, dia mbola manome topimaso mampiharihary ny olana teknolojikan'ireo sangany ao Rosia kosa izy. Tsy ahitàna resaka momba ny olana ideolojika na maoralin'ny Roskomnadzor (ilay toy ny alikan'ny Kremlin miambina ny aterineto) any anatin'ireo mailaka sy antontan-taratasy tafaporitsaka ireo, saingy maneho olana goavana mikasika ny halemena teknolojikan'i Rosia raha toa ka miharatsy hatrany hatrany ny fifandraisany amin'ny Tandrefana. Satria tohizan'i Rosia hatrany ny famoretana ny fahalalahan'ny aterineto, ny lalao farany, araka izay nasongadina ao anatin'ity tolokevitra tafaporitsaka ity, dia mety hahatonga ny Rosiana mpampiasa aterineto ho tonga amin-javatra tsy mifanalavitra amin'ilay mànda avon'ny tranonkala ao Shina, fa tsy ny Aterineto Tiorka fatra-pifantina sy faran'izay voasivana indrindra.
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...