Voalaza fa nosazian'ny fitsarana miaramila telo taona an-tranomaizina ny mpisera Facebook Ejypsiana iray noho ny fanaovana sarin'ny sofin'i Mickey Mouse teo amin'ny sofin'ny filoha Abdel Fattah El-Sisi sy namoaka izany tao amin'ny habaka tambajotra malaza. Voalaza fa voampanga amin'ilay mahazatra “fikasana hanongam-panjakana” ihany koa i Amr Nohan. Milaza ny fanehoan-kevitra an-tserasera fa miaramila zazavao i Nohan, ka izany no anton'ny nitsarana azy tamin'ny fitsarana miaramila.
Ejypsiana maro no namerina nandefa ny sarin'i Sisi/Mickey Mouse, maneho ny hatezeran'izy ireo noho ny didim-pitsarana..
Nanamarika ny fomba nanaparitahana ny sarin'i Sisi/Mickey Mouse taorian'ny didim-pitsarana i Tarakiyee:
Amr Nohan was tried by Egyptian military court and sentenced 3 years for a photo. Ppl are reposting #StreisandEffect pic.twitter.com/Hxkng5wQmy
— Tarakula (@Tarakiyee) October 11, 2015
Notsaraina tamin'ny fitsarana miaramila Ejipsianina i Amr Nohan, ary voasazy higadra 3 taona an-tranomaizina noho ny sary. Mamaly ny vahoaka.
Mamazivazy ny fomba maha-marefo ny fitondrana i M@Hon__3 rehefa rahonana amin'ny sary namboarina:
كلمني اكتر علي هشاشة نظام شايف ان مجرد صوره بتسخر منه ممكن تهدد عرشه #الحريه_لعمرو_نوهان pic.twitter.com/npUdWVtlx2
— المواطن X (@Hon__3) October 10, 2015
Lazao amiko kokoa ny sasany momba ny fitondrana marefo izay mihevitra fa mety hahaongana azy ny sary mamazivazy azy
Mitsikanikany i @shai_sada:
تلت سنين .. في ودان ميكي امال لو كان بؤ بطوط بقي ؟؟ #الحرية_لعمرو_نوهان pic.twitter.com/4PvYZfJdep
— شاي سادة بزيادة (@shai_sada) October 10, 2015
Telo taona an-tranomaizina noho ny sofin'i Mickey Mouse. Inona no mety hitranga raha molotr'i Donald Duck no azony?
Miezaka mandinika i Shaima Elbanna:
#عمرو_نوهان تخيل لما تقضي 3 سنين من عمرك في السجن عشان صورة رفعتها عالاكونت بتاعك نعم يا سادة انها الدولة العبيطة pic.twitter.com/aXkXH84QAK
— shaimaa elbanna (@shosho_elbanna) October 9, 2015
Alaivo sary an-tsaina hoe mandany telo taona an-tranomaizina noho ny sary nampidirinao tao amin'ny kaontinao ianao. Eny, efa firenena adala
Mbola vitsy ny vaovao mikasika ity raharaha ity hatreto, ankoatra ireo voalaza sy ireo fanehoan-kevitra hafa ao amin'ny Twitter. Misarika ny saina manoloana ny raharaha Nohan amin'ny alalan'ny diezy #الحرية_لعمرو_نوهان midika hoe #Fahafahana_ho an'i_Amr_Nohan ny mpanohana azy.